Ny reharehan’ny olona, haongana, ary ny avonavon’ny olombelona, haetry, fa i Iaveh no hasandratra, dia Izy irery ihany, amin’izany andro izany.
Isaia 2:18 - Baiboly Katolika Ny sampy ho foana avokoa. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny andriamanitra tsy izy dia ho foana avokoa. DIEM PROTESTANTA Ho levona ny andriamani-tsiizy rehetra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ho levona ny andriamani-tsiizy rehetra. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny andriamani-tsi-izy dia ho foana avokoa. Malagasy Bible Ary ny andriamani-tsi-izy dia ho foana avokoa. La Bible en Malgache Ny andriamanitra tsy izy dia ho foana avokoa. |
Ny reharehan’ny olona, haongana, ary ny avonavon’ny olombelona, haetry, fa i Iaveh no hasandratra, dia Izy irery ihany, amin’izany andro izany.
Indreo tamy ny olona mitaingin-tsoavaly, ny mpitaingin-tsoavaly, milahatra tsiroaroa.» Dia niteny indray izy ka nanao hoe: «Potraka re! Potraka re i Babilôna! ary ny sarin’ireo andriamaniny rehetra nazerany novakiny tamin’ny tany.»
Toy izao no hahavoaonitra ny helok’i Jakôba, ary izao no ho vokatra rehetra amin’ny famelana ny fahotany. Rehefa ny vaton’ireo ôtely no hataony manjary vovoka manahaka ny vato sokay, dia tsy hatsangana intsony ny aserah sy ny sarin’ny Masoandro.
Mirodana i Bela, miletsy i Nebô; ataingina eo ambony biby, eo ambony biby mpitondra entana ny sariny. Ireo sampy izay nentinao dia ataingina toy ny entana mavesatra, eo ambony biby sasatra.
Izao no holazainareo amin’ireny: Ireo andriamanitra tsy mba nanao ny lanitra sy ny tany, dia hofongorana eto an-tany sy atỳ ambanin’ny lanitra.
Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Hofoanako ny sampim-betaveta, holevoniko ny andriamanitra tsy izy ao Nôfa, tsy hisy mpanapaka intsony, avy amin’ny tany Ejipta, ary hanidinako tahotra ny tany Ejipta.
Hofafazako rano madio ianareo, dia hadio; ny fahalotoanareo rehetra mbamin’ny fahavetavetanareo rehetra, ataoko afaka aminareo.
Tsy handoto tena intsony izy, na amin’ny sampiny vetaveta, na amin’ny fahavetavetany, na amin’ny hadisoany rehetra; hovonjeko ho afaka amin’ny fiodinany rehetra nanotany izy, ary hodioviko; izy ireo ho vahoakako, ary Izaho ho Andriamaniny.
Na aiza na aiza onenanareo, ny tanàna ho lao, ny fitoerana avo horavàna; mba ho rava sy lao koa ny ôtelinareo, ho montsana sy levona ny sampinareo, hazera ny andrinareo ho an’ny masoandro ary ho fongotra ny asanareo.
Izay ho avy hiala sasatra ao ambanin’ny alokalony, hampahavokatra ny vary indray; haniry toy ny voaloboka izy; ary ho tahaka ny divain’i Libàna ny anarany.
Hotorotoroina ny sariolona rehetra ao aminy; ho levon’ny afo ny tambiny rehetra; hataoko faharavan-javatra avokoa ny sampiny fa tangim-pijangajangana no nanangonany an’ireny, ka hody ho tangim-pijangajangana indray koa ireny.
Hoesoriko ny olombelona sy ny biby; hoesoriko ny voromanidina sy ny hazan-dranomasina, ary ny fanafintohinana mbamin’ny ratsy fanahy; ka haringako eo ambonin’ny tany ny olombelona, - teny marin’i Iaveh. -
Ho fampatahorana mafy ho azy i Iaveh, fa hofoanany ireo andriamanitra rehetra ambonin’ny tany; ary hiankohoka eo anatrehany samy any amin’izay misy azy avy, ny mponina amin’ny nosim-pirenena rehetra.
Ary hisy zavatra toy izao amin’izany andro izany, - teny marin’i Iavehn’ny tafika: - Hofoanako amin’ny tany ny anaran-tsampy, ka tsy hotononina intsony izany; ary hoesoriko amin’ny tany koa ny mpaminany mbamin’ny fanahim-pahalotoana.