Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Isaia 39:1 - Baiboly Katolika

Tamin’izany andro izany, i Merôdàka-Baladàna, zanak’i Baladàna mpanjakan’i Babilôna, nampitondra taratasy amam-panomezana ho an’i Ezekiasa, fa efa reny ny naharariany sy ny nahasitranany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Tamin’izany andro izany no nampitondran’i Merodaka-Baladana, zanak’i Baladana, mpanjakan’i Babilona, taratasy sy fanomezana ho an’i Hezekia; reny mantsy fa narary izy ka sitrana.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Tamin’izany fotoana izany i Merôdaky-Baladàna, zanakalahin’i Baladàna sady mpanjakan’i Babilôna, no nandre fa narary i Hezekià ary efa sitrana. Dia nandefa iraka hitondra taratasy sy fanomezana ho azy izy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Tamin’izany fotoana izany i Merôdaky-Baladàna, zanakalahin’i Baladàna sady mpanjakan’i Babilôna, no nandre fa narary i Hezekià ary efa sitrana. Dia nandefa iraka hitondra taratasy sy fanomezana ho azy izy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

TAMIN’izany andro izany no nampitondran’i Merodakabaladana, zanak’i Baladana, mpanjakan’i Babylona, taratasy sy fanomezana ho an’i Hezekia; fa efa reny fa narary izy ka sitrana.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Tamin'izany andro izany no nampitondran'i Merodaka-baladana, zanak'i Baladana, mpanjakan'i Babylona, taratasy sy fanomezana ho an'i Hezekia; fa efa reny fa narary izy ka sitrana.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Tamin’izany andro izany no nampitondran’i Merodaka-Baladana, zanak’i Baladana, mpanjakan’i Babilona, taratasy sy fanomezana ho an’i Hezekia; reny mantsy fa narary izy ka sitrana.

Jereo ny toko



Isaia 39:1
11 Rohy Ifampitohizana  

Ary hoy i Davida: «Hampiseho fankasitrahana amin’i Hanòna zanak’i Naasa aho, toy ny nampisehoan-drainy fankasitrahana tamiko.» Dia nampitondra fitsapana alahelo azy noho ny amin-drainy i Davida tamin’ny alalan’ny mpanompony. Nony tonga tany amin’ny tanin’i Amôna ny mpanompon’i Davida,


dia nirahin’i Taohò ho any amin’i Davida mpanjaka, i Jôrama zanany, hamangy sy hiarahaba azy, noho ny niadiany sy nandreseny an’i Hadadezera, fa niady lava tamin’i Hadadezera i Taohò. Kapoaka volamena sy kapoaka volafotsy ary kapoaka varahina no teo an-tanan’i Jôrama.


Maro ny olona nitondra fanatitra ho an’i Iaveh tany Jerosalema ary fanomezana sarobidy ho an’i Ezekiasa mpanjakan’i Jodà, izay tonga voasandratra teo imason’ny firenena rehetra hatramin’izay.


Tsy namaly araka ny soa noraisiny anefa i Ezekiasa fa nisondrotra ny fanahiny, ka niharan’ny fahatezeran’i Iaveh izy mbamin’i Jodà sy i Jerosalema.


Tamin’ireo iraka nirahin’ny lehiben’i Babilôna, hanontany azy ny amin’ny zava-mahagaga natao teo amin’ny tany, ny hany nandaozan’Andriamanitra azy, dia ny hizahany toetra azy, mba hahalalany ny ao am-pony rehetra.


Faminaniana momba an’i Babilôna nambara tamin’i Izaia, zanak’i Amôsa.


Ary i Babilôna, ilay ravaky ny fanjakana maro, haingon’ny Kaldeanina be rehareha, dia hanahaka an’i Sôdôma sy i Gômôra izay noravan’Andriamanitra. Tsy hisy mponina intsony ao aminy,


dia hoventesinao izao hira faniniana izao, ny amin’ny mpanjakan’i Babilôna, ka hataonao hoe: «Akory ity niafaran’ilay mpanjaka manao jadona, ary nitsaharan’ny fampahoriana?


Jereo ny tanin’ny Kaldeanina, firenena mbola tsy nisy, izay nanolotra an’i Asora ho an’ny bibidia any an’efitra; nanangana ny tilikambony izy, nandrava ny lapany, nataony korontan-javatra miavovona sisa teo!