Nahatsiaro an’i Abrahama Andriamanitra raha nandrava ny tanàna teo amin’ny tany lemaka, ka nanafaka an’i Lôta tamin’ny fikorontanana izy, nony nanakorontana ny tanàna nonenan’i Lôta.
Genesisy 8:1 - Baiboly Katolika Ary Andriamanitra nahatsiaro an’i Nôe sy ny biby ary ny biby fiompy rehetra izay niaraka taminy tao an-tsambo fiara; ary Andriamanitra nandefa rivotra tamin’ny tany ary nihena ny rano; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary Andriamanitra nahatsiaro an’i Noa mbamin’ny bibidia rehetra ary ny biby fiompy rehetra izay niara-nitoetra taminy tao anatin’ny sambofiara; ary Andriamanitra nampandalo rivotra nanerana ny tany ka nihena ny rano. DIEM PROTESTANTA Rehefa afaka izany, dia notsarovan’Andriamanitra i Noà sy ny bibidia rehetra ary ny biby fiompy rehetra izay niaraka taminy tao anatin’ny sambofiara; ka nampandalo rivo-mahery teny ambonin’ny tany Izy, dia niharîtra ny rano. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Rehefa afaka izany, dia notsarovan’Andriamanitra i Noà sy ny bibidia rehetra ary ny biby fiompy rehetra izay niaraka taminy tao anatin’ny sambofiara; ka nampandalo rivo-mahery teny ambonin’ny tany Izy, dia niharîtra ny rano. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Andriamanitra nahatsiaro an’i Noa mbamin’ny bibi-dia rehetra ary ny biby fiompy rehetra, izay niara-nitoetra taminy tao anatin’ny sambo-fiara; ary Andriamanitra nampandeha rivotra eran’ny tany, ka dia nihena ny rano. Malagasy Bible Ary Andriamanitra nahatsiaro an'i Noa mbamin'ny bibi-dia rehetra ary ny biby fiompy rehetra, izay niara-nitoetra taminy tao anatin'ny sambo-fiara; ary Andriamanitra nampandeha rivotra eran'ny tany, ka dia nihena ny rano. La Bible en Malgache Ary Andriamanitra nahatsiaro an’i Noa mbamin’ny bibidia rehetra ary ny biby fiompy rehetra izay niara-nitoetra taminy tao anatin’ny sambofiara; ary Andriamanitra nampandalo rivotra nanerana ny tany ka nihena ny rano. |
Nahatsiaro an’i Abrahama Andriamanitra raha nandrava ny tanàna teo amin’ny tany lemaka, ka nanafaka an’i Lôta tamin’ny fikorontanana izy, nony nanakorontana ny tanàna nonenan’i Lôta.
amin’ny zava-manana aina rehetra izay eo aminareo, na vorona, na biby fiompy, sy ny bibin’ny tany rehetra, hatramin’izay nivoaka avy tao an-tsambo fiara ka hatramin’ny biby rehetra ambonin’ny tany.
Tsarovy aho, noho izany, ry Andriamanitra ô; ary aza kosehina ny asa fitiavam-bavaka nataoko momba ny tranon’Andriamanitra sy amin’ny fanompoana fanao ao.
Ary nasaiko nanadio ny tenany ny Levita, sy ho avy hiambina eo am-bavahady, mba hanamasina ny andro sabata. Tsarovy noho izany koa aho, ry Andriamanitra ô, ary tsimbino araka ny haben’ny famindram-ponao aho.
Tsarovy izy ireo, ry Andriamanitra ô, ny amin’ny nanalany baraka ny fisoronana sy ny andraikitra masin’ny mpisorona sy ny Levita!
Endrey! raha mba mety manafina ahy any amin’ny fonenan’ny maty mantsy Ianao, ka hampiery ahy any mandra-pahafaky ny hatezeranao, hilaza amiko izay fetr’andro hahatsiarovanao ahy indray!
Ry Iaveh ô, tsarovy aho amin’ny hatsaram-ponao amin’ny vahoakanao, vangio amin’ny famonjenao aho,
Efa nahatsiaro antsika i Iaveh, ka hitahy! Hitahy ny taranak’i Israely Izy hitahy ny taranak’i Aarôna Izy,
Tsarovy, ry Iaveh, ireo taranak’i Edôma, fony tamin’ny andron’i Jerosalema, dia hoy ireny: «Ravao! ravao! izy, hatramin’ny fotony!»
Amin’ny safodrano dia mipetraka ao ambonin’ny fiketrahany i Iaveh, mipetraka ao amin’ny fiketrahany ho mpanjaka mandrakizay i Iaveh.
Ry Iaveh ô, mipaka amin’ny lanitra ny hatsaram-ponao, mihatra amin’ny rahona ny fahamarinanao.
Nony nahinjitr’i Môizy teo ambonin’ny ranomasina ny tanany dia nohemorin’i Iaveh ny ranomasina tamin’ny rivotra nifofofofo mafy avy any atsinanana nandritra ny alina, ka nataony tonga maina ny ranomasina fa nisaraka roa ny rano.
Kanjo vao notsofin’ny fofon’ainao dia safotry ny rano izy, Ka nilentika toy ny firaka anatin’ny ranomasim-be.
Koa nohenoin’Andriamanitra ny fitarainany; tsaroany ny fanekeny tamin’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba.
Faharitana anie no ho amin’ny ranony, ka aoka ho tankina! Satria tanin-tsampiny ary eo anatrehan’ireny zava-mampahatahotra ireny, dia mirebireby izy ireo.
Efa nianiana tamin’ny reharehan’i Jakôba i Iaveh: Raha hohadinoiko mandra-piavin’ny farany, izay rehetra nataon’izy ireo.
ka Izaho va tsy mba halahelo noho ny amin’i Niniva, tanàna lehibe, izay misy olona tsy omby roa alina sy iray hetsy, tsy mahay manavaka ny havanany amin’ny haviany, ary biby be dia be!»
Mandrahona ny ranomasina izy dia ataony maina; ary ataony ritra ny ony rehetra. Malazo i Basàna sy i Karmely, malazo koa ny zava-manirin’i Libàna.
Iaveh ô, nandre izay nampandrenesinao aho, dia raiki-tahotra aho, Iaveh ô! Velomy ny asanao amin’ny taona mifandimby; ataovy fantatra amin’ny taona mifandimby izy. Na eo amin’ny hatezeranao aza, mahatsiarova ny hamindra fo.
Hamaky ny ranomasina, ranomasim-pahoriana izy; sy hikapoka ny onjan-dranomasina ao amin’ny rano, dia ho tonga maina avokoa ny halalinan’ny ony. Haetry ny avonavon’i Asiria, ary halàna ny tehim-panjakan’i Ejipta.
Any amin’ny taninareo raha handeha hiantafika amin’ny fahavalo mananika anareo ianareo, dia hitsoka ny trômpetra mikarantsana, ka ho tonga ao amin’i Iaveh Andriamanitrareo ny fahatsiarovana anareo, ka ho voavonjy amin’ny fahavalonareo.
Dia hoy ilay Anjelin’i Iaveh taminy: «Ahoana no nikapohanao ny ampondranao intelo izao? Indro nivoaka hisakana anao aho, satria araka ny hitako, lalana mamarina anao amin’ny loza no ombanao.
Nivaky telo terỳ ny tanàna lehibe, nirodana avokoa ny vohitry ny firenena maro; ary notsarovan’Andriamanitra i Babilôna lehibe, mba hampisotroany azy ny kapoakan-divain’ny fahatezerany mirehitra.
fa efa mitehika amin’ny lanitra ny fahotany, ary efa tsarovan’Andriamanitra ny haratsiany.
Ary nifoha maraina koa izy ireo, ka nony avy niankohoka teo anatrehan’i Iaveh, dia nody izy, ka niverina tany an-tranony any Ramà.