Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 13:20 - Baiboly Katolika

20 ary tsy honenana intsony amin’ny taona mifandimby izy; ny Arabo tsy hanangan-day eo; ary ny mpiandry biby tsy hametraka biby fiompy am-bala eo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

20 Tsy honenana intsony izy, ary tsy hitoerana intsony hatramin’ny taranaka fara aman-dimby. Tsy hisy mpifindrafindra monina hanorin-day ao, na mpiandry ondry hampandry ny ondriny;

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

20 Tsy honenana intsony i Babilôna ary tsy hisy mponina mandrakizay. Tsy hanorin-day ao ny mpifindrafindra lasy ary tsy hampandry ondry ao ny mpiandry ondry.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

20 Tsy honenana intsony i Babilôna ary tsy hisy mponina mandrakizay. Tsy hanorin-day ao ny mpifindrafindra lasy ary tsy hampandry ondry ao ny mpiandry ondry.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

20 Tsy honenana mandrakizay izy Ary tsy hitoerana intsony hatramin’ny taranaka fara mandimby, Tsy hisy Arabo hanorin-day any, Na mpiandry ondry hampandry ny ondriny any;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

20 Tsy honenana mandrakizay izy ary tsy hitoerana intsony hatramin'ny taranaka fara mandimby, Tsy hisy Arabo hanorin-day any, na mpiandry ondry hampandry ny ondriny any;

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

20 Tsy honenana intsony izy, ary tsy hitoerana intsony hatramin’ny taranaka fara aman-dimby. Tsy hisy mpifindrafindra monina hanorin-day ao, na mpiandry ondry hampandry ny ondriny;

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 13:20
20 Rohy Ifampitohizana  

Nisy Filistinina nitondra fanatitra sy vola hetra ho an’i Jôsafata; ny Arabo koa nitondra biby fiompiny taminy, dia ondralahy 7.700, sy osilahy 7.700.


Ho efitra foana anie izany alina izany, ka tsy ho re ao ny hobin-kafaliana!


Lazao ahy, ry malalan’ny foko izay iandrasanao ny ondrinao, izay ampandrianao azy raha mitatao vovona ny andro, mba tsy ho tahaka ny mpirenireny foana aho, eny amin’ny andian’ondrin’ny namanao eny.


Hataoko fonenan-tsokina, amam-pihandronan-drano izy, ary hofafako amin’ny kofafa fandringanana, - teny ton’i Iavehn’ny tafika. -


Faminaniana ny amin’ny efitry ny ranomasina. Tahaka ny firimorimon’ny tadio mihazo any amin’ny atsimo, avy any an’efitra izany, amin’ny tany mahatahotra.


Fa ny tanàna nataonao zary korontam-bato, ary ny tanàna mimanda, nataonao zava-drava, ny trano mimandan’ny barbarianina, tsy mba tanàna intsony, sady tsy hatsangana mandrakizay.


Tenany no nanao loka ho an’ireo, ary tanany no nizara ny tany ho azy ireo amin’ny famolaina; ka hanana izany mandrakizay ireo; ary honina ao amin’ny taona mifandimby.


Ka dia ho zary fieren’amboadia i Hasora, sy ho tany lao mandrakizay; tsy hisy olona monina ao, tsy hisy zanak’olombelona hipetraka ao akory. Tenin’Andriamanitra mamely an’i Elama


Noho ny hatezeran’i Israely, tsy honenana intsony izy, fa ho tonga tany lao; izay rehetra handalo eo akaikin’i Babela ho talanjona sy hisitrìsitra avokoa mahita ny feriny.


Miaraka hamely ny tanim-piodinana, sy hamely ny mponim-panasaziana, ravao, aringano mifanarakaraka izy, - teny marin’i Iaveh, - ka tanteraho avokoa izay nandidiako anao.


Fa misy firenena avy any avaratra miakatra hamely azy, ka hataony lao ny taniny, fa tsy hisy olo-monina intsony; nitsoaka nandositra, na ny olona na ny biby, dia lasa, - teny marin’i Iaveh. -


Koa ny biby any an’efitra aman’amboadia no honina eo, ny ostritsa no hiorim-ponenana eo; fa ny olona tsy hisy honina eo intsony mandrakizay; tsy hisy mponina intsony eo, amin’ny taona mifandimby.


Koa henoy àry ny fikasana naraikitr’i Iaveh hamelezana an’i Babela, sy ny hevitra nosaininy hamelezana ny tanin’ny Kaldeanina; Eny, hotaritarihina hoatra ny ondry osa izy; ary ho gaga foana amin’izany ny tanim-bilona!


Indro Aho manohitra anao, ry tendrombohitry ny fandravana, - teny marin’i Iaveh, - izay mandrava ny tany rehetra; maninjitra ny tanako hamely anao Aho, dia manakodia anao avy eny ambony harambato, sy mahatonga anao ho tendrombohitra kila.


Mihorohoro ny tany, mihefikefika izy, fa mandroso ho tanteraka ny hevitr’i Iaveh hamely an’i Babela, mba hanova ny tanin’i Babela ho tany mampatahotra, tsy misy mponina.


Ary i Babela dia ho korontam-bato, ho fieren’amboadia, ho fampitahorana sy fanesoana, tsy hisy mponina.


Ny tanànany zary zavatra fampitahorana, tany lao sy efitra; tany tsy misy zanak’olombelona mandalo akory.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra