Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 47:2 - Baiboly Katolika

2 Alao ny vato fikosoham-bary, ka totoy ny lafarina. Esory ny voalinao; akaro ny morontongotr’akanjonao, asehoy ny ranjonao, fa hita ny ony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 Alaivo ny vato fikosoham-bary ka kosohy ny koba; esory ny fisalobonanao, akaro ny morontongotr’akanjonao; aoka hiseho ny fenao ka miroboha mita ny ony!

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

2 Makà vato fikoseham-bary ka mitotoa koba. Asehoy ny randranao, akaro ny morontongotr’akanjonao, asehoy ny ranjonao, hahazoanao mita ny renirano.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 Makà vato fikoseham-bary ka mitotoa koba. Asehoy ny randranao, akaro ny morontongotr’akanjonao, asehoy ny ranjonao, hahazoanao mita ny renirano.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 Alao ny vato fikosoham-bary, ka kosohy ny koba; Esory ny fisalobonanao, akaro ny morontongotr’akanjonao; Aoka hiseho ny fenao, ka miroboha mita ny ony.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 Alao ny vato fikosoham-bary, ka kosohy ny koba; esory ny fisalobonanao, akaro ny moron-tongotr'akanjonao; aoka hiseho ny fenao, ka miroboha mita ny ony.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

2 Alaivo ny vato fikosoham-bary ka kosohy ny koba; esory ny fisalobonanao, akaro ny morontongotr’akanjonao; aoka hiseho ny fenao ka miroboha mita ny ony!

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 47:2
22 Rohy Ifampitohizana  

ary nanao tamin’ilay mpanompo hoe: «Iza irỳ lehilahy eny an-tsaha tamy hitsena antsika irỳ?» Dia hoy ilay mpanompo: «Ny tompoko iny.»


Izay i Hanòna dia nisambotra ireo mpanompon’i Davida, ka ny somony noharatany, ny akanjony nofolònana hatreo am-balahana, vao nalefany nody izy.


aoka hampihodina ny vato fitotoana ho an’ny hafa, ny vadiko; ary aoka ho olon-kafa no hanala baraka azy.


ka ho faty ny lahy matoa rehetra eto amin’ny tany Ejipta, hatramin’ny lahy matoan’i Faraôna mipetraka eo amin’ny seza fiandrianany, ka hatramin’ny lahy matoan’ny andevovaviny eo am-pototry ny vato fitotoam-bary, mbamin’ny lahy voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra.


ikatonan’ny varavarana kopa-droa mankeny an-dalambe, naha mihamalemy ny feon’ny vato fikosoham-bary, izay itsanganan’ny olona mandre ny feon’ny voronkely, sy ahalasanan’ny ankizy vavy mpihira rehetra,


no hitondran’ny mpanjakan’i Asiria ny babo avy any Ejipta; sy ny voasesitany avy any Etiôpia, na tovolahy, na lahiantitra, tsy mitafy, tsy mikiraro, miseho valahana, ho henatr’i Ejipta.


dia hataon’ny Tompo sola ny tampon-dohan’ny zanaka vavin’i Siôna, ary asehon’i Iaveh ny fitanjahany.


ny fitaratra aman’akanjo moselinina, ny lamba fehiloha amam-boaly fisaronana.


Manàna vadi-po, ry kala mitsilamodamoka! mangovita, ry kala tsy manahy. Esory ny fitafianareo sarobidy, mialà akanjo, misikìna lasàka.


Raha tahiny ianao manao anakampo hoe: Nahoana aho no dia nidiran-doza toy izao?... Dia ny haben’ny helokao, no antony nanaingana ny morontongotr’akanjonao, sy nandratràna ny ombalahin-tongotrao.


Ary Izaho kosa dia hanainga ho eny amin’ny tavanao ny morontongotr’akanjonao, hahitan’ny olona ny mahafa-baraka anao.


Hampijanona eo afovoany aho, ny hobim-pifaliana, ny feo firavoravoana, ny hiran’ny mpampakatra, ny hiran’ny ampakarina, ny feom-bato fikosoham-bary, ary fahazavan’ny jiro.


Hotompoin’ny firenena rehetra izy sy ny zanany aman-janaky ny zanany, mandra-pahatongan’ny fotoan’ny taniny indray kosa, ka hampanompoan’ny firenena maro ama-mpanjaka lehibe azy.


ny zatovo nitondra ny fikosoham-bary; ny ankizy nivembena, mivesatra hazo.


Lazao amin’ny rahalahinareo hoe: «Amì!» sy amin’ny anabavinareo hoe: «Rôkama».


Mandalova mitanjaka amin-kenatra, ry ikala mponina ao Safira! Tsy mivoaka ikala mponina ao Tsoanàna; ny fisaonan’ny ao Bet-Hatsely no tsy ahazoanareo mialoka eo.


amin’ny vehivavy roa izay hiara-manodina ny fikosohan-dafarina, dia horaisina ny anankiray, ary havela ny iray.


amin’ny olona roa vavy miara-manodina fikosohan-dafarina, ny iray horaisina ary ny iray havela; ary amin’ny olona roa lahy izay eny an-tsaha, ny iray horaisina ary ny iray havela.»


fa ny vehivavy rehetra mivavaka na maminany kosa, dia manala baraka ny lohany raha tsy misaron-doha, satria hoatra ny voaharatra izy amin’izany.


Nisambotra azy kosa ny Filistinina sy namotsotra ny masony, dia nampidina azy tany Gazà ary namatotra azy amin’ny gadra varahina roa mikambana. Nampihodina ny vato fitotoam-bary tao an-tranomaizina izy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra