Isaia 23:13 - Baiboly Katolika13 Jereo ny tanin’ny Kaldeanina, firenena mbola tsy nisy, izay nanolotra an’i Asora ho an’ny bibidia any an’efitra; nanangana ny tilikambony izy, nandrava ny lapany, nataony korontan-javatra miavovona sisa teo! Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201113 Indro ny tanin’ny Kaldeana, izay tsy firenena akory fahiny; fa ny Asiriana no nanorina azy ho an’ny mponina any an-tany efitra; manangana tilikambo fiambenana izy ary mandrava ny lapan’ny mpanjaka ao ka mampody azy ho korontam-bato. Jereo ny tokoDIEM PROTESTANTA13 Mba jereo ange ity tanin’i Sipra! Tsy misy intsony ny maha firenena azy. Nataon’ny Asirianina tobim-pamaharana eo anivon-dranomasina io nosy io, ary nananganany tilikambo fitiliana sy nanorenany tanàna mimanda; kanefa lasa korontam-bato miavovona ireny. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara13 Mba jereo ange ity tanin’i Sipra! Tsy misy intsony ny maha firenena azy. Nataon’ny Asirianina tobim-pamaharana eo anivon-dranomasina io nosy io, ary nananganany tilikambo fitiliana sy nanorenany tanàna mimanda; kanefa lasa korontam-bato miavovona ireny. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy13 Indro ny tanin’ny Kaldeana! Tsy firenena intsony izy, Fa nataon’ny Asyriana fonenan’ny bibi-dia any an-efitra; Manao tilikambo fitiliana izy Ka mandrava ny lapan’ny mpanjaka ao Ary mampody azy ho korontam-bato. Jereo ny tokoMalagasy Bible13 Indro ny tanin'ny Kaldeana! Tsy firenena intsony izy, fa nataon'ny Asyriana fonenan'ny bibi-dia any an-efitra; Manao tilikambo fitiliana izy ka mandrava ny lapan'ny mpanjaka ao ary mampody azy ho korontam-bato. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache13 Indro ny tanin’ny Kaldeana, izay tsy firenena akory fahiny; fa ny Asiriana no nanorina azy ho an’ny mponina any an-tany efitra; manangana tilikambo fiambenana izy ary mandrava ny lapan’ny mpanjaka ao ka mampody azy ho korontam-bato. Jereo ny toko |
Ry zanak’olona, i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, nampanao fanompoana mafy ny miaramilany, namely an’i Tira; tonga sola avokoa ny lohany, mangana avokoa ny sorony; nefa tsy nahazo karama kely akory tamin’i Tira, na ho an’ny tenany na ho an’ny miaramilany tamin’ny fanompoana nataony, namelezany azy.