Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 56:3 - Baiboly Katolika

3 Aoka ny hafa firenena efa nifikitra tamin’i Iaveh tsy hanao hoe: «Hoesorin’i Iaveh marina aho, tsy ho isam-bahoakany,» ary aoka ny eonòka tsy hanao hoe: «Indro hazo maina aho!»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

3 Aoka ny hafa firenena izay efa manaiky ho an’NY TOMPO tsy hiteny hoe: Hesorin’NY TOMPO tsy ho isan’ny olony tokoa aho; ary aoka ny ionòka tsy hiteny hoe: Indro, hazo maina aho!

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

3 Aoka ny hafa firenena efa miraiki-po amin’ny TOMPO tsy hanao anakampo hoe: «Hoesorin’ny TOMPO tokoa aho tsy ho anisan’ny vahoakany.» Ary aoka ny eonòka tsy hanao anakampo hoe: «Indro efa hazo maina aho.»

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

3 Aoka ny hafa firenena efa miraiki-po amin’ny TOMPO tsy hanao anakampo hoe: «Hoesorin’ny TOMPO tokoa aho tsy ho anisan’ny vahoakany.» Ary aoka ny eonòka tsy hanao anakampo hoe: «Indro efa hazo maina aho.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

3 Ary aoka ny hafa firenena izay efa manaiky ho an’i Jehovah tsy hanao hoe: Hesorin’i Jehovah tsy ho isan’ny olony tokoa aho; Ary aoka ny ionoka tsy hanao hoe: Indro, hazo maina aho.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

3 Ary aoka ny hafa firenena izay efa manaiky ho an'i Jehovah tsy hanao hoe: Hesorin'i Jehovah tsy ho isan'ny olony tokoa aho; Ary aoka ny ionoka tsy hanao hoe: Indro, hazo maina aho.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 56:3
35 Rohy Ifampitohizana  

«Ny amin’ny vahiny, tsy anisan’i Israely vahoakanao, fa avy an-tany lavitra, noho ny Anaranao lehibe, ny tananao mahery ary ny sandrinao ahinjitra, nony tonga hivavaka eto amin’ity trano ity izy,


Fa i Jakôba kosa hiantran’i Iaveh, ary i Israely mbola hofidiny; hamponeniny amin’ny taniny indray izy; ny hafa firenena hikambana aminy, sy hiraikitra amin’ny taranak’i Jakôba.


Ary amin’ireo zanakao, avy amin’ny tenanao, naterakao, dia hangalana hatao eonoka, any an-dapan’ny mpanjakan’i Babilôna.»


dia omeko fahatsiarovana sy anarana, tsaratsara kokoa noho izay zanaka lahy sy zanaka vavy ao an-tranoko sy ao anatin’ny mandako izy; anarana mandrakizay no homeko azy ka tsy ho levona.


Ary ny hafa firenena izay mifikitra amin’i Iaveh mba hanompo Azy sy ho tia ny Anarany, ary ho mpanompony, izay rehetra mitandrina ny sabata fa tsy mandika azy, sy miraikitra mafy amin’ny fanekeko,


Hanontany ny amin’i Siôna Izy, dia hitodika manatrika azy. «Avia ianareo, ka miraiketa amin’i Iaveh isika, amin’ny fanekena mandrakizay, tsy hohadinoina na oviana na oviana.»


izay vokoka, na zeny, na mipentina ny masony, izay hatenina, izay anakandroana, ny torotoro vihy.


Ireo zana-bahiny mitoetra eo aminareo koa no azonareo ividianana, na ireo fianakavian’izy ireo, izay miara-monina aminareo, sy naterany teo amin’ny taninareo; ka dia ho fanananareo ireny.


Ho fampatahorana mafy ho azy i Iaveh, fa hofoanany ireo andriamanitra rehetra ambonin’ny tany; ary hiankohoka eo anatrehany samy any amin’izay misy azy avy, ny mponina amin’ny nosim-pirenena rehetra.


Ho mpanampy anao izy ireo, ary hanatanteraka ny fanompoana momba ny trano lay fihaonana amin’ny asa rehetra ao an-trano lay. Fa ny olon-kafa tsy hanakaiky anareo.


Ianao sy ny zanakao miaraka aminao hanatanteraka ny raharaham-pisoronanareo amin’ny zavatra rehetra momba ny ôtely, mbamin’izay rehetra ao anatin’ny efitra lamba. Izany no raharaha hataonareo. Raharaha azo maimaim-poana no anomezako anareo ny fisoronanareo. Izay olon-kafa manakaiky hatao maty.»


Dia niloa-bava i Piera ka nanao hoe: «Hitako marina tokoa fa tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra:


Nino ny sasany tamin’izy ireo, ka nikambana tamin’i Paoly sy i Silasy, toraka izany koa Jentily maro be tia vavaka, sy vehivavy ambony toetra betsaka.


Nony niala teo izy, dia niditra tao an-tranon’ny olona anankiray atao hoe Tito ilay Marina; lehilahy natahotra an’Andriamanitra izy io, ary nifanolotra tamin’ny sinagoga ny tranony.


mba ho mpandraharahan’i Kristy Jesoa amin’ny Jentily aho, amin’ny fanaovana sorona ny fitoriana ny Evanjelin’Andriamanitra, mba ho fanatitra ankasitrahiny ny Jentily, rehefa nohamasinin’ny Fanahy Masina.


Ary izay miray amin’ny Tompo kosa dia fanahy iray aminy.


fa tamin’ny andro tany aloha ianareo, dia tsy nanana an’i Kristy, voasaraka tamin’ny fikambanan’i Israely; olon-ko azy tamin’ny fanekem-pampanantenana, tsy nanana fanantenana, ary tsy nanana an’Andriamanitra teo amin’izao tontolo izao.


ao aminy no andrafetan’ny Fanahy Masina anareo ho trano onenan’Andriamanitra.


«Raha mandeha am-pitobiana hiady amin’ny fahavalonao ianao, dia fadio ny zava-dratsy rehetra.


I Piera, Apôstôlin’i Jesoa Kristy, mamangy ny mpivahiny izay miely any Pônto, Galata, Kapadosy, Azia ary Bitinia, dia ny olom-boafidy,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra