Nahoana, ry Iaveh, no mijanona eny lavitra eny Ianao, sy miery amin’ny andron’ny fahoriana?
Jeremia 14:8 - Baiboly Katolika Ianao ilay fanantenan’i Israely, sy mpanafaka azy amin’ny andro fahoriana, nahoana no dia tahaka ny vahiny amin’ny tany, sy tahaka ny mpandeha manorin-day handry amin’ny alina? Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ry fanantenan’ny Israely ô, mpamonjy azy amin’ny andro fahoriana! Nahoana Ianao no dia toy ny vahiny amin’ny tany ary toy ny mpandeha izay manorin-day handry indray alina monja? DIEM PROTESTANTA Ry fanantenàn’i Israely ô, ry mpamonjy azy amin’ny androm-pahoriana, nahoana no dia toy ny vahiny eo amin’ny tany Ianao sy toy ny mpandeha milasy indray alina monja? Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ry fanantenàn’i Israely ô, ry mpamonjy azy amin’ny androm-pahoriana, nahoana no dia toy ny vahiny eo amin’ny tany Ianao sy toy ny mpandeha milasy indray alina monja? Baiboly Protestanta Malagasy Ry Fanantenan’ny Isiraely ô, Mpamonjy azy amin’ny andro fahoriana! Nahoana Hianao no dia toy ny vahiny amin’ny tany Ary toy ny mpandeha izay manorin-day handry indray alina monja? Malagasy Bible Ry Fanantenan'ny Isiraely ô, Mpamonjy azy amin'ny andro fahoriana! Nahoana Hianao no dia toy ny vahiny amin'ny tany ary toy ny mpandeha izay manorin-day handry indray alina monja? La Bible en Malgache Ry fanantenan’ny Israely ô, mpamonjy azy amin’ny andro fahoriana! Nahoana Ianao no dia toy ny vahiny amin’ny tany ary toy ny mpandeha izay manorin-day handry indray alina monja? |
Nahoana, ry Iaveh, no mijanona eny lavitra eny Ianao, sy miery amin’ny andron’ny fahoriana?
Raha mizotra eo afovoan’ny fahoriana aho, dia velominao indray, maninji-tanana hanohana ny hatezeran’ny fahavaloko Ianao, ary mamonjy ahy ny tananao ankavanana.
Ho an’ny mpampianatra hira. Nataon’ny taranak’i Kôre. Amin’ny feon’ny virjiny . - Hira.
Andriamanitra no arontsika sy herintsika, famonjena azo mandrakariva amin’ny fahoriana.
Antsoy amin’ny andron’ny fahoriana Aho, dia hamonjy anao; ka hanome voninahitra Ahy ianao.
Fa Ianao no fanantenako, ry Tompo Iaveh, Ianao no ipetrahan’ny fitokiako hatramin’ny fahatanorako!
ka mitsara an’izao tontolo izao amin’ny fahamarinana Izy, mitsara ny firenena amin’ny fahitsiana
Hiantso Ahy izy, ary hamaly azy Aho; homba azy amin’ny andron’ny fahoriana Aho. Hanafaka sy hanome voninahitra azy Aho.
Iaveh ô, mamindrà fo aminay! Ianao no antenainay. Aoka Ianao ho sandrinay isa-maraina, sy ho famonjena anay amin’ny andro fahoriana.
Fa izaho Iaveh no Andriamanitrao; ilay Masin’i Israely no mpamonjy anao. Efa nomeko ho avotrao, i Ejipta, ary ho solonao i Etiôpia sy i Sabà.
Antsoy izy ireo; asaovy manatona izy; ary aoka hiara-misaina avokoa izy! Iza no efa nilaza izany zavatra izany hatramin’ny voalohany, sy manambara izany hatramin’ny ela? Tsy izaho Iaveh va? Ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho; Izaho no Andriamanitra marina, ary tsy misy mpamonjy afa-tsy Izaho.
Fa hoy Izy: «Eny, oloko izy ireo, zanaka tsy mba hivadika!» Ka dia Mpamonjy ho azy ireo Izy.
Ry Iaveh, heriko ama-mandako, sy fialofako amin’ny andron’ny fahoriana, ho tonga aminao ny firenena maro, avy amin’ny faran’ny tany, ka hanao hoe: Ny razanay tsy nahazo lova afa-tsy ny lainga, sy zava-poana tsy azo atao na inona na inona!
fanantenan’i Israely, Iaveh ô, ho menatra izay rehetra mahafoy anao! Hosoratana amin’ny tany izay miala amiko, satria nandao ny lohan’ny rano velona, Iaveh, izy ireo.
Loza! fa lehibe izany andro izany, ka tsy misy toa azy! Andro fahoriana ho an’i Jakôba izany, kanefa hoafahana amin’izany izy.
Izay nahita azy ireo, nihinana azy avokoa; ka hoy ny fahavalony: «Tsy meloka isika! satria izy ireo efa nanota tamin’i Iaveh, ilay fonenan’ny fahamarinana; tamin’i Iaveh, ilay fanantenan’ny razany.»
Miverena ho ao amin’ny fitoerana mimanda, ianareo babon’ny fanantenana. Mbola lazaiko anio izao: Indroa heny no haveriko aminao.
Izany no niangaviako ny mba hifankahita sy hidinika aminareo; fa noho ny fanantenan’i Israely ity, no ifatorako amin’izao rojo vy izao.»
Izaho Paoly, Apôstôlin’i Jesoa Kristy, araka ny didin’Andriamanitra Mpamonjy antsika, sy i Jesoa Kristy fanantenantsika,
Nanopy ny masony izy, ka nahita ilay mpivahiny teo an-kianjan’ny tanàna; ka hoy ny anti-dahy taminy nanao hoe: «Ho aiza ianao ary avy aiza?»