Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Samoela 10:2 - Baiboly Katolika

2 Ary hoy i Davida: «Hampiseho fankasitrahana amin’i Hanòna zanak’i Naasa aho, toy ny nampisehoan-drainy fankasitrahana tamiko.» Dia nampitondra fitsapana alahelo azy noho ny amin-drainy i Davida tamin’ny alalan’ny mpanompony. Nony tonga tany amin’ny tanin’i Amôna ny mpanompon’i Davida,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 Ary hoy i Davida: Hanisy soa an’i Hanona, zanak’i Nahasy, aho, toy ny soa nataon’ny rainy tamiko. Ary naniraka ny mpanompony i Davida mba hitsapa alahelo azy ny amin’ny rainy. Dia tonga tany amin’ny tanin’ny taranak’i Amona ny mpanompon’i Davida.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

2 Ary hoy i Davida anakampony: «Hanao soa amin’i Hanòna zanakalahin’i Nahasy aho, tahaka izay nataon-drainy tamiko.» Dia naniraka minisitra i Davida mba hitsapa alahelo an’i Hanòna noho ny nahafatesan-drainy. Rehefa tonga tany amin’ny tanin’ny Hamônita ireo minisitr’i Davida,

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 Ary hoy i Davida anakampony: «Hanao soa amin’i Hanòna zanakalahin’i Nahasy aho, tahaka izay nataon-drainy tamiko.» Dia naniraka minisitra i Davida mba hitsapa alahelo an’i Hanòna noho ny nahafatesan-drainy. Rehefa tonga tany amin’ny tanin’ny Hamônita ireo minisitr’i Davida,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 Ary hoy Davida: Hanisy soa an’i Hanona, zanak’i Nahasy, aho, toy ny soa nataon-drainy tamiko. Ary Davida naniraka ny mpanompony hitsapa alahelo azy ny amin-drainy. Ary tonga tany amin’ny tanin’ny taranak’i Amona ny mpanompon’i Davida.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 Ary hoy Davida: Hanisy soa an'i Hanona, zanak'i Nahasy, aho, toy ny soa nataon-drainy tamiko. Ary Davida naniraka ny mpanompony hitsapa alahelo azy ny amin-drainy. Ary tonga tany amin'ny tanin'ny taranak'i Amona ny mpanompon'i Davida.

Jereo ny toko dika mitovy




2Samoela 10:2
6 Rohy Ifampitohizana  

Nony tonga tao Mahanaîma i Davida, dia indreo i Sôbì zanak’i Naasa, avy any Rabàn’ny taranak’i Amôna, sy i Makira, zanak’i Amiela, avy any Lôdobara, ary i Berzelaia Galaadita, avy any Rôgelima,


Ary i Naasy Amônita niakatra dia nitoby teo anoloan’i Jabesy any Galaada. Ka hoy ny mponina rehetra tany Jabesy tamin’i Naasy: «Manaova fanekem-pihavanana aminay dia hanompo anao izahay.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra