Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 14:4 - Baiboly Katolika

4 dia hoventesinao izao hira faniniana izao, ny amin’ny mpanjakan’i Babilôna, ka hataonao hoe: «Akory ity niafaran’ilay mpanjaka manao jadona, ary nitsaharan’ny fampahoriana?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 dia hambaranao izao oha-teny ny amin’ny mpanjakan’i Babilona izao hoe: Akory izay! Nitsahatra ilay mpampahory! Tsy ao intsony ilay mpampijaly!

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

4 dia horedoninao izao hira fanarabiana ny mpanjakan’i Babilôna izao: Fa ahoana no niafaran’ilay mpanjakazaka ary koa niafaran’ny famoretany!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 dia horedoninao izao hira fanarabiana ny mpanjakan’i Babilôna izao: Fa ahoana no niafaran’ilay mpanjakazaka ary koa niafaran’ny famoretany!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 dia hataonao izao oha-teny ny amin’ny mpanjakan’i Babylona izao: Hià! mitsahatra ilay mpampahory! Eny, tsy ao intsony ilay tanàna volamena!

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 dia hataonao izao oha-teny ny amin'ny mpanjakan'i Babylona izao: Hià! mitsahatra ilay mpampahory! Eny. tsy ao intsony ilay tanàna volamena!

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

4 dia hambaranao izao oha-teny ny amin’ny mpanjakan’i Babilona izao hoe: Akory izay! Nitsahatra ilay mpampahory! Tsy ao intsony ilay mpampijaly!

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 14:4
35 Rohy Ifampitohizana  

Nentin’i Nabokodonozora ho any Babilôna avokoa ny fanaka teo an-tranon’i Iaveh, na ny lehibe na ny kely, ny rakitry ny tranon’i Iaveh, ny rakitry ny mpanjaka, ary ny an’ireo filohany.


Faminaniana momba an’i Babilôna nambara tamin’i Izaia, zanak’i Amôsa.


Ary i Babilôna, ilay ravaky ny fanjakana maro, haingon’ny Kaldeanina be rehareha, dia hanahaka an’i Sôdôma sy i Gômôra izay noravan’Andriamanitra. Tsy hisy mponina intsony ao aminy,


nampanjary efitra an’izao tontolo izao, nandrava ny tanàna, tsy nandefa ny babo hody any aminy?› »


Notapahin’i Iaveh ny tehin’ny ratsy fanahy, ny tehim-panjakan’ny mpanapaka!


Nikapoka ny vahoaka tamin-katezerana mafy Izy, tamin’ny kapoka tsy an-kijanona; nentin’ny fisafoahany dia nataony ambany jioga ny firenena, tamin’ny fanenjehana tsy misy hiainana.


Aoka ireo mpandositra avy any Moaba hahazo mitoetra eo aminao; aoka ianao ho fiereny, tsy ho azon’ireo mpandringana izy; fa mitsahatra ny fanafihana, tapitra ny fandravana, lasa niala tamin’ny tany ny mpampahory.


Misy fahitana mahatsiravina naseho tamiko: ny mpandroba, mandroba; ny mpandrava, mandrava. «Iakaro, ry Elama! Hodidino, ry Meda! Hatsahatro ny fisentoana rehetra.»


Mipetraha tsy miteny, midira ao amin’ny maizina, ry zanaka vavin’ny Kaldeanina; fa ianao tsy hantsoina intsony hoe: ilay tompovavin’ny fanjakana.


Hataoko mihinana ny nofony ny mpampahory anao; hidoroka amin’ny ran’ny tenany, hoatra ny amin’ny divay vaovao; dia ho fantatry ny nofo rehetra fa Izaho Iaveh no Mpamonjy anao, ary ilay Maherin’i Jakôba no mpanavotra anao!


ka dia manadino an’i Iaveh, Mpahary anao, izay namelatra ny lanitra sy nanorina ny tany; mangovitra tsy an-kijanona, tontolo andro, eo anatrehan’ny fisafoakan’ny mpifehy masiaka rehefa mioman-kandrava anao Izy. Ary aiza izao, izay fisafoaky ny mpanapaka masiaka?


Hataoko eo an-tanan’ny mpanenjika anao izany, dia amin-dry zareo nanao taminao hoe: «Miondreha handehananay!» Dia ny lamosinao no nataony toy ny tany, sy toy ny lalam-be ho an’ny mpandeha!


Hatao miorina tsara amin’ny fahamarinana ianao; aoka ho lavitra anao anie ny fanahiana, fa tsy manan-katahorana ianao; ho lavitra anao anie ny fampahatahorana, fa tsy hanakaiky anao izany.


Ny kapan’ny mpiady rehetra tamin’ny fikatrohana mbamin’ny kapaoty nihosin-dra rehetra, dia atao anatin’ny afo: ka levon’ny afo.


Hataoko zavatra mahatsiravina sy loza izy ireo, any amin’ny fanjakana rehetra amin’ny tany, ho fandatsa ho ambentinteny, ho fihomehezana, ho fanozonana, any amin’ny tany rehetra handroahako azy.


Ianareo rehetra mifanakaiky aminy, samia mitsapa alahelo azy, ary ianareo rehetra mahalala ny Anarany, samia milaza hoe: «Ahoana no dia tapaka ny tehina mafy toy izany, ny tehim-panjakana kanto toy izany?»


Ahoana no nihamatroka ny volamena, nihasimba ny volamena madio, niely patrana ny vato voahasina, eny an-joron-dalambe rehetra eny.


Rehefa avy izay hanatanterahako fitsarana aminao amim-pahatezerana amam-pahavinirana, sy amim-pamaizan’ny fahavinirako, ianao dia ho latsa sy henatra ary ho fananarana amam-pampitahorana ho an’ny firenena manodidina anao;


Fa hitsingerina aminao ny fahasiahana namelezana an’i Libàna mbamin’ny fandringanana ny biby raiki-tahotra mahatsiravina, noho ny ran’olona nalatsaka, sy ny loza natao tamin’ny tany, na tamin’ny tanàna na tamin’ny mponina rehetra ao aminy.


Hitako fa mamon’ny ran’ny olo-masina sy ny ran’ny martirin’i Jesoa io Vehivavy io, ka gaga loatra aho nahita azy.


«Loza ity! loza ity! ry ilay tanàna lehibe, izay nitafy rongony fotsy madinika, sy lamba volomparasy ary jaky, sady niravaka volamena sy vatosoa mbamin’ny voahangy; kanjo ora iray monja lahy, dia levona izany harem-bevava izany!»


Mifalia noho ny nanjò azy ianao, ry lanitra, sy ianareo olo-masina, mbaminareo apôstôly sy mpaminany koa, fa fanomezan-drariny anareo no nanamelohan’Andriamanitra azy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra