11 Hivoha lalandava ny vavahadinao, tsy hirindrina izy na andro na alina, hampidirina ny haren’ny firenena ho ao aminao, mbamin’ireo mpanjakany mova tsy ny manotrona ny mpandresy.
11 Hidanadana mandrakariva ny vavahadinao, tsy hirindrina izy na andro na alina, mba hampidirana ho ao aminao ny harenan’ny firenena sy ny mpanjakany izay voababo.
11 Hivoha hatrany ny vavahadinao ka tsy hakatona na andro na alina mba hampidirana hankao aminao ny fananan’ny firenen-kafa sy ireo mpanjakany efa voababo.
11 Hivoha hatrany ny vavahadinao ka tsy hakatona na andro na alina mba hampidirana hankao aminao ny fananan’ny firenen-kafa sy ireo mpanjakany efa voababo.
11 Ary hidanadana mandrakariva ny vavahadinao, Tsy hirindrina izy na andro na alina, Hampidirana ny haren’ny firenena Sy ny mpanjakany izay efa voababo ho ao aminao.
11 Ary hidanadana mandrakariva ny vavahadinao, tsy hirindrina izy na andro na alina, hampidirana ny haren'ny firenena sy ny mpanjakany izay efa voababo ho ao aminao.
Taorian’izany, nony efa maizimaizina ny teo amin’ny fidirana ho ao Jerosalema, alohan’ny sabata, dia nasaiko nohidiana ny vavahady, ka tsy navelako hovohana raha tsy efa tapitra ny sabata. Fanampin’izany, napetrako teo am-bavahady ny oloko sasany, mba tsy hisy fampidirana amin’ny andro sabata ny entana rehetra.
Mpanjaka lahy no ho mpitaiza anao ary ny andriambaviny no ho mpitaiza anao; hiankohoka amin’ny tany eo anatrehanao izy ireo, ary hilelaka ny vovoka amin’ny tongotrao; dia ho fantatrao fa Iaveh Aho, ary tsy ho menatra izay manantena Ahy.
dia hoentiko ho ao an-tendrombohitra masina, sy hampifaliko ao an-tranoko fivavahana, hankasitrahina eo ambony ôtely ny sorony dorona aman-tsorony: fa ny tranoko hatao hoe: trano fivavahana ho an’ny firenena rehetra
Tsy ho re eo amin’ny taninao intsony izay hoe fampahoriana; na izay hoe fandravana amam-pandringanana, eo amin’ny faritaninao; ny mandanao antsoina hoe: i Famonjena, ary ny vavahadinao: i Fiderana.
Hahita izany ianao amin’izay ka ho miramirana; hibitaka sy hiravoravo ny fonao, fa hivantana aminao ny haren’ny ranomasina; ary ho tonga ao aminao ny rakitry ny firenena.
Mivoaha, mivoaha amin’ny vavahady ianareo, areno ny lalan’ny vahoaka. Savao, savao ny arabe, esory ny vato eo aminy; manangàna saina eo ambonin’ny vahoaka.