Ary hoy izy: «Inona no antoka homeko anao?» Dia hoy izy: «Ny peratrao sy ny kofehinao ary iny tehina an-tananao iny.» Nomeny azy izany, dia nandeha taminy izy, ka nanana anaka taminy ravehivavy.
Genesisy 41:42 - Baiboly Katolika Dia nalain’i Faraôna ny peratra tamin’ny tanany, ka nataony tamin’ny tanan’i Josefa; sady nampitafîny rongony fotsy madinika izy, ary nasiany rojo volamena ny vozony. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nesorin’i Farao ny peratra fitombo-kase tamin’ny tanany ka nataony tamin’ny tanan’i Josefa, dia nampitafiny akanjo rongony fotsy madinika izy ary nasiany rojo volamena ny vozony. DIEM PROTESTANTA Dia nesorin’ny Farao teny an-tanany ny peratra maha mpanjaka, ka napetrany teny an-tanan’i Jôsefa, sady nampitafiny akanjo rongony fotsy madinika izy; ary napetrany teny am-bozony ny rojo volamena. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nesorin’ny Farao teny an-tanany ny peratra maha mpanjaka, ka napetrany teny an-tanan’i Jôsefa, sady nampitafiny akanjo rongony fotsy madinika izy; ary napetrany teny am-bozony ny rojo volamena. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nesorin’i Farao ny peratra tamin’ny tànany ka nataony tamin’ny tànan’i Josefa, dia nampitafiny rongony fotsy madinika izy, ary nasiany rojo volamena ny vozony; Malagasy Bible Dia nesorin'i Farao ny peratra tamin'ny tanany ka nataony tamin'ny tànan'i Josefa, dia nampitafiny rongony fotsy madinika izy, ary nasiany rojo volamena ny vozony; La Bible en Malgache Dia nesorin’i Farao ny peratra fitombo-kase tamin’ny tanany ka nataony tamin’ny tanan’i Josefa, dia nampitafiny akanjo rongony fotsy madinika izy ary nasiany rojo volamena ny vozony. |
Ary hoy izy: «Inona no antoka homeko anao?» Dia hoy izy: «Ny peratrao sy ny kofehinao ary iny tehina an-tananao iny.» Nomeny azy izany, dia nandeha taminy izy, ka nanana anaka taminy ravehivavy.
Nampitaingeniny ny kalesiny faharoa izy, ary nisy niantso teo alohany hoe: «Mandohaliha.» Toy izany no nananganana azy ho mpanapaka ny tany Ejipta.
Tsara ny takolakao voahodidin’ireo fehivozona, soa ny vozonao, voahodidin’ireo voahangy maro andalana.
Efa lasanao ny foko, ry havako, ry fofom-badiko, efa lasanao ny foko tamin’ny masonao indray mijery monja, tamin’ny singam-boahangy eo amin’ny fehivozonao!
nasainy novana ny fitafiany tao an-tranomaizina; ary tsy tapaka nihinana teo anatrehany i Joasina, tamin’ny andro rehetra niainany.
Rongony fotsy madinika avy any Ejipta, mbamin’ny amborodaony no natao lain-tsambo ho anao, sady natao faneva ho anao; ny hiasinta sy ny lamba mena mangatrakatraka avy any amin’ny nosy Elisà no lamba temitra ho anao.
Fa hoy irainy tamin’ny mpanompony: Alao haingana ny akanjo tsara indrindra ka ampiakanjoy azy; asio peratra ny rantsan-tanany, kiraroy ny tongony,
Ka notsoahan’i Jônatasy nomena an’i Davida ny kapaoty nentiny, toy izany koa ny akanjo fiadiany, mbamin’ny sabany, hatramin’ny tsipîkany sy hatramin’ny fehin-kibony.