Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 47:6 - Baiboly Katolika

Indrisy, ry sabatr’i Iaveh, mandra-pahoviana no tsy hanam-pitsaharana ianao? Midira indray ao amin’ny tranonao, miatoa ary mandria!

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Indrisy, ry sabatry NY TOMPO! Mandra-pahoviana no tsy hitsaharanao? Midira ao amin’ny tranonao ihany; mitsahara, mijanòna.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Hoy ianareo hoe: ‹Indrisy ry sabatry ny TOMPO, tsy mba hiato mihitsy ve ianao? Midira ao anaty tranonao, mialà voly ka mijanòna.›

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Hoy ianareo hoe: ‹Indrisy ry sabatry ny TOMPO, tsy mba hiato mihitsy ve ianao? Midira ao anaty tranonao, mialà voly ka mijanòna.›

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Indrisy, ry sabatr’i Jehovah! Mandra-pahoviana no tsy hitsaharanao? Midira ao amin’ny tranonao ihany; Mitsahara, ka mijanòna.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Indrisy ry sabatr'i Jehovah! Mandra-pahoviana no tsy hitsaharanao? Midira ao amin'ny tranonao ihany; Mitsahara, ka mijanòna.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Indrisy, ry sabatry NY TOMPO! Mandra-pahoviana no tsy hitsaharanao? Midira ao amin’ny tranonao ihany; mitsahara, mijanòna.

Jereo ny toko



Jeremia 47:6
20 Rohy Ifampitohizana  

Ary niantso an’i Jôaba, i Abnera ka nanao hoe: «Hanao rapa-dango mandrakizay va ny sabatra? tsy fantatrao va fa hangidy no hiafaran’izany? Hiandry mandra-pahoviana ianao vao hilaza amin’ny vahoaka ny tsy hanenjika ny rahalahiny?»


Dia niteny tamin’ilay Anjely i Iaveh, ka nampidirin’io tamin’ny tranony ny sabany.


Mitsangàna, ry Iaveh, mirosoa hitsena azy, ka aripaho izy, ny sabatrao no aoka hanafaka ny fanahiko amin’ny ratsy fanahy,


Mirehareha amin’ny tanana mampandihy azy va ny famaky, miavonavona amin’izay mampandeha azy va ny tsofa? Sa hoe: ny tsora-kazo indray va no manetsika izay manainga azy; sa hoe: ny tehina indray no manangana izay tsy hazo!


Loza ho an’i Asora, tsora-kazon’ny fahatezerako! fiasàn’ny havinirako ny tehina eny an-tanany!


Ny havoana rehetra any an’efitra dia ahatongavan’ny mpandrava avokoa, fa i Iaveh manan-tsabatra mandevona amin’ny tany rehetra hatraiza hatraiza; tsy misy famonjena ho an’ny nofo rehetra na iza na iza.


Mandra-pahoviana no hisaonan’ny tany, sy hahalazo ny ahitra eo amin’ny saha rehetra? Noho ny haratsian’izay monina eo dia maty avokoa ny biby amam-borona, fa hoy izy ireo: «Tsy hahita ny hiafarantsika izy!»


Ary loza efatra karazana no haingaiko hamely azy, - teny marin’i Iaveh - dia ny sabatra hamono, ny amboa hamiravira, ny voromanidina, amam-bibin’ny tany, hihinana sy handringana.


Lazao amin’izy ireo hoe: Izao no tenin’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: «Misotroa ianareo, mimamoa, mandoava, ary mianjerà tsy hiarina intsony, eo anoloan’ny sabatra halefako ho eo afovoanareo.»


Mandra-pahoviana re no mbola hahitako ny faneva, sy handrenesako ny feon’anjomara?...


Ho voaozona anie izay mitsilamodamoka amin’ny asan’i Iaveh! Ho voaozona anie izay mihazona ny sabany tsy handatsa-dra!


Sabatra hamely ny Kaldeanina, - teny marin’i Iaveh,- sy hamely ny mponina ao Babela, sy hamely ny mpanapaka aman’olon-kendriny!


Na raha mandefa sabatra hamely izany tany izany Aho, ary manao hoe: «Aoka hijinja ny tany ny sabatra...» sady mandringana ny olona sy ny biby;


Ary ianao, ry ilay afa-pahamasinana, mpanjaka ratsy fanahin’i Israely, efa tonga ny andronao, amin’izao ipahan’ny fotoanan’ny faharatsiana;


Mifohaza, ry sabatra, hamely ny mpiandry ondriko sy hamely ny lehilahy namako! - teny marin’i Iavehn’ny tafika. - Kapohy ny mpiandry, hihahàfan’ny ondry. Dia hamerina ny tanako ho amin’ny madinika Aho.


Fa hoy i Jesoa tamin’i Piera: «Ampidiro amin’ny tranony ny sabatrao: tsy hosotroiko va ny kapoaka nomen’ny Ray Ahy?»


Niaraka tamin’izay, samy nitsoka ny trômpetra sy namaky ny sininy avy izy telo toko, ka ny tanany havia moa nihazona ny fanilo, ary ny havanana kosa ny trômpetra hotsofiny, dia niantso mafy izy nanao hoe: «Sabatra ho an’i Iaveh sy ho an’i Jedeôna».