Isaia 60:10 - Baiboly Katolika10 Ny taranaky ny firenen-kafa, no hanangana ny mandanao, ary ny mpanjakany ho mpanomponao. Satria nikapoka anao tamin’ny hatezerako Aho, fa mamindra fo anao, amin’ny fitiavako kosa. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201110 Ny hafa firenena no hanangana ny mandanao, ary ny mpanjakany no hanompo anao; fa tamin’ny fahatezerako no namelezako anao, nefa amin’ny fitiavako kosa no amindrako fo aminao. Jereo ny tokoDIEM PROTESTANTA10 Ny hafa firenena no hanamboatra indray ny mandanao, ary ny mpanjakany hanompo anao, hoy ny Tompo. Nikapoka anao Aho fony mbola tezitra fa mahafaly Ahy kosa ankehitriny ny haneho famindrampo aminao. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara10 Ny hafa firenena no hanamboatra indray ny mandanao, ary ny mpanjakany hanompo anao, hoy ny Tompo. Nikapoka anao Aho fony mbola tezitra fa mahafaly Ahy kosa ankehitriny ny haneho famindrampo aminao. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy10 Ary ny hafa firenena no hanangana ny màndanao, Ary ny mpanjakany hanompo anao; Fa tamin’ny fahatezerako no namelezako anao. Ary amin’ny fitiavako kosa no amindrako fo aminao, Jereo ny tokoMalagasy Bible10 Ary ny hafa firenena no hanangana ny mandanao, ary ny mpanjakany hanompo anao; fa tamin'ny fahatezerako no namelezako anao. Ary amin'ny fitiavako kosa no amindrako fo aminao, Jereo ny tokoLa Bible en Malgache10 Ny hafa firenena no hanangana ny mandanao, ary ny mpanjakany no hanompo anao; fa tamin’ny fahatezerako no namelezako anao, nefa amin’ny fitiavako kosa no amindrako fo aminao. Jereo ny toko |