Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 13:19 - Baiboly Katolika

19 Ary i Babilôna, ilay ravaky ny fanjakana maro, haingon’ny Kaldeanina be rehareha, dia hanahaka an’i Sôdôma sy i Gômôra izay noravan’Andriamanitra. Tsy hisy mponina intsony ao aminy,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

19 I Babilona izay ravaky ny fanjakana maro, tabiha sy reharehan’ny Kaldeana, dia ho rava tahaka ny nandravan’Andriamanitra an’i Sodoma sy i Gomora;

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

19 I Babilôna, izay ravaky ny fanjakana sady tabiha sy reharehan’ny Babilônianina, dia horavàn’Andriamanitra tahaka an’i Sôdôma sy i Gômôra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

19 I Babilôna, izay ravaky ny fanjakana sady tabiha sy reharehan’ny Babilônianina, dia horavàn’Andriamanitra tahaka an’i Sôdôma sy i Gômôra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

19 Ary Babylona, ravaky ny fanjakana maro Tabiha sy reharehan’ny Kaldeana, Dia ho rava tahaka ny nandravan’Andriamanitra an’i Sodoma sy Gomora;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

19 Ary Babylona, ravaky ny fanjakana maro Tabiha sy reharehan'ny Kaldeana, Dia ho rava tahaka ny nandravan'Andriamanitra an'i Sodoma sy Gomora;

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

19 I Babilona izay ravaky ny fanjakana maro, tabiha sy reharehan’ny Kaldeana, dia ho rava tahaka ny nandravan’Andriamanitra an’i Sodoma sy i Gomora;

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 13:19
23 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’izay dia nalatsak’i Iaveh tamin’i Sôdôma sy Gômôra ny afo sy solifara avy any amin’i Iaveh any an-danitra,


ka nandrava ireo tanàna ireo, mbamin’ny tany lemaka rehetra, sy ny mponina rehetra tamin’ny tanàna, ary ny zava-maniry rehetra teo amin’ny tany Izy.


Faminaniana momba an’i Babilôna nambara tamin’i Izaia, zanak’i Amôsa.


Indreo tamy ny olona mitaingin-tsoavaly, ny mpitaingin-tsoavaly, milahatra tsiroaroa.» Dia niteny indray izy ka nanao hoe: «Potraka re! Potraka re i Babilôna! ary ny sarin’ireo andriamaniny rehetra nazerany novakiny tamin’ny tany.»


Mipetraha tsy miteny, midira ao amin’ny maizina, ry zanaka vavin’ny Kaldeanina; fa ianao tsy hantsoina intsony hoe: ilay tompovavin’ny fanjakana.


Mivoria ianareo rehetra, ka mihainoa: Iza tamin’ireny no mba efa nilaza izany? Ilay tian’i Iaveh dia hanatanteraka ny sitrapony amin’i Babela, ary ny sandriny hamely ny Kaldeanina. -


Rehefa tapitra izany 70 taona izany, dia hampamoahiko ny amin’ny fahotany kosa ny mpanjakan’i Babilôna sy izany firenena izany, - teny marin’i Iaveh, - ary koa ny tanin’ny Kaldeanina, ary hataoko tany lao mandrakizay izany.


Hanahaka ny nandravana an’i Sôdôma sy i Gômôra mbamin’ireo tanàna nanodidina azy izy, hoy i Iaveh; ka tsy hisy olona monina ao, na hisy zanak’olombelona hipetraka ao.


Toy ny tamin’ny nandravan’Andriamanitra an’i Sôdôma sy i Gômôra, mbamin’ireo tanàna manodidina azy, - teny marin’i Iaveh, - no tsy hisian’olona monina eo; ny zanak’olombelona tsy hitoetra eo.


Tsy hakana vato fehizoro ianao na vato fanorenana; fa ho zava-drava mandrakizay, - teny marin’i Iaveh. -


Mihorohoro ny tany, mihefikefika izy, fa mandroso ho tanteraka ny hevitr’i Iaveh hamely an’i Babela, mba hanova ny tanin’i Babela ho tany mampatahotra, tsy misy mponina.


Manao ahoana no nahafahana an’i Sesàka, sy nahazoana an’ilay fireharehan’ny tany rehetra? Nanao ahoana no nahatongavany ho zavatra fampitahorana, i Babela, eo amin’ny firenena?


I Iaveh no nilaza ny amin’ity fitoerana ity fa horavana izy, ka tsy hisy honina eto intsony, na olona na biby, fa ho tany maty mandrakizay izy!


Nahatonga fanakorokoroana ao anatinareo Aho toy ny nanakorokoroan’Andriamanitra an’i Sôdôma sy Gômôra, ary ianareo izany, dia toy ny forohana voatsoaka tamin’ny hain-trano; nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo, - teny marin’i Iaveh. -


Ka noho izany dia velona Aho, - teny marin’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: - i Moaba hanahaka an’i Sôdôma; ary ny taranak’i Amôna ho tahaka an’i Gômôra: fitoerana nafoy ho an’ny amiana sy tany ihadian-tsira, ho efitra mandrakizay. Izay sisa amin’ny vahoakako hamabo azy, ary izay tavela amin’ny fireneko no hahazo azy ho lovany.


Ary izany no nilazan’i Izaia rahateo hoe: «Raha tsy namelàn’Andriamanitry ny tafika, taranaka isika, efa tonga iray lasitra tamin’i Sôdôma, sy nanahaka an’i Gômôra.»


ka hiteny izany firenena rehetra izany hanao hoe: Nahoana i Iaveh no dia nanao izao tamin’izany tany izany? Inona no dia nahatonga izao firehetam-pahatezerana lehibe izao? Dia hisy hilaza hanao hoe:


Ny mpivarotra etỳ an-tany koa hitomany azy sy higogogogo, fa tsy hisy mpividy intsony ny entam-barony,


Sady nanisy vovoka ny lohany izy ireo no nitomany sy nigogogogo, nanao hoe: «Loza ity! loza ity! fa ilay tanàna lehibe, nampanan-karena ny nanan-tsambo rehetra teny amin’ny ranomasina noho ny zava-tsarobidy tao aminy lahy, ka levona ora iray monja!»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra