Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Isaia 2:10 - Baiboly Katolika

Midira ao anaty vatolampy, miere ao anaty vovoka, eo anatrehan’ny tahotra avy amin’i Iaveh sy ny famirapiratan’ny fiandrianany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Midira ao amin’ny vatolampy ary miere ao amin’ny vovoka noho ny tahotra NY TOMPO sy ny voninahitry ny fahalehibiazany.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Miafena any ambany vatolampy ianareo ary misitriha any anaty tany, mba ho lavitry ny TOMPO mahatahotra sy ho lavitry ny fiandrianany mamirapiratra.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Miafena any ambany vatolampy ianareo ary misitriha any anaty tany, mba ho lavitry ny TOMPO mahatahotra sy ho lavitry ny fiandrianany mamirapiratra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Midira ao amin’ny vatolampy, Ary miere ao amin’ny vovoka Noho ny tahotra avy amin’i Jehovah Sy ny voninahitry ny fahalehibiazany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Midira ao amin'ny vatolampy, Ary miere ao amin'ny vovoka Noho ny tahotra avy amin'i Jehovah Sy ny voninahitry ny fahalehibiazany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Midira ao amin’ny vatolampy ary miere ao amin’ny vovoka noho ny tahotra NY TOMPO sy ny voninahitry ny fahalehibiazany.

Jereo ny toko



Isaia 2:10
22 Rohy Ifampitohizana  

Fa izaho olona nataho-tody mandrakariva avy amin’Andriamanitra, ka tsy mahay maharitra eo anatrehan’ny fiandrianany.


Ataovy indray manitrika ao amin’ny vovoka izy rehetra; hidio ao amin’ny maizina izy rehetra.


mba hampahalalàny ny zanaky ny olona ny asany mahagaga, sy ny famirapiratry ny fanjakany be voninahitra.


Zovy no mahafantatra ny herin’ny fahatezeranao, ary ny fahaviniranao, araka ny fahatahorana mendrika hatao Anao?


Hanao ahoana re ianareo, amin’ny andro famangiana sy amin’ny loza amin’antambo ho tonga avy lavitra? Any amin’iza no handosiranareo, hamonjy anareo, ary aiza no hanaovanareo ny harenareo?


Haninji-tanana ihany izy, ao anatin’izany fotaka izany, toy ny mpilomano maninji-tanana hilomano; nefa haetrin’i Iaveh ny avonavony, na hanampatra ny heriny rehetra aza ny tanany.


Ary indro ity vahoaka ity, dia voababo sy norobaina ny fananany. Voafatotra ao an-johy avokoa izy rehetra; voahiboka ao an-tranomaizina izy; robaina izy nefa tsy misy mamonjy azy, baboina ny fananany, nefa tsy misy manao hoe: «Avereno!»


Fa i Iaveh kosa dia tena Andriamanitra tokoa; Izy dia Andriamanitra velona, sy Mpanjaka mandrakizay; ny tany mihorohoro amin’ny fahatezerany; ary ny firenena tsy mahatanty ny fahavinirany.


Zovy no tsy hatahotra Anao; ry mpanjakan’ny firenena ô, Ianao tsy maintsy atahorana. Fa amin’ny hendry rehetra eo amin’ny firenena, sy eo amin’ny fanjakany rehetra, tsy misy tahaka Anao.


Izao no lazain’i Iaveh: «Toy izany no hahafoanako ny avonavon’i Jodà, sy ny avonavon-dehiben’i Jerosalema.


Ho rava ny fitoerana avon’i Avena, izay fahotan’i Israely; handadian’ny tsilo amam-boarointsaka ny ôteliny. Ny tendrombohitra hilazany hoe: «Saròny izahay!»


Ianao koa hampileovina, dia hanjavona tsy hita intsony; ianao koa eo anatrehan’ny fahavalo hitady fialofana.


fa hany tokony hatahoranareo dia izao: matahora izay manam-pahefana hamarina any amin’ny afobe rehefa novonoiny ianareo; eny, hoy Izaho aminareo, matahora azy.


Amin’izay ny olona vao hilaza amin’ny tendrombohitra hoe: ‹Mianjerà aminay› sy amin’ny havoana hoe: Saròny izahay;


Fahaverezana mandrakizay, lavitra ny Tavan’ny Tompo, sy ny voninahitry ny heriny, no havaliny an’ireny,