Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 38:7 - Baiboly Katolika

Ren’i Abdemeleka etiôpianina eonòka tao an-tranon’ny mpanjaka fa hoe tao an-davaka i Jeremia; nipetraka teo am-bavahadin’i Benjamina ny mpanjaka tamin’izay;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary i Ebeda-Meleka kosita, tandapa iray tao amin’ny tranon’ny mpanjaka, dia nandre ny nandatsahan’ireo an’i Jeremia tao amin’ny lava-drano. Tamin’iny ny mpanjaka dia nipetraka teo amin’ny vavahadin’ny Benjamina.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ary ren’ilay Etiôpianina atao hoe Hebeda-Melèka izay lehilahy nahatoky tao an-dapan’ny mpanjaka fa natsipy tao an-dava-drano i Jeremià. Ny mpanjaka kosa tamin’izay dia nipetraka teo am-bavahadin’i Benjamîna;

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ary ren’ilay Etiôpianina atao hoe Hebeda-Melèka izay lehilahy nahatoky tao an-dapan’ny mpanjaka fa natsipy tao an-dava-drano i Jeremià. Ny mpanjaka kosa tamin’izay dia nipetraka teo am-bavahadin’i Benjamîna;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary Ebeda-meleka Etiopiana, tandapa anankiray tao amin’ny tranon’ny mpanjaka, raha nandre ny nandatsahany an’i Jeremia tao amin’ny lavaka (nipetraka teo amin’ny vavahadin’ny Benjamina ny mpanjaka androtriny),–

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary Ebeda-meleka Etiopiana, tandapa anankiray tao amin'ny tranon'ny mpanjaka, raha nandre ny nandatsahany an'i Jeremia tao amin'ny lavaka (nipetraka teo amin'ny vavahadin'ny Benjamina ny mpanjaka androtr'iny),

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary i Ebeda-Meleka kosita, tandapa iray tao amin’ny tranon’ny mpanjaka, dia nandre ny nandatsahan’ireo an’i Jeremia tao amin’ny lava-drano. Tamin’iny ny mpanjaka dia nipetraka teo amin’ny vavahadin’ny Benjamina.

Jereo ny toko



Jeremia 38:7
22 Rohy Ifampitohizana  

Nentina ho any Babilôna i Joasina, nentiny ho babo avy any Jerosalema ho any Babilôna ny renin’ny mpanjaka, ny vadin’ny mpanjaka rehetra, ny eonòkany, ny olo-malaza amin’ny tany.


Rahòny ny biby any anaty bararata ny andian’ombilahy aman-janak’ombin’ny vahoaka, mba hiankohoka mitondra anja-bolafotsy, aparitaho ireo firenena tia ady!


Halan’ny olona mpandatsa-dra ny tsy misy tsiny; fa miahy ny ain’izy io kosa, ny mahitsy fo.


Aoka ny hafa firenena efa nifikitra tamin’i Iaveh tsy hanao hoe: «Hoesorin’i Iaveh marina aho, tsy ho isam-bahoakany,» ary aoka ny eonòka tsy hanao hoe: «Indro hazo maina aho!»


Hahova ny hodiny va ny Etiôpianina, hahova ny sorany va ny leoparda? Ary ianareo va hety hanao ny tsara?


Ary nikapoka an’i Jeremia mpaminany i Fasora, nampamatotra azy amin’ny boloky hazo, tao amin’ny vavahady Avon’i Benjamina izay ao amin’ny tranon’i Iaveh.


Dia hoy ny loholona mbamin’ny vahoaka rehetra, tamin’ireo mpisorona sy ireo mpaminany: «Tsy mendrika hovonoina ity lehilahy ity, satria tamin’ny Anaran’i Iaveh Andriamanitsika no nitenenany tamintsika.»


nony efa niala tany Jerosalema i Jekôniasa mpanjaka, ny renin’ny mpanjaka, ny eonòka, ny mpanapaka any Jodà sy Jerosalema, ny mpandrafitra ama-mpanefy vy;


dia ny filohan’i Jodà, ny filohan’i Jerosalema, ny eonoka ama-mpisorona mbamin’ny vahoaka, rehetra amin’ny tany namaky teo anelanelan’ny tapaky ny vantotr’ombalahy.


Kanjo nony mby eo am-bavahadin’i Benjamina izy, indro ny kapitenin’ny mpiambina, atao hoe Jeriasa zanak’i Selemiasa, zanak’i Hananiasa, nisambotra an’i Jeremia mpaminany, nanao hoe: «Miandany amin’ny Kaldeanina ianao.»


dia nivoaka avy tao an-tranon’ny mpanjaka i Abdemeleka, ka niteny tamin’ny mpanjaka nanao hoe:


Mankahala eo am-bavahady izay mananatra izy ireo; ary tsy tia mainty an’izay miteny amim-pahamarinana.


Hovana ho tany lemaka ny tany rehetra, hatrany Bagaà ka hatrany Remôna, eo atsimon’i Jerosalema. Ary hasandratra sy hipetraka amin’ny toerany i Jerosalema, dia hatreo amin’ny vavahadin’i Benjamina ka hatreo amin’ny fitoeran’ny vavahadin’ny Zoro, ary hatreo amin’ny tilikambo Hananeely ka hatrany amin’ny famiazam-boaloboky ny mpanjaka.


Dia toy izany, ny farany ho voalohany, ary ny voalohany ho farany; fa maro no antsoina, ary vitsy no voafidy.


dia hosamborin-drainy aman-dreniny izy, ka hoentiny amin’ny loholon’ny tanàna, eo am-bavahadin’ny fitoerana onenany,


Handositra amin’ny anankiray amin’ireo tanàna ireo izay namono olona, dia hijanona eo anoloan’ny vavahadin’ny tanàna, ka hanambara ny mahazo azy amin’ny loholon’izany tanàna izany, dia horaisin’ireo ho ao aminy ao an-tanàna izy, ka homeny trano mba hipetrahany eo amin’izy ireo.