Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 43:11 - Baiboly Katolika

11 Izaho dia Izaho ihany no Iaveh ary tsy misy mpamonjy afa-tsy Izaho.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

11 Izaho dia Izaho ihany no TOMPO, ary tsy misy Mpamonjy afa-tsy Izaho.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

11 Izaho dia Izaho ihany no TOMPO, ka tsy misy mpamonjy afa-tsy Izaho.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

11 Izaho dia Izaho ihany no TOMPO, ka tsy misy mpamonjy afa-tsy Izaho.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

11 Izaho dia Izaho ihany no Jehovah, Ary tsy misy Mpamonjy afa-tsy Izaho.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

11 Izaho dia Izaho ihany no Jehovah Ary tsy misy Mpamonjy afa-tsy Izaho.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

11 Izaho dia Izaho ihany no TOMPO, ary tsy misy Mpamonjy afa-tsy Izaho.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 43:11
28 Rohy Ifampitohizana  

Mitsangàna, ry Iaveh ô! Vonjeo aho, ry Andriamanitro! Fa Ianao no mamely ny takolaky ny fahavaloko rehetra; Ianao no manorotoro ny nifin’ny ratsy fanahy.


Inty ny Andriamanitry ny fahafahako; matoky aho, fa tsy manan-tahotra; fa ny heriko sy fiderako, dia i Iaveh, i Iaveh, Izy no famonjena ahy teo.»


Ary ho famantarana ho an’i Iavehn’ny tafika izany, sy ho vavolombelona eo amin’ny tany Ejipta; ka rehefa hitaraina amin’i Iaveh izy ireo, noho ny mpampahory azy, dia haniraka mpamonjy izy, sy mpiaro mahery hanafaka azy.


Izaho no Iaveh, izany no Anarako; ary ny voninahitro tsy homeko ny hafa. Ny fanajana Ahy, tsy ho an’ny sampy.


Fa izaho Iaveh no Andriamanitrao; ilay Masin’i Israely no mpamonjy anao. Efa nomeko ho avotrao, i Ejipta, ary ho solonao i Etiôpia sy i Sabà.


Izao no lazain’i Iaveh, mpanjakan’i Israely sy mpanavotra azy, dia i Iavehn’ny tafika: «Izaho no voalohany, ary Izaho no farany, ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho.


Aza taitra na matahotra foana ianareo! Tsy efa nampahalala anao, hatry ny ela va Aho, sy efa nilaza izany taminao? - Ianareo no vavolombeloko!- Moa misy Andriamanitra afa-tsy izaho va? Tsy misy Vatolampy hafa; tsy mahita izany aho.»


Hitsentsitra ny rononon’ny firenena ianao, sady hitsentsitra ny nonon’ny mpanjaka, dia ho fantatrao fa Izaho Iaveh no Mpamonjy anao, ary ilay Maherin’i Jakôba no Mpanavotra anao.


Fa ny taranak’i Jodà no hiantrako; ary i Iaveh Andriamaniny no hamonjeko azy ireo; fa tsy amin’ny tsipìka, na amin’ny sabatra, na amin’ny ady, na amin’ny soavaly, na amin’ny mpitaingin-tsoavaly no hamonjeko azy.»


Ary Izaho no Iaveh Andriamanitrao, hatrany amin’ny tany Ejipta; tsy hahalala Andriamanitra afa-tsy Izaho ianao; ary eo ivelan’ny Tenako tsy misy mpamonjy.


Fa izaho kosa, dia amin’ny feo fiderana Anao, no hanolorako sorona Aminao; ary ny voady nataoko hoefaiko. An’i Iaveh ny famonjena!


Mifalia amin’ny hafaliana lehibe, ry zanaka vavin’i Siôna! Manaova feo firavoravoana, ry zanaka vavin’i Jerosalema. Fa indro ny Mpanjakanao avy ho atỳ aminao; marina izy sady arovan’Andriamanitra; manetry tena mitaingina ampondra dia ampondra tanora, zanak’ampondravavy.


ary faly sy ravo amin’Andriamanitra Mpamonjy ahy ny foko,


fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan’i Davida, dia i Kristy Tompo.


ary tsy misy hafa hahitana famonjena, fa tsy misy anaran-kafa ambanin’ny lanitra nomena ny olona hahazoantsika famonjena.»


Mihainoa, ry Israely: I Iaveh Andriamanitsika, dia Izy ihany no Iaveh.


tsy hangala-tety, fa hiseho ho olo-mahatoky tokoa, mba hahazo voninahitra amin’ny zavatra rehetra ny fampianaran’Andriamanitra, Mpamonjy antsika.


miandry ny fahasambarana antenaintsika sy ny voninahitr’Andriamanitra lehibe sy Mpamonjy antsika, dia i Jesoa Kristy,


Fa mitomboa amin’ny fahasoavana sy ny fahalalana an’i Jesoa Kristy Tompo sy Mpamonjy antsika. Ho Azy anie ny voninahitra, ankehitriny sy mandrakizay. Amen.


Ary efa nahita izahay, ka manambara fa naniraka ny Zanany ho Mpamonjy an’izao tontolo izao ny Ray.


dia ho an’Andriamanitra tokana Mpamonjy antsika, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika, ny voninahitra sy ny fiamboniana, ary ny hery sy ny fanjakana, hatrizay hatrizay, sy ankehitriny ary mandrakizay doria. Amen.


nanao hoe: «Soraty amin’ny boky izay hitanao, ka ampitondray any amin’ny Eglizy fito any Azia, dia any Efezy, Smirna, Pergama, Tiatira, Sarda, Filadelfia, ary Laodisea.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra