Isaia 23:1 - Baiboly Katolika Faminaniana ny amin’i Tira. Migogogogoa, ry sambon’i Tarsisa, fa rava izy! Tsy misy rano intsony, tsy misy hidirana intsony! Avy any amin’ny tany Setima, no nandrenesany an’izany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny loza hanjo an’i Tiro. Midradradradrà ianareo, ry sambon’i Tarsisy ô! Fa rava izy! Tsy misy trano intsony! Tsy misy fidirana intsony! Avy tany amin’ny tany Kitima no nanambaràna izany taminy. DIEM PROTESTANTA Hafatra momba an’i Tiro. «Midradradradrà mafy ianareo, ry sambon’i Tarsisy ô, satria rava ny serananareo.» Fony izy tonga avy any amin’ny nosy Sipra no nandrenesany izany vaovao izany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hafatra momba an’i Tiro. «Midradradradrà mafy ianareo, ry sambon’i Tarsisy ô, satria rava ny serananareo.» Fony izy tonga avy any amin’ny nosy Sipra no nandrenesany izany vaovao izany. Baiboly Protestanta Malagasy FAMINANIANA ny amin’ny loza hanjo an’i Tyro. Midradradradrà hianareo, ry sambon’i Tarsisy ô! Fa rava Tyro, ka tsy misy trano sady tsy azo idirana intsony ao; Avy tany amin’ny tany Kitima no nanambarana izany taminy. Malagasy Bible Faminaniana ny amin'ny loza hanjo an'i Tyro. Midradradradrà ianareo, ry sambon'i Tarsisy ô! Fa rava Tyro, ka tsy misy trano sady tsy azo idirana intsony ao; Avy tany amin'ny tany Kitima no nanambarana izany taminy. La Bible en Malgache Ny loza hanjo an’i Tiro. Midradradradrà ianareo, ry sambon’i Tarsisy ô! Fa rava izy! Tsy misy trano intsony! Tsy misy fidirana intsony! Avy tany amin’ny tany Kitima no nanambaràna izany taminy. |
Fa fanampin’ny sambon’i Hirama, mbola nanana sambo any Tarsisa koa ny mpanjaka, teny ambonin’ny ranomasina; ary tonga isan-telo taona ny sambo avy any Tarsisa, mitondra volamena sy volafotsy ary ivoara, rajako sy vorombola.
Nanjaka tamin’ny fanjakana rehetra, hatramin’ny ony ka hatramin’ny tanin’i Filistinina sy ny sisin-tanin’i Ejipta i Salômôna, ary nitondra fanatitra sy nanoa an’i Salômôna nandritra ny andro niainany izy ireo.
Satria, nanan-tsambo mpankany Tarsisa niaraka tamin’ny mpanompon’i Hirama ny mpanjaka, ka tonga isan-telo taona ny sambon’i Tarsisa nitondra volamena amam-bolafotsy sy ivoara, ary rajako amam-borombola.
Fa efa re eran’ny faritanin’i Moaba ny fitarainana. manako hatrany Eglaima ny finanananany, tonga hatrany Beera-Elima ny finanananany.
Ary hoy izy: «Tsy hanao fifaliana intsony ianao, ry virjiny afa-baraka, zanaka vavin’i Sidona! Mitsangàna, mità ho any Setima; na any aza anefa, tsy hisy fitsaharana ho anao.
Fa Izaho no antenain’ny nosy; ary ny sambon’i Tarsisa no ho lohalalana; hamerina hankatỳ ny zanakao avy lavitra, mbamin’ny volafotsiny sy ny volamenany, ho an’ny Anaran’i Iaveh Andriamanitrao, sy ilay Masin’i Israely, satria efa nomeny voninahitra ianao.
Fa mità àry eny amin’ireo nosin’i Setima ka mijere; maniraha ho any Sedara, ka mandiniha tsara; dia jereo raha mba misy izay toy izao any.
Fa izao no nolazain’i Iaveh, Andriamanitr’i Israely tamiko: «Raiso ity kapoakan’ ny divaim-pahatezerako etỳ an-tanako ity, ka ampisotroy ny firenena rehetra hanirahako anao.
ny mpanjaka rehetra any Tira, ny mpanjaka rehetra any Sidona, mbamin’ny mpanjakan’ny nosy any an-dafin’ny ranomasina;
Izany dia noho ny fahatongavan’ny andro handringanana ny Filistinina rehetra; handripahana an’izay sisa amin’ny mpikambana amin’i Tira sy i Sidona; fa horavan’i Iaveh ny Filistinina, izay sisa amin’ny nosy Kaftôra.
Tamin’ny taona faha-11, andro voalohan’ny volana, tonga tamiko ny tenin’i Iaveh nanao hoe:
Ry zanak’olona, noho ny nitenenan’i Tira momba an’i Jerosalema nataony hoe: «Hia! Hia! vaky ilay vavahadin’ny firenena! atỳ amiko indray no todihin’ny olona; ka izaho ho feno; izy kosa efa zary efitra!»
Hanandra-peo noho ny manjò anao sy handefa fidradradradràna mampalahelo; hanosim-bovoka ny lohany, ary hihosinkosina amin’ny lavenona.
Oaka avy any Basàna no nanaovany fivoy ho anao; ny bànao nataony tamin’ny ivoara voapetaka amin’ny boisy, avy amin’ny nosy Sitima.
Dia nitsangana i Jônasy handositra ho any Tarsisa, lavitra ny tavan’i Iaveh. Nidina tany Jôpe izy, dia nahita sambo ho any Tarsisa, ka naloany ny saran-tsambo, dia niditra tao izy, hiaraka amin’izy ireo ho any Tarsisa, lavitra ny tavan’i Iaveh.
«Mila loza ianao, ry Kôrôzaina, ry Betsaida! fa raha izay no natao tany Tira sy Sidona ny fahagagana natao taminareo, dia ela no ho efa nibebahany tamin’ny akanjo malailay sy tamin’ny lavenona.
dia niolaka ny faritry ny tany mankany Ramaha hatrany Tira, tanàna mimanda, ary niolaka ny faritra mankany Hosa, ka nihatra tamin’ny ranomasina, akaikin’ny faritanin’i Akziba,