ary nanao tamin’ilay mpanompo hoe: «Iza irỳ lehilahy eny an-tsaha tamy hitsena antsika irỳ?» Dia hoy ilay mpanompo: «Ny tompoko iny.»
Isaia 3:23 - Baiboly Katolika ny fitaratra aman’akanjo moselinina, ny lamba fehiloha amam-boaly fisaronana. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 ny fitaratra, ny atin’akanjo, ny fehiloha ary ny lamba fisaronana. DIEM PROTESTANTA ny fitaratra sy ny akanjo somizo manify ary ny samboady sy ny lamba fisalobonana. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara ny fitaratra sy ny akanjo somizo manify ary ny samboady sy ny lamba fisalobonana. Baiboly Protestanta Malagasy Na ny fitaratra fizahana, na ny akanjo somizy anatiny, Na ny satroka fihaingoana, na ny lamba fisaronana; Malagasy Bible Na ny fitaratra fizahana, na ny akanjo somizy anatiny, Na ny satroka fihaingoana, na ny lamba fisaronana; La Bible en Malgache ny fitaratra, ny atin’akanjo, ny fehiloha ary ny lamba fisaronana. |
ary nanao tamin’ilay mpanompo hoe: «Iza irỳ lehilahy eny an-tsaha tamy hitsena antsika irỳ?» Dia hoy ilay mpanompo: «Ny tompoko iny.»
Dia nalain’i Faraôna ny peratra tamin’ny tanany, ka nataony tamin’ny tanan’i Josefa; sady nampitafîny rongony fotsy madinika izy, ary nasiany rojo volamena ny vozony.
Nitafy kapaoty bisosa i Davida; torak’izany koa ny Levita rehetra nitondra ny Fiara, ny mpihira ary i Koneniasa izay nitarika ny fitondrana ny Fiara, eo amin’ny mpihira; ary i Davida nitafy ny efôda rongony madinika.
Nanao ny tavy varahina sy ny faladiany varahina izy tamin’ny fitaratr’ireo vehivavy mpivory eo amin’ny fidiran’ny trano lay fihaonana.
Nifanehatra tamiko ny mpiambina, dia ireo izay nisafo ny tanàna alina; ka nokapohiny nataony mangana aho; nendahan’ireo mpiambina ny manda ny lambako.
Ka ny zava-manitra hosoloana lo; ny fehikibo hosoloana mahazaka; ny volo mivona, hosoloana loha sola; ny akanjo vity malalaka, hosoloana lasàka; ny hatsaran-tarehy, hosoloana tomboka amin’ny afo.
Alao ny vato fikosoham-bary, ka totoy ny lafarina. Esory ny voalinao; akaro ny morontongotr’akanjonao, asehoy ny ranjonao, fa hita ny ony.
Notafiako amborodao ianao, nokiraroako hoditr’ombirano, nohodidiniko rongony fotsy madinika ny lohanao, ary notafiako amparasily.
Ary hoy aho: «Aoka hasiana hamama madio eo an-dohany.» Dia nasian’izy ireo hamama madio teo an-dohany, sady notafiany izy; ary nitsangana teo ilay Anjelin’i Iaveh.
«Nisy mpanan-karena anankiray niakanjo jaky sy rongonim-bazaha madinika, sady nanao fihinanam-be isan’andro.
nanaraka azy ny tafiky ny lanitra, soavaly fotsy no nitaingenan’ireo ary rongonim-bazaha fotsy madio no nitafiany;
rongonim-bazaha madinika fotsy mamirapiratra no nomena hitafiany, dia ny asa soan’ny olo-masina izany.»
Ary hoy kosa izy: «Ento atỳ ny lamba itafianao ka hazony.» Dia nohazoniny ka namatra orja inenin’ny famarana sy nampitondrainy azy, vao lasa niverina any an-tanàna izy.