Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 32:31 - Baiboly Katolika

31 Tamin’ireo iraka nirahin’ny lehiben’i Babilôna, hanontany azy ny amin’ny zava-mahagaga natao teo amin’ny tany, ny hany nandaozan’Andriamanitra azy, dia ny hizahany toetra azy, mba hahalalany ny ao am-pony rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

31 Nefa noho ny amin’ny irak’ireo mpanapaka tany Babilona, izay nandefa iraka tany aminy mba hanontany ny amin’ny zava-mahagaga nitranga teo amin’ny tany, dia nilaozan’Andriamanitra izy, mba hizahany toetra azy mba hahalalany izay rehetra tao am-pony.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

31 Noho izany, rehefa nandefasan’ny manampahefana babilônianina iraka izy mba hanontany momba ny zava-mahagaga nitranga teo amin’ny taniny, dia navelan’Andriamanitra hanao saim-pantatra izy mba hisedrany azy ka hahalalany izay toetrany rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

31 Noho izany, rehefa nandefasan’ny manampahefana babilônianina iraka izy mba hanontany momba ny zava-mahagaga nitranga teo amin’ny taniny, dia navelan’Andriamanitra hanao saim-pantatra izy mba hisedrany azy ka hahalalany izay toetrany rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

31 Nefa noho ny amin’ny irak’ireo mpanapaka tany Babylona, izay naniraka tany aminy mba hanontany ny amin’ny zava-mahagaga natao teo amin’ny tany, dia nilaozan’Andriamanitra izy, mba hizahany toetra azy hahalalany izay rehetra ao am-pony.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

31 Nefa noho ny amin'ny irak'ireo mpanapaka tany Babylona, izay naniraka tany aminy mba hanontany ny amin'ny zava-mahagaga natao teo amin'ny tany, dia nilaozan'Andriamanitra izy, mba hizahany toetra azy hahalalany izay rehetra ao am-pony.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 32:31
24 Rohy Ifampitohizana  

Taorian’izany, nizaha toetra an’i Abrahama Andriamanitra ka nanao taminy hoe: «Ry Abrahama ô!» Ary hoy izy: «Inty aho.»


Tamin’izany andro izany, narary efa ho faty i Ezekiasa, ka nivavaka tamin’i Iaveh, dia niteny taminy i Iaveh sy nanao fahagagana ho azy.


Tsy namaly araka ny soa noraisiny anefa i Ezekiasa fa nisondrotra ny fanahiny, ka niharan’ny fahatezeran’i Iaveh izy mbamin’i Jodà sy i Jerosalema.


Ny asan’i Ezekiasa sisa, mbamin’ny asany momba ny fivavahana, dia efa voasoratra ao amin’ny Fahitan’i Izaia mpaminany zanak’i Amôsa sy ao amin’ny bokin’ny mpanjakan’i Jodà sy i Israely.


Aza afeninao amiko ny Tavanao; aza roahina an-katezerana ny mpanomponao; Ianao no famonjena ahy, ka aza mahafoy ahy; aza ilaozanao aho, ry Andriamanitry ny famonjena ahy.


Ny mizaha toetra ny volafotsy dia ny memy, ary ny an’ny volamena dia ny fandrendrehana; fa ny mizaha toetra ny fo kosa dia ny Tompo.


Fa io ampahatelony io hampidiriko ao amin’ny afo, hodioviko toy ny fandio volafotsy, haofana toy ny fanofana volamena. Izy hiantso ny Anarako; ary Izaho hamaly azy. Izaho hanao hoe: «Oloko izy!» Ary izy hilaza hoe: «Andriamanitro i Iaveh!»


Izaho no foto-boaloboka, ary ianareo no sampany. Izay mitoetra ao amiko sy itoerako no mamoa be, satria raha tsy Izaho dia tsy mahefa na inona na inona ianareo.


dia aza mihaino ny tenin’izany mpaminany na mpanonofy izany akory, fa mizaha toetra anareo i Iaveh Andriamanitrareo, hahalalany raha tia an’i Iaveh Andriamanitrareo amin’ny fonareo rehetra sy amin’ny fanahinareo rehetra ianareo.


izay nanome mana hohaninao tany an’efitra, dia zavatra tsy fantatry ny razanao akory, mba hampanetry tena anao sy hizaha toetra anao, ary hanisy soa anao any aoriana,


Tsarovy ny lalàna rehetra izay nasain’i Iaveh Andriamanitrareo nandehananareo, tany an’efitra, nandritra ny efapolo taona izao, mba hampanetry tena anao, sy hitsapa ny tenanao, dia hahalalàna ny hevitrao ao am-ponao, na hitandrina ny didiny ianao, na tsia.


Aoka izay alaim-panahy tsy hisy hanao hoe: «Andriamanitra no maka fanahy ahy»; fa Andriamanitra tsy azo alaim-panahy ho amin’ny ratsy, sady tsy maka fanahy olona.


ka rehefa voazaha toetra ny finoanareo izay ambony lavitra noho ny volamena (io anefa mba zahan-toetra amin’ny afo ihany na dia zavatra mety simba aza), dia ho hita fa manjary dera sy voninahitra ary haja ho anareo izany, amin’ny andro hisehoan’i Jesoa Kristy.


Ka hoy izy: «Irotsahan’ny Filistinina ianao, ry Samsôna!» Dia taitra tamin’ny torimasony izy, ka nanao hoe: «Ho afaka amin’izao toy ny taloha ihany aho, dia hitsoaka»; satria tsy fantany fa efa niala taminy i Iaveh.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra