Nanana anaka izy sady nitera-dahy ka nanao hoe: «Nesorin’Andriamanitra tamiko ny fahafaham-barakako.»
Isaia 4:1 - Baiboly Katolika Amin’izany andro izany, hisy vehivavy fito hihazona lehilahy iray, hanao hoe: «Ny mofonay no hohaninay, ary ny fitafianay no hitafianay, fa aoka mba hitondra ny anaranao izahay, ka halànao tondromaso.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Amin’izany andro izany dia hisy vehivavy fito hihazona lehilahy iray ka hiteny hoe: Ny haninay ihany no hohaninay ary ny fitafianay ihany no hanaovanay; fa izao no hany angatahinay: Aoka hampitondraina ny anaranao izahay ka afaho tondro-maso! DIEM PROTESTANTA Amin’izany andro izany, dia vehivavy fito no indray hihazona lehilahy iray ka hanao hoe: «Tsy hiantohanao na sakafo na fitafiana izahay, fa aoka izahay mba hahazo mitondra ny anaranao, ka afaho amin’ny fahafaham-baràkanay.» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Amin’izany andro izany, dia vehivavy fito no indray hihazona lehilahy iray ka hanao hoe: «Tsy hiantohanao na sakafo na fitafiana izahay, fa aoka izahay mba hahazo mitondra ny anaranao, ka afaho amin’ny fahafaham-baràkanay.» Baiboly Protestanta Malagasy Ary amin’izany andro izany dia hisy vehivavy fito hihazona lehilahy iray ka hanao hoe: Ny haninay ihany no hohaninay, ary ny lambanay ihany no hotafinay; Fa izao ihany no angatahinay: Aoka hotononina amin’ny anaranao izahay, Ka afaho tondromaso. Malagasy Bible Ary amin'izany andro izany dia hisy vehivavy fito hihazona lehilahy iray ka hanao hoe: Ny haninay ihany no hohaninay, ary ny lambanay ihany no hotafinay; Fa izao ihany no angatahinay: Aoka hotononina amin'ny anaranao izahay, Ka afaho tondromaso La Bible en Malgache Amin’izany andro izany dia hisy vehivavy fito hihazona lehilahy iray ka hiteny hoe: Ny haninay ihany no hohaninay ary ny fitafianay ihany no hanaovanay; fa izao no hany angatahinay: Aoka hampitondraina ny anaranao izahay ka afaho tondro-maso! |
Nanana anaka izy sady nitera-dahy ka nanao hoe: «Nesorin’Andriamanitra tamiko ny fahafaham-barakako.»
Ary izao no hiseho amin’izany andro izany: Ny sisa amin’i Israely ary izay afaka tsy lany amin’ny taranak’i Jakôba, dia hitsahatra tsy hiankina amin’izay namely azy intsony, fa hiankina amin’i Iaveh izy ireo amin’ny masin’i Israely, tsy hivadika aminy.
Hataoko mahalana mihoatra noho ny volamena madio, ny olombelona; mahalana mihoatra noho ny volamena avy any Ofira.
Amin’izany andro izany ny olona hijery any amin’Ilay nahary azy, ary hibanjina ny Masin’i Israely ny masony.
Ny fiandrianan’ny mason’ny olona, hatanondrika, ary ny avonavon’ny olombelona, haetry, fa i Iaveh no hasandratra, dia Izy irery ihany, amin’izany andro izany.
Ny reharehan’ny olona, haongana, ary ny avonavon’ny olombelona, haetry, fa i Iaveh no hasandratra, dia Izy irery ihany, amin’izany andro izany.
Nony halain’ny rahalahiny ny olona anankiray, ao an-tranon-drainy ilazany hoe: «Manan-damba ianao, ka aoka ho lehibenay, ary aoka ho ambany fiambenanao izao faharavana izao!»
Aza matahotra, fa tsy ho menatra ianao; aza mangaihay, fa tsy hisy hahamenatra anao; fa hanadino ny henatry ny fahatanoranao ianao; ary tsy hahatsiaro intsony ny tondromaso, fony mpitondratena.
Ho maro ny mpitondratenany, mihoatra noho ny fasika eny an-dranomasina. Hitondra mpandringana ho ao aminy Aho, ao amin’ny renin’ny mpiady tanora amin’ny mitataovovonana. Hataoko mirotsaka aminy tampoka ny ahiahy mafy sy ny vadi-po.
«Izao no nataon’ny Tompo tamiko, tamin’ny andro nitsinjovany ahy hahafa-tondro-maso ahy amin’ny olona.»
satria izany andro izany no ho andro famaizana sy hahatanterahan’izay rehetra voasoratra.
Mandidy sy mananatra izany olona izany ao amin’i Jesoa Kristy Tompo izahay, mba hiasa amim-piadanana, ka hihinana ny azy ihany.
Sady mbola nankalozain’ity rafiny mafy izaitsizy koa izy, mba hampalahelo azy amin’ny nanaovan’i Iaveh azy momba.