Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Isaia 2:18 - DIEM PROTESTANTA

18 Ho levona ny andriamani-tsiizy rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

18 Ny andriamanitra tsy izy dia ho foana avokoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

18 Ho levona ny andriamani-tsiizy rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

18 Ny sampy ho foana avokoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

18 Ary ny andriamani-tsi-izy dia ho foana avokoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

18 Ary ny andriamani-tsi-izy dia ho foana avokoa.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 2:18
16 Rohy Ifampitohizana  

Hihohoka ny olona mpiandranandrana ary haetry amin’ny tany ny olona mpanandra-tena; fa amin’izany andro izany, dia ny TOMPO irery ihany no hasandratra.


Ka indro erỳ tamy ny lehilahy iray mitaingin-kalesy tarihin-tsoavaly sady niloa-bava niteny hoe: Rava, rava i Babilôna! Torotoro miraraka amin’ny tany avokoa ny sarivongan’ny andriamaniny rehetra!»


Fa ankehitriny dia toy izao no hamelàna ny heloka vitan’ireo taranak’i Jakôba, ary izao no ho vokatry ny famelana ny fahotany: hopotehiny toy ny vato sokay voatorotoro ny vato rehetra eo amin’ny alitara, ary tsy havelany hitsangana intsony na ny tsatokazo fanajana an’i Aserà na ny fandoroana vovo-javamanitra.


Nihareraka i Bela, niletsy i Nebao. Napetraka teo ambony biby mpitondra entana ny sarivongan’ireo andriamanitr’i Babilôna ireo; izay filanja tamin’ny laharam-pihobiana dia toy ny enta-mifatratra no fitondra azy, ka mavesatra amin’ireto biby efa reraka.


Izao àry no holazainareo aminy: ireo andriamanitra tsy nanao ny lanitra sy ny tany ireo dia holevonina tsy ho etỳ an-tany intsony, sady tsy hanan-toerana atỳ ambanin’ny lanitra.


Zava-poana sy asa mahatsikaiky ireny; fa amin’ny andro hamaizana azy, no hahalevona ny sarivongan-tsampy.


«Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: Horavako tanteraka ireo sampy sy andriamani-tsiizy an’i Memfîsa. Tsy hisy mpitondra intsony any Ejipta ary hataoko manenika io tany io ny tahotra.


Hofafazako rano madio ianareo, dia hadio; eny, hodioviko ho afaka amin’ny fahalotoanareo rehetra sy ny fanompoan-tsampinareo rehetra ianareo.


Tsy handoto tena amin’ny fanompoan-tsampy intsony ianareo na amin’ny fanaovana zava-mahatsiravina na amin’ny fahadisoana hafa rehetra. Fa hafahako amin’ny fikomiana rehetra izay nanotanareo tamiko ianareo. Hodioviko ianareo, ka dia ho vahoakako ary Izaho ho Andriamanitrareo.


Any amin’izay toerana rehetra nonenanareo dia ho lao ny tanàna, ary ho ravàna ny toeram-panasinana. Ho ravàna koa ny alitaranareo ary tsy hilaina intsony; hopotehina sy hofoanana ny sarivongam-tsampinareo, ary hosimbana ny fitaovana fandoroanareo zava-manitra mifangaro; ka dia holevonina avokoa izay namboarinao.


Ho avy indray i Israely, ka hitoetra eo ambany fiarovako. Hamboly vary indray izy, ka hiroborobo tahaka ny voaloboka sy halaza tahaka ny divay avy any Libàno.


Hotorotoroina ny sampiny voasokitra rehetra hodorana amin’ny afo ny tamby rehetra azony ary hopotehiko ny sarin-tsampiny rehetra; satria tambin’ny vehivavy janga no nanangonany azy, dia hanambazana vehivavy janga any an-kafa indray ireny.»


Hongotako tsy ho eo afovoanareo ny tsatokazo ho an’i Aserà ary hofongorako ireo sampinareo.


Hopotehiko ny olona sy ny biby ary ny vorona mbamin’ny trondro; haringako ny ratsy fanahy sy ny asa manafintohina ataony. Tsy avelako hisy olona na dia iray aza eto ambonin’ny tany. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany».


Hahatsiravina ny hataon’ny TOMPO aminy; hofoanany avokoa ireo andriamanitry ny olombelona. Koa na ireo hafa firenena faran’izay lavitra aza dia hiankohoka avokoa hitsaoka Azy, samy any amin’ny taniny avy.


«Amin’izany andro izany, hoy ny teny hentitra avy amiko Tompon’izao rehetra izao, dia hofoanako amin’ny firenena ny anaran-tsampy ka tsy hisy hahatsiaro izany intsony. Hoesoriko ihany koa ireo mihambo ho mpaminany ary horavako ny fitiavanareo hanompo sampy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra