Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Hosea 13:5 - DIEM PROTESTANTA

5 Izaho no mpiandry anao; fony ianao tany an-taniefitra tany amin’ny tany karankaina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 Izaho dia nahalala anao tany an-tany efitra, dia tany amin’ny tany karankaina.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 Izaho no mpiandry anao; fony ianao tany an-taniefitra tany amin’ny tany karankaina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

5 Nahalala anao tany an’efitra Aho tany amin’ny tany fahamainana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 Izaho dia nahalala anao tany an-efitra, Dia tany amin’ny tany mampangetaheta.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 Izaho dia nahalala anao tany an-efitra, dia tany amin'ny tany mampangetaheta.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

5 Izaho dia nahalala anao tany an-tany efitra, dia tany amin’ny tany karankaina.

Jereo ny toko dika mitovy




Hosea 13:5
16 Rohy Ifampitohizana  

Niaritra ny hafanana amin’ny antoandro aho, ary jihitry ny hatsiaka amin’ny alina ka tsy nopizin-tory akory.


Tsimbinin’ny TOMPO tokoa ny fiainan’ny olo-marina, fa ny an’ny olon-dratsy kosa mankamin’ny fahaverezana.


Loarako eo anatrehany ny tarainako, ambarako eo anatrehany ny fahoriako.


Halako ny mivavaka amin’ny sampy; fa izaho, TOMPO ô, dia mitoky aminao.


Salamo nataon’i Davida, fony izy tany an-taniefitr’i Joda .


Nijery ny Israelita Andriamanitra ka nahafantatra ny nanjo azy.


«Ndeha ataovy antso avo ao Jerosalema fa izao no lazaiko: «Tsaroako ny toetranao fahiny, ry Israely. Endrey izany fifikiranao tamiko fony ianao mbola tanora! Endrey izany fitiavanao Ahy fony ianao mbola fofombadiko! Nanaraka Ahy hatrany an-taniefitra ianao, tany amin’ny faritany tsy nisy zava-maniry.


Tsy nanontany tena akory izy hoe: Mba aiza àry izao ny TOMPO izay nitondra antsika niala tany Ejipta sy nitarika antsika namakivaky ny taniefitra, faritany karankaina sy be hantsana, tany mangentana sy mampahatahotra fa tsy andalovan’olona sady tsy misy mponina?


Izaho dia mahalala an’i Efraîma, ary tsy takona amiko i Israely; satria ianao, ry Efraîma, efa tonga mpivarotena ankehitriny, ka voaloto noho izany i Israely.»


«Tahaka ny voaloboka any an-taniefitra no nahitako an’i Israely, tahaka ny aviavimbazaha masaka aloha indrindra no nahitako ny razanareo. Saingy rehefa mby tao Bahala-Pehôra izy, dia nanokan-tena ho amin’ny henatra ka tonga maharikoriko toy ilay Bahala notiaviny ihany.


Fa tsara ny TOMPO, fialofana amin’ny andro mahory Izy. Izy no miahy izay mialoka aminy,


Fa izay manam-pitiavana an’Andriamanitra kosa dia fantatr’Andriamanitra.


ankehitriny kosa, efa nahalala an’Andriamanitra ianareo. Mihoatra noho izany aza: efa nahalala anareo Andriamanitra, ka ahoana ianareo no miverina indray amin’ny herin-javatra tsy manam-pahefana azy ary tsy misy fotony, dia herin-javatra izay tianareo hotompoina hatrany am-boalohany indray?


Eny, Izaho TOMPO Andriamanitrareo efa nitahy anareo tamin’izay rehetra nataonareo. Fantatro ny nandehananareo namaky ity taniefitra midadasika ity; satria efapolo taona izay no momba anareo Aho TOMPO Andriamanitrareo, ka tsy nanan-java-mahory ianareo.»


Tany an-taniefitra no nanangonany azy, dia tany amin’ny tany foana misy bibidia mierona. Koa nokarakarainy izy, nokolokoloiny, notandremany tahaka ny anakandriamasony.


Izy no nitondra anareo hitety taniefitra midadasika sy mahatahotra, izay ahitana menarana misy poizina sy maingoka; kanefa izany tany mangentana tsy misy rano izany no nampiboiboihany rano ho anareo, avy tamin’ny vatolampy mafy indrindra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra