Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Hosea 13:6 - DIEM PROTESTANTA

6 Nony mby teo amin’ny ahi-maitso ianao dia afa nivoky tokoa. Eny, voky ianao, ka niavonavom-po; izany no nanadinoanao Ahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 Rehefa nahazo ahitra tsara izy dia voky; eny, voky izy ka niavonavona ny fony; koa izany no nanadinoany Ahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 Nony mby teo amin’ny ahi-maitso ianao dia afa nivoky tokoa. Eny, voky ianao, ka niavonavom-po; izany no nanadinoanao Ahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

6 Nony nahazo hanina izy ireo, dia nivoky; nivoky izy ka nisondrotra ny fony; ka izany no nanadinoany Ahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 Araka ny ahitra teny aminy no nahavoky azy; Eny, voky izy, ka niavonavona ny fony; Koa izany no nanadinoany Ahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 Araka ny ahitra teny aminy no nahavoky azy; Eny, voky izy, ka niavonavona ny fony; Koa izany no nanadinoany Ahy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

6 Rehefa nahazo ahitra tsara izy dia voky; eny, voky izy ka niavonavona ny fony; koa izany no nanadinoany Ahy.

Jereo ny toko dika mitovy




Hosea 13:6
23 Rohy Ifampitohizana  

Teo amin’ny zava-tsoa marobe nomenao azy nandritra ny nanjakàny ary teo amin’ny tany malalaka sy lonaka natolotrao ho eo anoloany, dia tsy nanompo Anao ireo sady tsy niala tamin’ny ratsy fanaony.


Ny olon-dratsy mirehareha hoe: «Tsy hanadina Andriamanitra, tsy misy Andriamanitra.» Izany no ambentin-keviny.


Fandrao ho tototra harena aho, dia handà Anao ka hahateny hoe: ‹Fa iza moa ny TOMPO?› na fandrao hahantra aho, dia mety hangalatra ka hanala baràka ny anaran’Andriamanitro».


Nohadinoinao, ry Israely, ilay Andriamanitra mpamonjy anao ary tsy notsarovanao ilay vatolampy fiarovanao; ka namboly zavatra faingam-paniry ho an’ny sampy ianao sy namafy masomboly ho an’ny andriamani-tsiizy.


Ry Jerosalema ô, ahoana moa no hamelako ny helokao? Ny zanakao efa nandao Ahy ka nianiana tamin’ny andriamani-tsiizy. Novokisako tamin’izay nilainy izy nefa nanitsakitsa-bady ihany, ka nirohotra ho amin’ny fijangajangana.


«Izao manko no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Satria nanadino Ahy ianao ka niodina tamiko, dia hizaka ny vokatry ny filibàna amam-pijangajanganao›. »


Nanangona tombom-barotra ianao noho ny fahaizanao ara-barotra; ary izany harena izany no niavonavonan’ny fonao.›


Voaloboka misandrahaka sady namoa tsara i Israely. Arakaraka ny hamaron’ny voany no nanamaroany ny alitarany; arakaraka ny nandrosoan’ny taniny no nanaovany tsangambaton-tsampy tsara tarehy kokoa hatrany.


Mizana mandainga tahaka ny an’ny Kanahanita no hazoninao, ry Efraîma; ka tia manambaka ianao


Hatsahatro ny fifaliany rehetra, dia ireo fety fanaony isan-taona, ireo voaloham-bolany sy ireo sabatany ary ireo fety hafa fankalàzany.


Eny, efa nivaro-tena ny reniny; ilay torontoronina azy ireo efa lany henatra rehefa nanao hoe: «Hanaraka ireo lehilahy sakaizako aho, dia ny mpanome mofo sy rano ahy ary koa volon’ondry sy kiran-drongony mbamin’ny menaka sy zava-pisotro.»


Ho ringana ny vahoakako noho ny tsifisian’ny fahalalana Ahy. Satria efa nandà ny fahalalana Ahy ianao, ka dia mba holaviko tsy ho mpisorona intsony. Nanadino ny lalànan’Andriamanitrao ianao, ka dia mba hohadinoiko koa ny zanakao.


Arakaraka ny nahabetsaka ny mpisorona no vao mainka nanotany tamiko; ka dia hampodiko ho henatra ny voninahiny.


Vao mainka aza Izaho TOMPO ho tahaka ny liona mamely anareo ary ho toy ny liona tanora hamely ny taranak’i Joda. Izaho dia Izaho no handratra ny rembiko, ka handeha hitondra azy ary tsy hisy haharombaka azy amiko.


Tsy mba vokatry ny fony no iantsoany vonjy amiko; fa mitoloko eo am-pandriany izy, ary mandidy tena mba hahazoana vary sy divay vaovao; fanoherana Ahy no ialany amiko.


«Nanangan-dapa maro i Israely, ka nanadino ny Mpanao azy. I Joda koa etsy an-daniny dia nampitombo tanànamimanda; nefa handefasako afo ny tanànany ka holevonin’izany ny lapany.


Nanangana mpanjaka izay tsy nofidiko izy ary nanendry filoha izay tsy fantatro akory. Nanaovany sampy ny volafotsy na ny volamenany mba ho fongotra aminy.


«Tsy raharahainao, ry Israely, ilay Vatolampy niteraka anao; hadinonao ilay Andriamanitra nahitanao masoandro.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra