Ny fireharehana dia mialoha ny faharavana, ary ny fiavonavonana dia mialoha ny fahalavoana.
Jeremia 13:9 - Baiboly Katolika Izao no lazain’i Iaveh: «Toy izany no hahafoanako ny avonavon’i Jodà, sy ny avonavon-dehiben’i Jerosalema. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Izao no lazain’NY TOMPO: Tahaka izany no hanimbako ny avonavon’ny Joda sy ny haben’ny avonavon’ny Jerosalema. DIEM PROTESTANTA «Izao no lazain’ny TOMPO: Hataoko lo tahaka ity fehikibo ity ny zavatra mampirehareha an’i Joda sy mampirehareha fatratra an’i Jerosalema. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara «Izao no lazain’ny TOMPO: Hataoko lo tahaka ity fehikibo ity ny zavatra mampirehareha an’i Joda sy mampirehareha fatratra an’i Jerosalema. Baiboly Protestanta Malagasy Izao no lazain’i Jehovah: Tahaka izany no hanimbako ny avonavon’ny Joda Sy ny haben’ny avonavon’i Jerosalema. Malagasy Bible Izao no lazain'i Jehovah: Tahaka izany no hanimbako ny avonavon'ny Joda sy ny haben'ny avonavon'i Jerosalema. La Bible en Malgache Izao no lazain’NY TOMPO: Tahaka izany no hanimbako ny avonavon’ny Joda sy ny haben’ny avonavon’ny Jerosalema. |
Ny fireharehana dia mialoha ny faharavana, ary ny fiavonavonana dia mialoha ny fahalavoana.
Fantatray ny avonavon’i Moaba, ilay fatra-piavonavona, ny rehareha aman’avonavony, ny anjonanjony aman-teny mamitaka.
I Iavehn’ny tafika no nandidy izany mba hanamatroka ny voninahitr’izay rehetra mamirapiratra, mba hanetry ny olo-malaza rehetra amin’ny tany.
ny mpanjakany, ny lehibeny, mba hanao azy ho tany manirery, ho tany rava, ho zavatra fandatsa, fanozonana, araka izao hita anio izao.
Efa renay ny avonavon’i Moaba, ilay fatra-piavonavona, ny fisolanàndrany, ny avonavony, ny reharehany, ary ny hambom-pony.
Nandroso niavonavona izy ireo, ka nanao fahavetavetana teo imasoko; ary nony nahita izany Aho, dia nataoko tsy nisy intsony izy.
I Sôdôma, rahavavinao tsy mba notononin’ny vavanao akory, tamin’ny andro niavonavonanao,
Horavako ny reharehan’ny herinareo; hataoko toy ny vy ny lanitrareo, ary toy ny varahina ny taninareo.
Misy mpandrava tamy hamely anao; tano ny trano mimanda, ambeno ny lalana, hatanjaho ny andilanao, angony ny herinao rehetra!
Amin’izany andro izany tsy ho henatra ho anao intsony, ny asanao rehetra izay nanotanao tamiko; satria amin’izany hoesoriko hiala eo aminao ireo izay nifaly tamim-pireharehana; ary ianao tsy hiavonavona intsony eo an-tendrombohitro masina.
Lazaiko aminareo fa ity no nidina efa nohamarinina, tany an-tranony, fa tsy ilay anankiray; fa izay rehetra manandra-tena no haetry, ary izay manetry tena no hasandratra.»
Lehibe toy izany koa anefa ny fahasoavana omeny, araka ny lazain’ny Soratra Masina hoe: Manohitra ny mpiavonavona Andriamanitra, fa manome fahasoavana ny manetry tena.
Ary ianareo mbola tanora kosa, maneke ny Pretra. Samia misikina fanetren-tena ianareo ka mifanompoa, fa manohitra ny mpiavonavona Andriamanitra, ary manome fahasoavana ny manetry tena.