Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 25:22 - Baiboly Katolika

22 ny mpanjaka rehetra any Tira, ny mpanjaka rehetra any Sidona, mbamin’ny mpanjakan’ny nosy any an-dafin’ny ranomasina;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

22 ny mpanjaka rehetra any Tiro, ny mpanjaka rehetra any Sidona, ny mpanjakan’ny nosy any andafin’ny ranomasina;

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

22 –ireo mpanjaka rehetra tao Tiro sy tao Tsidôna ary tao amin’ny tany amorontsiraka any ampitan-dranomasina any;

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

22 –ireo mpanjaka rehetra tao Tiro sy tao Tsidôna ary tao amin’ny tany amorontsiraka any ampitan-dranomasina any;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

22 ary ny mpanjaka rehetra any Tyro sy ny mpanjaka rehetra any Sidona ary ny mpanjakan’ny nosy any an-dafin’ny ranomasina;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

22 ary ny mpanjaka rehetra any Tyro sy ny mpanjaka rehetra any Sidona ary ny mpanjakan'ny nosy any an-dafin'ny ranomasina;

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

22 ny mpanjaka rehetra any Tiro, ny mpanjaka rehetra any Sidona, ny mpanjakan’ny nosy any andafin’ny ranomasina;

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 25:22
20 Rohy Ifampitohizana  

Faminaniana ny amin’i Tira. Migogogogoa, ry sambon’i Tarsisa, fa rava izy! Tsy misy rano intsony, tsy misy hidirana intsony! Avy any amin’ny tany Setima, no nandrenesany an’izany.


Amin’izany i Tira dia hohadinoina fitopolo taona, araka ny halavan’ny andron’ny mpanjaka iray. Ary rehefa afaka fitopolo taona no hanjò an’i Tira dia araka ilay tononkiran’ny vehivavy janga hoe:


Aoka ho safotry ny henatra ianao, ry Sidona, fa efa niteny ny ranomasina, ny trano mimanda eo amin’ny ranomasina, nanao hoe: «Tsy mba nihetsi-jaza aho na niteraka, tsy mba namelona zatovo aho, na nitaiza virjiny.»


Dia ampanatero izany ho any amin’ny mpanjakan’i Edôma, ny mpanjakan’i Moaba, ny mpanjakan’ny taranak’i Amôna, ny mpanjakan’i Tira, ary ny mpanjakan’i Sidona, amin’ny alalan’ireo iraka izay tonga tatỳ Jerosalema ho any amin’i Sedesiasa, mpanjakan’i Jodà:


Ianareo, firenena, mihainoa ny tenin’i Iaveh, ary torionareo izany, avy amin’ireo nosy lavitra; ataovy hoe: «Ilay nampiely an’i Israely, dia hanangona azy indray; ary hiandry azy toy ny fiandrin’ny mpiandry ondry ny ondriny»;


Izany dia noho ny fahatongavan’ny andro handringanana ny Filistinina rehetra; handripahana an’izay sisa amin’ny mpikambana amin’i Tira sy i Sidona; fa horavan’i Iaveh ny Filistinina, izay sisa amin’ny nosy Kaftôra.


Ny harenao, ny varotrao, ny entanao, ny mpiantsambonao amam-panamory eo aminao, ny mpamboatra sambo sy ny mpanelanelam-barotrao, ny lehilahy mpiady rehetra izay eo aminao, mbamin’ny vahoaka zavon-tany izay eo afovoanao, dia ho latsaka ao anatin’ny ranomasina amin’ny andro hianjeranao.


Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh nanao hoe:


Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh nanao hoe:


Ry zanak’olona, atodiho mankany Sidona ny tavanao, ka maminania ny aminy,


Ry zanak’olona, i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, nampanao fanompoana mafy ny miaramilany, namely an’i Tira; tonga sola avokoa ny lohany, mangana avokoa ny sorony; nefa tsy nahazo karama kely akory tamin’i Tira, na ho an’ny tenany na ho an’ny miaramilany tamin’ny fanompoana nataony, namelezany azy.


Ao ny andrian’ny Avaratra, dia izy rehetra mbamin’ny Sidonianina rehetra; niara-nidina tamin’ny voatrobaky izy ireo, na dia efa nampatahotra aza izy, na dia mahery fo aza, dia efa mangaihay! Miampatra ireo tsy voafora amin’izay voatrobaky ny sabatra, ary mitondra ny fahafaham-barakany miaraka amin’ny midina any an-davaka.


Handefa afo ho any amin’ny tany Magôga Aho sy ho any amin-dry zareo monina feizay any amin’ireo nosy, ka ho fantany fa Iaveh Aho.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra