Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 24:65 - Baiboly Katolika

65 ary nanao tamin’ilay mpanompo hoe: «Iza irỳ lehilahy eny an-tsaha tamy hitsena antsika irỳ?» Dia hoy ilay mpanompo: «Ny tompoko iny.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

65 sady niteny tamin’ilay mpanompo hoe: Iza moa irỳ lehilahy mitsangantsangana eny an-tsaha avy mitsena antsika irỳ? Ary hoy ilay mpanompo: Iny no tompoko. Dia nandray ny voaliny i Rebeka mba hanafenany ny tarehiny.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

65 ary nanontany ilay mpanompo hoe: –Iza moa io lehilahy mandeha etỳ an-tsaha avy mitsena antsika io? Ka hoy ilay mpanompo hoe: –Io no tompoko. Dia noraisin’i Rebekà ny voaly, ka nisaronany tarehy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

65 ary nanontany ilay mpanompo hoe: –Iza moa io lehilahy mandeha etỳ an-tsaha avy mitsena antsika io? Ka hoy ilay mpanompo hoe: –Io no tompoko. Dia noraisin’i Rebekà ny voaly, ka nisaronany tarehy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

65 Ary hoy izy tamin’ilay mpanompo: Iza moa iry lehilahy mitsangantsangana eny an-tsaha avy mitsena antsika iry? Ary hoy ilay mpanompo: Iny no tompoko: dia nandray ny fisalobonana Rebeka, ka nisalobonany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

65 Ary hoy izy tamin'ilay mpanompo: Iza moa iry lehilahy mitsangantsangana eny an-tsaha avy mitsena antsika iry? Ary hoy ilay mpanompo : Iny no tompoko, dia nandray ny fisalobonana Rebeka, ka nisalobonany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

65 sady niteny tamin’ilay mpanompo hoe: Iza moa irỳ lehilahy mitsangantsangana eny an-tsaha avy mitsena antsika irỳ? Ary hoy ilay mpanompo: Iny no tompoko. Dia nandray ny voaliny i Rebeka mba hanafenany ny tarehiny.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 24:65
9 Rohy Ifampitohizana  

Ary hoy koa izy tamin’i Sarà: «Nomeko volafotsy arivo sikla ny anadahinao, izany no fanampena-maso ho anao, amin’izay rehetra eo aminao sy amin’ny olona rehetra, ka dia afa-tsiny ianao izao.»


I Rebekà koa nanopy ny masony ka nahatazana an’i Isaaka, dia nitsambikina niala teny amin’ny rameva;


Koa noraisin-dRebekà ny voaliny, dia nisaronany. Nambaran’ity mpanompo tamin’i Isaaka avokoa ny zavatra rehetra nataony.


Ka noesoriny ny akanjo fitondran’ny mpitondra tena teny aminy, dia nisarona voaly izy, ka nipetraka nisalobona teo am-bavahadin’i Enaîma, amin’ny lalana mankany Tamnà; satria hitany fa efa lehibe i Selà, ary izy anefa tsy mbola nomena ho vadiny.


ny fitaratra aman’akanjo moselinina, ny lamba fehiloha amam-boaly fisaronana.


Alao ny vato fikosoham-bary, ka totoy ny lafarina. Esory ny voalinao; akaro ny morontongotr’akanjonao, asehoy ny ranjonao, fa hita ny ony.


Izany no mahamety ny hananan’ny vehivavy sarim-pahefan’ny lehilahy eo amin’ny lohany, noho ny amin’ny Anjely.


Toy izany koa ny vehivavy, mitondra fitafiana mendrika, miravaka am-pahamaotonana sy fahendrena; tsy randram-bolo, na volamena, na vato soa, na fitafiana sarobidy no atao,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra