Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 60:9 - Baiboly Katolika

9 Fa Izaho no antenain’ny nosy; ary ny sambon’i Tarsisa no ho lohalalana; hamerina hankatỳ ny zanakao avy lavitra, mbamin’ny volafotsiny sy ny volamenany, ho an’ny Anaran’i Iaveh Andriamanitrao, sy ilay Masin’i Israely, satria efa nomeny voninahitra ianao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

9 Fa Izaho no andrasan’ny nosy, ary ny sambon’i Tarsisy no hialoha lalana hitondra ny zanakao avy lavitra mbamin’ny volafotsiny sy ny volamenany, ho an’ny anaran’NY TOMPO Andriamanitrao sy ho an’ny Iray Masin’ny Israely, satria manome voninahitra anao Izy.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

9 Sambo avy any amin’ny nosy lavitra any ireo no mitangorona tarihin’ny sambo vaventy. Avy lavitra tokoa no nitondrany ny zanakao miaraka amin’ny volafotsy sy ny volamenany: tonga izy hankalaza ny TOMPO Andriamanitrao, dia ilay Masin’i Israely Izay nampamirapiratra anao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

9 Sambo avy any amin’ny nosy lavitra any ireo no mitangorona tarihin’ny sambo vaventy. Avy lavitra tokoa no nitondrany ny zanakao miaraka amin’ny volafotsy sy ny volamenany: tonga izy hankalaza ny TOMPO Andriamanitrao, dia ilay Masin’i Israely Izay nampamirapiratra anao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

9 Fa Izaho no andrasan’ny nosy, Ary ny sambon’i Tarsisy ho loha-làlana, Hitondra ny zanakao avy lavitra Mbamin’ny volafotsiny sy ny volamenany, Ho an’ny anaran’i Jehovah Andriamanitrao Sy ho an’ny Iray Masin’ny Isiraely, Satria efa nanome voninahitra anao Izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

9 Fa Izaho no andrasan'ny nosy, ary ny sambon'i Tarsisy ho loha-lalana, Hitondra ny zanakao avy lavitra mbamin'ny volafotsiny sy ny volamenany, ho an'ny anaran'i Jehovah Andriamanitrao sy ho an'ny Iray Masin'ny Isiraely, Satria efa nanome voninahitra anao Izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

9 Fa Izaho no andrasan’ny nosy, ary ny sambon’i Tarsisy no hialoha lalana hitondra ny zanakao avy lavitra mbamin’ny volafotsiny sy ny volamenany, ho an’ny anaran’NY TOMPO Andriamanitrao sy ho an’ny Iray Masin’ny Israely, satria manome voninahitra anao Izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 60:9
46 Rohy Ifampitohizana  

Hataon’Andriamanitra malalaka anie i Jafeta. Aoka izy honina ao an-dain’i Sema. Ary aoka ho andevony i Kanaana.»


Nandre ny lazan’anaran’i Salômôna amin’ny Anaran’i Iaveh, ny mpanjaka vavin’i Sabà, ka tamy hizaha toetra azy amin’ny ankamantatra.


Fa fanampin’ny sambon’i Hirama, mbola nanana sambo any Tarsisa koa ny mpanjaka, teny ambonin’ny ranomasina; ary tonga isan-telo taona ny sambo avy any Tarsisa, mitondra volamena sy volafotsy ary ivoara, rajako sy vorombola.


Tsy nisy mpanjaka tany Edôma fahizay, fa governora no solo-mpanjaka.


Ny amin’ny vahiny, izay tsy isan’i Israely vahoakanao fa avy any an-tany lavitra, noho ny amin’ny Anaranao,


Hovitra no nahazo azy ireo teo, fanaintainana hoatra ny an’ny vehivavy miteraka.


Handoa hetra ny mpanjakan’i Tarsisa sy ny nosy; hanolotra fanatitra ny mpanjakan’i Sabà sy Merôe;


Mpanjaka i Iaveh: aoka hifaly ny tany; Aoka hiravoravo ny nosy maro!


«Hampandaloviko eo anatrehanao ny hatsaram-poko rehetra; ary hotononiko eo anatrehanao ny Anaran’i Iaveh; fa mankasitraka izay ankasitrahiko aho ary mamindra fo amin’izay amindrako fo.»


Ny vokatry ny vavan’ny olona no iveloman’ny vatany, ary ny vokatry ny molony no ivokisany.


Ary izao no hitranga amin’izany andro izany: Ny Tompo haninjitra ny tanany fanindroany, hanavotra ny sisa amin’ny vahoakany, izay sisa mbola ho hita any Asiria sy Ejipta, sy Patrôsy, Etiôpia, Elama, Senaara, Hamata sy ireo nosy amin’ny ranomasina.


hamelezana ny sambon’i Tarsisa rehetra, mbamin’izay mahafinaritra ny maso rehetra.


«Miderà an’i Iaveh, ianareo, any amin’ny tany atsinanana, dia ny Anaran’i Iaveh, Andriamanitr’i Israely, any amin’ny nosy any andrefana.»


Mihirà fihiram-baovao ho an’i Iaveh; sy fiderana Azy, hatramin’ny faran’ny tany, ianareo miantsambo amin’ny ranomasina sy monina ao aminy, ianareo, nosy, mbamin’ireo mponina aminareo!


tsy ho ketraka izy na ho kivy akory, mandra-panoriny ny rariny amin’ny tany; ary ny nosy hiandry ny lalàny.


Satria sarobidy eo imasoko sy mendrika hohajaina ianao, sady tia anao Aho, hanome olona maro ho takalonao Aho, sy firenena maro, ho solon’ny ainao.


Ny Avaratra hilazako hoe: ‹Atolory izy!› ary ny Atsimo hataoko hoe: ‹Aza mitana azy!› Avereno ny zanako lahy, avy any lavitra any, sy ny zanako vavy, avy any am-paran’ny tany,


Ampanakaikeziko ny fahamarinako, ka tsy lavitra izy; ary ny famonjeko tsy ho ela; hanome famonjena an’i Siôna Aho, sy ny voninahitro ho an’i Israely.


Mihainoa ahy, ry Nosy; mitandrema ianareo, ry firenena lavitra! I Iaveh efa niantso ahy hatrany am-bohoka, efa nilaza ampahibemaso ny anarako, hatrany an-kibon’i neny.


Izao no lazain’i Iaveh Tompo: Indro Aho hanandratra ny tanako amin’ny firenena, ary hanangana ny fanevako amin’ny vahoaka; dia hoentiny miverina eo an-tanany ny zanakao lahy; ary hoentiny miverina eny an-tsorony, ny zanakao vavy.


Akaiky ny fahamarinako; efa hiseho ny famonjeko: ary hitsara ny firenena ny sandriko; manantena Ahy ny nosy, ary matoky ny sandriko izy.


Indro ianao hiantso ny firenena tsy fantatrao, ary ny firenena tsy nahalala anao, hidodododo eo aminao, noho ny amin’i Iaveh Andriamanitrao, sy ilay Masin’i Israely, satria nomeny voninahitra ianao.


Noho ny fitsiriritany mahameloka, nitezitra Aho ary namely azy noho ny fahatezerako, nefa miery tsy ho hita Aho; ary izy kosa maditra, nanaraka ny lalan’ny sitrapony!...


Atopazo manodidina ny masonao, ka jereo, izy rehetra mivory mankatỳ aminao; ny zanakao lahy tamy avy lavitra; ny zanakao vavy entina an-trotroana.


Ho rakotry ny angamenavava zavon-tany mbamin-drameva avy any Madiàna sy Efah ianao; ny any Sabà rehetra ho avy, hitondra volamena sy emboka manitra, ary hitory ny fiderana an’i Iaveh.


Satria izao no lazain’i Iaveh: Indro hataoko misononoka eo aminy, ny fiadanana hoatra ny ony, sy ny voninahitry ny firenena, hoatra ny renirano tondraka; ka ianareo dia hampinonoina, hotrotroina, ary hosafosafoina eo am-pofoana.


Amin’izany andro izany i Jerosalema hantsoina hoe: «ny seza fiandrianan’i Iaveh!» Ary ny firenena rehetra hivory ao Jerosalema, amin’ny Anaran’i Iaveh, fa tsy hanaraka ny ditran’ny fony ratsy intsony izy.


Hira fiderana no hivoaka avy ao, sy hobim-piravoravoana. Hahamaro azy Aho, ka tsy hohavitsîna intsony izy; hanome voninahitra azy Aho, ka tsy hohamavoina intsony izy;


Ary hataoko fantatra ny Anarako Masina, eo amin’i Israely vahoakako, ka tsy hoekeko hotsiratsiraina intsony ny Anarako Masina, dia ho fantatry ny firenena fa Iaveh Aho, ilay masina eo amin’i Israely.


Mitsangàna ka mihose, ry zanaka vavin’i Siôna, fa ny tandrokao hataoko vy, ary ny kitronao, hataoko varahina, ka hanorotoro firenena maro ianao, ka hanokana ny tombon-karena azony ho an’i Iaveh aho, sy ny hareny, ho an’ny Tompon’ny tany rehetra.


Amin’izany andro izany, ho tonga hatraty aminao ny olona, avy any Asiria sy avy any amin’ireo tanànan’i Ejipta avy any Ejipta, ka hatrany amin’ny ony, hatramin’ny ranomasina iray ka hatramin’ny ranomasina hafa, ary hatramin’ny tendrombohitra iray, ka hatramin’ny tendrombohitra hafa.


Ho fampatahorana mafy ho azy i Iaveh, fa hofoanany ireo andriamanitra rehetra ambonin’ny tany; ary hiankohoka eo anatrehany samy any amin’izay misy azy avy, ny mponina amin’ny nosim-pirenena rehetra.


I Jodà koa hiady amin’i Jerosalema. Ary ho voaangona ny harena amin’ny firenena rehetra manodidina, dia volamena sy volafotsy, ary fitafiana be dia be.


dia fahazavana hanilo ny Jentily sady voninahitr’i Israely olonao.»


Efa nampahafantariko ny Anaranao izy, sady mbola hampahafantariko koa, mba ho ao aminy ny fitiavana izay nitiavanao Ahy, ary mba ho ao aminy koa Aho.


Fa hoy ny Tompo taminy: «Mandehana, fa io lehilahy io dia fanaka voafidy ho Ahy, hitondra ny Anarako eo anatrehan’ny Jentily sy ny mpanjaka ary ny zanak’i Israely;


fa efa zanak’Andriamanitra amin’ny finoana ao amin’i Jesoa Kristy ianareo rehetra.


Fa i Jerosalema any ambony izay renintsika kosa, dia tsy mba andevo;


Dia hoy izy ireo: «Tonga avy any an-tany lavitra indrindra ny mpanomponao noho ny Anaran’i Iaveh Andriamanitrareo, fa nandre ny lazany izahay sy izay rehetra nataony tany Ejipta,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra