Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Hosea 13:7 - DIEM PROTESTANTA

7 Koa tonga toy ny liona Aho aminareo Israelita, ary koa tahaka ny pantèra mamitsaka amoron-dalana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Ho tonga toy ny liona aminy Aho; eny, toy ny leoparda amoron-dalana no hijokoako azy;

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 Koa tonga toy ny liona Aho aminareo Israelita, ary koa tahaka ny pantèra mamitsaka amoron-dalana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

7 Izaho kosa amin’izy ireo, dia ho toy ny liona, ho tahaka ny pantera, hamitsahako eny amoron-dalana izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 Ka dia tonga toy ny liona aminy Aho, Toy ny leoparda amoron-dàlana no famitsako.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Ka dia tonga toy ny liona aminy Aho, toy ny leoparda amoron-dalana no famitsako.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

7 Ho tonga toy ny liona aminy Aho; eny, toy ny leoparda amoron-dalana no hijokoako azy;

Jereo ny toko dika mitovy




Hosea 13:7
10 Rohy Ifampitohizana  

Raha mba mitraka aho, dia hihaza ahy toy ny liona ianao, ka ny asanao mahatalanjona no hamelezanao ahy indray.


Mandroso toy ny miaramila maherifo ny TOMPO ary vonona toy ny mpiantafika zatra ady. Miantsoantso manao hiakan’ady Izy; ka maneho hery hihantsiana an’ireo fahavalony.


Tahaka ny liona tanora nandao ny kirihitra fiereny no fahalasanan’ireo mpitondra Efa tonga lao ny taniny satria mahatsiravina ny ady ary mirehitra ny hatezeran’ny Tompo.


Noho izany dia hivoaka hamely azy avy ao amin’ny kirihitr’ala ny liona; ary handrotidrotika azy eny an-tsaha ny amboadia. Ny leôparda hamitsaka eo akaikin’ny tanànany ka hamiravira izay rehetra mivoaka avy ao, satria nohamaroiny ny fahadisoany ary tsy hita isa ny fiodinany.


Toa orsa manotrika hamely ahy Izy, toa liona mamitsaka ao anaty kirihitra,


Vao mainka aza Izaho TOMPO ho tahaka ny liona mamely anareo ary ho toy ny liona tanora hamely ny taranak’i Joda. Izaho dia Izaho no handratra ny rembiko, ka handeha hitondra azy ary tsy hisy haharombaka azy amiko.


Hoy i Hamôsa hoe: Avy ao Tsiôna ny TOMPO no manerona ary avy ao Jerosalema Izy no manandra-peo. Dia malahelo ny saha fiandrasana biby fiompy ary maina ny tampon’i Karmela.


Hanerona ao anaty ala ve ny liona, raha tsy mahita remby? Hanerongerona ao an-davany ve ny liona tanora, raha tsy misy zavatra azony?


Ny liona no nierona, ka iza no tsy hatahotra? Ny Tompo ANDRIANANAHARY no niteny, ka iza no tsy hampita ny hafatra ampitondrainy?


Ilay biby izay hitako dia sahala amin’ny leoparda; saingy tahaka ny tongotr’orsa ny tongony, ary tahaka ny vavan’ny liona ny vavany. Nomen’ilay dràgona azy ny heriny sy ny sezafiandrianany ary fahefana lehibe.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra