Nony efa sivy amby sivy folo taona i Abrama dia niseho taminy i Iaveh ka nanao taminy hoe: «Izaho no Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra; mizora eo anatrehako ary aza manan-tsiny ianao;
Genesisy 5:22 - Baiboly Katolika Mbola nizotra nifanaraka tamin’Andriamanitra telon-jato taona i Enôka, taorian’ny niterahany an’i Matosalema, sady niteraka zazalahy aman-jazavavy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary niara-nandeha tamin’Andriamanitra telonjato taona i Enoka taorianan’ny niterahany an’i Metosela; niteraka zazalahy sy zazavavy izy. DIEM PROTESTANTA Ary niara-nandeha tamin’Andriamanitra i Henôka, ka taorian’ny nahaterahan’i Metosèla dia mbola velona 300 taona izy ary niteraka zanakalahy sy zanakavavy maro. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary niara-nandeha tamin’Andriamanitra i Henôka, ka taorian’ny nahaterahan’i Metosèla dia mbola velona 300 taona izy ary niteraka zanakalahy sy zanakavavy maro. Baiboly Protestanta Malagasy Ary niara-nandeha tamin’Andriamanitra telon-jato taona Enoka taorian’ny niterahany an’i Metosela; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy. Malagasy Bible Ary niara-nandeha tamin'Andriamanitra telon-jato taona Enoka taorian'ny niterahany an'i Metosela; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy. La Bible en Malgache Ary niara-nandeha tamin’Andriamanitra telonjato taona i Enoka taorianan’ny niterahany an’i Metosela; niteraka zazalahy sy zazavavy izy. |
Nony efa sivy amby sivy folo taona i Abrama dia niseho taminy i Iaveh ka nanao taminy hoe: «Izaho no Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra; mizora eo anatrehako ary aza manan-tsiny ianao;
Fa novaliany hoe: ‹I Iaveh, izay eo anatrehany no handehanako, no haniraka ny Anjeliny hiaraka aminao, sy hanambina ny dianao, ka haka vady ho an-janako, any amin’ny havako sy any an-tranon’ikaky ianao.
Dia nitso-drano an’i Josefa izy, ka nanao hoe: «Enga anie ka ilay Andriamanitra izay teo anatrehany no nandehanan’i Abrahama sy i Isaaka razako, ilay Andriamanitra izay namelona ahy hatrizay niainako ka mandrak’ankehitriny,
Nizotra nifanaraka tamin’Andriamanitra i Enôka, dia tsy hita intsony, fa nentin’Andriamanitra izy.
Izao no tantaran’i Nôe: Lehilahy marina i Nôe, nanao ny rariny teo amin’ny olona niara-belona taminy, nizotra nifanaraka tamin’Andriamanitra i Nôe.
ka dia hotanterahin’i Iaveh ilay teny nilazany ny amiko hoe: Raha mitandrina ny diany ny zanako, ka mandeha eo anatrehako amim-pahamarinana amin’ny fony rehetra sy amin’ny fanahiny rehetra, dia tsy ho lany taranaka ho eo amin’ny seza fiandrianan’i Israely ianao.
«Iaveh ô, tsarovy fa nandeha teo anatrehan’ny tavanao aho, tamim-pahamarinana sy tamin’ny fo mahitsy, ary nanao izay tsara teo imasonao!» Sady nirotsaka be dia be ny ranomason’i Ezekiasa.
Fihirana fiakarana. Sambatra ny lehilahy matahotra an’i Iaveh, izay mandeha amin’ny lalany.
Ny voady nataoko taminao, ry Andriamanitra, tsy maintsy hoefaiko; hanatitra sorona fisaorana aminao aho.
Ampianaro ny lalànao aho, ry Iaveh; fa te-handeha amin’ny fahitsianao! Araiketo amin’ny fahatahorana Anao ny foko.
Dia hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Indro Aho handatsaka mofo avy any an-danitra ho anareo. Hivoaka ny olona ka isan’andro dia hanangona izay sahaza hohaniny amin’ny indray andro, mba hizahako toetra azy, na handeha araka ny lalàko izy ireo na tsia.
Ento hanaraka anao aho; andao faingana isika! Nentin’ny mpanjaka ho ao an’efitranony mitokana aho, hientan-kafaliana sy hiravoravo aminao izahay, hidera ny fitiavanao, mihoatra noho ny divay izahay. An-drariny loatra ny itiavan’ny olona anao!
Efraima... Inona no mbola mba hataony any amin’ny sampy? Izaho no efa mamaly ny fangatahany sy mitsinjo azy; tahaka ny sipresa maitso Aho; Izaho no iavian’ny voanao.
Satria ny firenena rehetra samy mandeha amin’ny anaran’ny andriamaniny avy, ary isika mandeha amin’ny Anaran’i Iaveh, Andriamanitsika mandrakizay dia ho mandrakizay.
Efa nampahalalaina anao, ry olombelona izay tsara, sy izay ilain’i Iaveh aminao, dia ny hanao ny fahamarinana, ny ho tia famindram-po, ary ny hizotra eo anatrehan’ny Andriamanitrao amim-panetren-tena.
Ny lalàn’ny fahamarinana no teo am-bavany; ny ratsy tsy hita teo amin’ny molony; niara-nandeha tamiko tamim-piadanana amam-pahitsiana izy; ary nampiala olona betsaka tamin’ny ratsy.
Samy marina teo imason’Andriamanitra izy mivady, sady nitondra tena tsy nanan-tsiny tamin’ny didy sy ny tenin’ny Tompo rehetra.
Niadana ny Eglizy eran’i Jodea sy i Galilea ary i Samaria manontolo fahizany, sady nandroso tsara sy nandeha tamin’ny fahatahorana ny Tompo izy, no nihamaro tamin’ny famporisihan’ny Fanahy Masina.
Koa ankehitriny, tsy misy fanamelohana intsony ho an’izay ao amin’i Kristy Jesoa sady tsy mandeha ara-nofo;
Izao anefa: samia ihany mandeha araka ny anjara nomen’ny Tompo azy avy, sy araka ny niantsoan’Andriamanitra azy avy; sy araka ny fitsipika omeko ny Eglizy rehetra.
Fa isika no tempolin’Andriamanitra velona, araka ny lazain’Izy Andriamanitra hoe: Honina eo aminy Aho, ary handeha eo aminy; dia Izaho no ho Andriamanitr’izy ireo, ary izy ho vahoakako.
I Iaveh Andriamanitrareo no araho, Izy no atahory; tandremo ny didiny, ekeo ny feony; manompoa Azy, ary mifikira aminy.
Hampaharitra anao i Iaveh ho vahoaka masina ho Azy, araka ny efa nianianany taminao, raha mitandrina ny didin’i Iaveh Andriamanitrao ianao, ka mandeha amin’ny lalany;
ka handeha mendrika ny Tompo, sy mahafa-po Azy amin’ny zavatra rehetra; mba hahavokatra amin’ny asa soa rehetra ianareo, sady hitombo fahalalana an’Andriamanitra,
fa nananatra anareo izahay, nanala alahelo anareo, namepetra anareo mafy mba handehananareo mendrika an’Andriamanitra, izay niantso anareo ho amin’ny fanjakany sy ny voninahiny.
Farany, ry kristianina havana, izao no angatahinay sy ihantanay aminareo ao amin’i Jesoa Tompo: efa nianaranareo taminay izay fitondran-tena mety hankasitrahin’Andriamanitra, sady efa arahinareo koa, ka mandrosoa mandrakariva amin’ny fandehanana araka izany.
Fa raha mandeha amin’ny mazava toa Azy ao amin’ny mazava kosa isika, dia mifampikambana isika rehetra, ary ny Ran’i Jesoa Kristy Zanany dia manadio antsika amin’ny ota rehetra.