Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 42:16 - Baiboly Katolika

ny sabatra atahorananreo, hahatratra anareo any amin’ny tany Ejipta, ny mosary ahìnareo mafy, hanjòhy anareo any Ejipta, ary ho faty any ianareo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

dia hahatratra anareo any amin’ny tany Ejipta ny sabatra izay atahoranareo, ary ny mosary izay ahinareo no hanjohy anareo any amin’ny tany Ejipta, ary any no hahafaty anareo.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

dia any no hahatratra anareo ny ady izay atahoranareo ary any no hanaraka anareo ny mosary izay ahinareo mafy ka hahafaty anareo.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

dia any no hahatratra anareo ny ady izay atahoranareo ary any no hanaraka anareo ny mosary izay ahinareo mafy ka hahafaty anareo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

dia hahatratra anareo any amin’ny tany Egypta ny sabatra izay atahoranareo, ary ny mosary izay ahinareo no hanjohy anareo any amin’ny tany Egypta, ary any no hahafaty anareo.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

dia hahatratra anareo any amin'ny tany Egypta ny sabatra izay atahoranareo, ary ny mosary izay ahinareo no hanjohy anareo any amin'ny tany Egypta, ary any no hahafaty anareo.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

dia hahatratra anareo any amin’ny tany Ejipta ny sabatra izay atahoranareo, ary ny mosary izay ahinareo no hanjohy anareo any amin’ny tany Ejipta, ary any no hahafaty anareo.

Jereo ny toko



Jeremia 42:16
13 Rohy Ifampitohizana  

Ny mpanota enjehin-doza; ny marina kosa valian-tsoa.


Izay firenena ama-mpanjaka tsy mety manaiky azy, dia i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, sy tsy hanao ny vozony ho eo ambanin’ny jiogan’ny mpanjakan’i Babilôna, io firenena io dia hovangiako amin’ny sabatra, amin’ny mosary, amin’ny pesta, - teny marin’i Iaveh, - mandra-pandringako azy amin’ny tanany.


nanalavitra ny Kaldeanina izay natahorany, noho ny namonoan’i Ismaely zanak’i Nataniasa an’i Godoliasa zanak’i Ahikama, izay napetraky ny mpanjakan’i Babilôna, ho governoran’ny tany.


Fa raha hoy kosa ianareo: Tsy honina amin’ity tany ity izahay, ka tsy manaiky ny feon’i Iaveh Andriamanitrareo ianareo;


Indro Aho miambina azy ireo, hampidi-doza fa tsy soa amin’izy ireo, ka dia ho levon’ny sabatra sy ny mosary avokoa, ny lehilahy amin’i Jodà, mandra-paharingany.


Mataho-tsabatra ianareo, ka hataoko tratry ny sabatra, - teny marin’i Iaveh Tompo. -


Fa ny teniko sy ny didiko kosa, izay nasaiko nentin’ny mpaminany mpanompoko, moa tsy nahatratra ny razanareo va, ka dia nibebaka izy ireo ary nanao hoe: Izay efa notapahin’i Iavehn’ny tafika hatao amintsika araka ny lalantsika sy araka ny asantsika dia nataony tamintsika tokoa.»


Raha avelantsika hanao ihany Izy, dia hino Azy ny olona rehetra, ka ho avy ny Rômanina dia haka ny tanànantsika sy ny firenentsika.»


Fa raha tsy manaiky ny feon’i Iaveh Andriamanitrao kosa ianao, mba hitandremanao ny didiny rehetra sy ny lalàna rehetra andidiako anao anio, dia izao ny ozona rehetra ho tonga sy hihatra aminao:


I Iaveh hikapoka anao amin’ny areti-mampitsimozimozy, tazo, fanaintainana, hafanana mahamay, andro mihantona, aretim-bary sy niela, ka hoenjehin’ireo ianao, mandra-pahalevona anao.


Hianjera aminao avokoa ireo ozona rehetra ireo, ary hanenjika sy hahatratra anao tokoa, mandra-paharinganao mihitsy, noho ianao tsy nanaiky ny feon’i Iaveh Andriamanitrao, hitandremanao ny didy aman-dalàny nandidiany anao.