Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 32:23 - Baiboly Katolika

23 Maro ny olona nitondra fanatitra ho an’i Iaveh tany Jerosalema ary fanomezana sarobidy ho an’i Ezekiasa mpanjakan’i Jodà, izay tonga voasandratra teo imason’ny firenena rehetra hatramin’izay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

23 Ary maro no nitondra fanatitra ho an’NY TOMPO tany Jerosalema ary nanome zava-tsoa ho an’i Hezekia, mpanjakan’ny Joda; dia nalaza teo imason’ny firenena rehetra izy hatramin’izay.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

23 Olona maro no nitondra fanatitra ho an’ny TOMPO tao Jerosalema ary koa fanomezana ho an’i Hezekià mpanjakan’i Joda; ka nanomboka tamin’izay i Hezekià no nalaza teo imason’ny firenen-drehetra manodidina.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

23 Olona maro no nitondra fanatitra ho an’ny TOMPO tao Jerosalema ary koa fanomezana ho an’i Hezekià mpanjakan’i Joda; ka nanomboka tamin’izay i Hezekià no nalaza teo imason’ny firenen-drehetra manodidina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

23 Ary ny maro nitondra fanatitra ho an’i Jehovah tany Jerosalema sy zava-tsoa ho an’i Hezekia, mpanjakan’ny Joda; dia nalaza teo imason’ny firenena rehetra izy hatramin’izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

23 Ary ny maro nitondra fanatitra ho an'i Jehovah tany Jerosalema sy zava-tsoa ho an'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda; dia nalaza teo imason'ny firenena rehetra izy hatramin'izany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

23 Ary maro no nitondra fanatitra ho an’NY TOMPO tany Jerosalema ary nanome zava-tsoa ho an’i Hezekia, mpanjakan’ny Joda; dia nalaza teo imason’ny firenena rehetra izy hatramin’izay.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 32:23
18 Rohy Ifampitohizana  

Dia notoloran-dravehivavy talenta volamena 120, zava-manitra be dia be ary vatosoa ny mpanjaka. Tsy nisy be noho ny nomen’ny mpanjaka vavin’i Sabà an’i Salômôna mpanjaka, intsony ny zava-manitra tonga.


Sady samy nitondra ny fanatiny avy, dia fanaka volafotsy, fanaka volamena, fitafiana, fiadiana, zava-manitra, soavaly, mole, isan-taona.


Ny voavonjy amin’ny taranak’i Jodà, ny sisa tafajanona, dia mbola haniry faka ao ambany, ka hamoa eo ambony.


Ny fiandrianan’i Salômôna nasandratr’i Iaveh ho ambony indrindra teo imason’i Israely rehetra, ny fanjakany nomeny voninahitra mihoatra noho ny an’ny mpanjaka talohany teo amin’i Israely rehetra.


Niorina mafy tamin’ny fanjakana i Salômôna zanak’i Davida; nomba azy i Iaveh Andriamaniny, ka nanandratra azy ho amin’ny ambaratonga ambony indrindra.


Nisy Filistinina nitondra fanatitra sy vola hetra ho an’i Jôsafata; ny Arabo koa nitondra biby fiompiny taminy, dia ondralahy 7.700, sy osilahy 7.700.


Koa nohamafisin’i Iaveh teo an-tanany ny fanjakana ary nitondran’i Jodà rehetra fanatitra i Jôsafata, ka nanan-karena amam-boninahitra be.


ary samy nitondra ny fanatiny avy isan-taona izy, dia fanaka volafotsy, fanaka volamena, fitafiana, fiadiana, zava-manitra, soavaly ary mole.


«Hisaorana anie i Iaveh Andriamanitry ny razantsika izay nanome hevitra ny fon’ny mpanjaka mba hanome voninahitra ny tranon’i Iaveh ao Jerosalema toy izany,


Mandidia ny fahefanao, ry Andriamanitra, hamafiso izay nataonao ho anay, ry Andriamanitra!


Handoa hetra ny mpanjakan’i Tarsisa sy ny nosy; hanolotra fanatitra ny mpanjakan’i Sabà sy Merôe;


Ka dia hody voninahitra ny fisafoaky ny olombelona, sy ny sisam-pahatezerany.


ary rehefa tafiditra tao an-trano izy, dia nahita ny Zazakely sy i Maria reniny, ka niankohoka nitsaoka Azy; ary nony efa nosokafany ny fitoeran-drakiny, dia nanolotra fanatitra ho Azy izy, dia volamena sy emboka manitra ary mira. Ary indro ilay kintana hitany tany atsinanana, dia nialoha azy ambara-pijanony teo ambonin’izay nitoeran’ny Zaza.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra