Ny antoandro aho matin’ny hainandro; ny alina matin’ny hatsiaka, ary ny torimaso nanalavitra ny masoko.
Hosea 13:5 - Baiboly Katolika Nahalala anao tany an’efitra Aho tany amin’ny tany fahamainana. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Izaho dia nahalala anao tany an-tany efitra, dia tany amin’ny tany karankaina. DIEM PROTESTANTA Izaho no mpiandry anao; fony ianao tany an-taniefitra tany amin’ny tany karankaina. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Izaho no mpiandry anao; fony ianao tany an-taniefitra tany amin’ny tany karankaina. Baiboly Protestanta Malagasy Izaho dia nahalala anao tany an-efitra, Dia tany amin’ny tany mampangetaheta. Malagasy Bible Izaho dia nahalala anao tany an-efitra, dia tany amin'ny tany mampangetaheta. La Bible en Malgache Izaho dia nahalala anao tany an-tany efitra, dia tany amin’ny tany karankaina. |
Ny antoandro aho matin’ny hainandro; ny alina matin’ny hatsiaka, ary ny torimaso nanalavitra ny masoko.
Satria ny lalan’ny marina fantatr’i Iaveh fa ny lalan’ny mpanota mitarika ho amin’ny fahaverezana.
«Mandehana, ataovy antso avo ho ren’i Jerosalema izao teny izao:» Izao no lazain’i Iaveh: «Tsaroako ny firaiketam-ponao tamiko, fony ianao mbola tanora, ny fitiavanao, fony ianao vao fofom-bady; dia ilay nanarahanao Ahy tany an’efitra, tany amin’ny tany tsy famafazana.
Izy ireny tsy mba nanao hoe: ‹Aiza i Iaveh, izay nitondra antsika niakatra avy any amin’ny tany Ejipta, nitari-dalana antsika tany an’efitra, tany amin’ny tany ngàzana sady vaky hentana, tany amin’ny tany karankaina sy aloky ny fahafatesana, tany amin’ny tany tsy falehan’olona, tsy onenan’olona?›
Mahalala an’i Efraima Aho ary tsy takona amiko i Israely; ary ianao, ry Efraima, nijangajanga, ary i Israely nandoto tena.
Tahaka ny voaloboka any an’efitra no ahitako an’i Israely; tahaka ny voaloham-bokatry ny aviavy tanora no nahitako ny razanareo. Kanjo tonga tao Beelfegôra izy ireo, sy nanolo-tena ho an’ny sampy vetaveta, ka tonga vetaveta tahaka itsy zava-tiany ihany.
Tsara fo i Iaveh; Fiarovana amin’ny androm-pahoriana Izy. ary mahalala izay matoky Azy
Fa ankehitriny kosa efa nahalala an’Andriamanitra ianareo (na hoe: Andriamanitra no nahalala anareo), ka ahoana no dia ireny fampianarana malemy sy tsy misy na inona na inona ireny indray no iverenanareo sy tianareo hotompoina?
Fa efa nambinin’i Iaveh Andriamanitrao ianao, tamin’ny asan’ny tananao rehetra; fantany ny nandehananao namaky ity efitra lehibe ity, fa efapolo taona izao no eo aminao i Iaveh Andriamanitrao, tsy nanan-java-mahory ianao na inona na inona.
Hitany tany an-tany efitra izy, dia tao an-tany foana misy biby dia mierona, ka nofefeny sy nokolikoleny ary notandremany toy ny anakandriamasony.
izay nitondra anao tany amin’ny efitra lehibe sy mahatahotra misy bibilava mivaivay sy maingoka, amin’ny fitoerana ngàzana sy tsy misy rano; izay nampiboiboika rano ho anao, avy amin’ny vatolampy mafy indrindra,