Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 38:18 - Baiboly Katolika

18 Ary hoy izy: «Inona no antoka homeko anao?» Dia hoy izy: «Ny peratrao sy ny kofehinao ary iny tehina an-tananao iny.» Nomeny azy izany, dia nandeha taminy izy, ka nanana anaka taminy ravehivavy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

18 Ary hoy izy: Inona ary no antoka homeko anao? Dia hoy Ravehivavy: Ny fitombo-kasenao sy ny kofehinao ary iny tehinao eny an-tananao iny. Nomeny azy ireny dia nandry taminy izy ary nanana anaka taminy Ravehivavy.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

18 Ary hoy i Joda hoe: –Inona àry no antoka homeko anao? Dia novaliany hoe: –Ny tombokasenao sy ny tadiny ary iny tehinao eny an-tananao iny. Dia nomen’i Joda azy tokoa ireny, ka nandeha nandry tamin’i Tamara izy; ary nitoe-jaza ravehivavy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

18 Ary hoy i Joda hoe: –Inona àry no antoka homeko anao? Dia novaliany hoe: –Ny tombokasenao sy ny tadiny ary iny tehinao eny an-tananao iny. Dia nomen’i Joda azy tokoa ireny, ka nandeha nandry tamin’i Tamara izy; ary nitoe-jaza ravehivavy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

18 Ary hoy izy: Inona no fampitanana homeko anao? Ary hoy ravehivavy: Ny fanombohan-kasenao sy ny kofehinao ary iny tehinao eny an-tànanao iny. Ary nomeny azy ireny, dia nandry taminy izy, ka nanan-anaka taminy ravehivavy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

18 Ary hoy izy: Inona no fampitanana homeko anao? Ary hoy rave­hivavy: Ny fanombohan-kasenao sy ny kofehinao ary iny tehinao eny an-tananao iny. Ary nomeny azy ireny, dia nandry taminy izy, ka nanan'anaka taminy ravehivavy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

18 Ary hoy izy: Inona ary no antoka homeko anao? Dia hoy Ravehivavy: Ny fitombo-kasenao sy ny kofehinao ary iny tehinao eny an-tananao iny. Nomeny azy ireny dia nandry taminy izy ary nanana anaka taminy Ravehivavy.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 38:18
8 Rohy Ifampitohizana  

Ka hoy ny navaliny: «Hampanatitra zanak’osy avy any amin’ny biby fiompy ho anao aho.» Fa hoy ravehivavy: «Eny, raha omenao antoka aho aloha, mandra-pampanatitrao an’izany.»


Vao niainga teo ravehivavy dia lasa, nesoriny ny voaliny, ary niakanjoany indray ny akanjony fitondran’ny mpitondratena.


Dia nalain’i Faraôna ny peratra tamin’ny tanany, ka nataony tamin’ny tanan’i Josefa; sady nampitafîny rongony fotsy madinika izy, ary nasiany rojo volamena ny vozony.


Velona Aho, - teny marin’i Iaveh, - Na ho peratra eo an-tanako ankavanana aza I Jekôniasa zanak’i Jôakima, mpanjakan’i Jodà dia hombotako hiala eo izy.


Mahavery saina ny fijangajangana, ny divay, ny ranom-boaloboka.


Aza manokatra ny fitanjahan’ny vinanto vavinao, fa vadin-janakao izy. Aza manokatra ny fitanjahany.


Fa hoy irainy tamin’ny mpanompony: Alao haingana ny akanjo tsara indrindra ka ampiakanjoy azy; asio peratra ny rantsan-tanany, kiraroy ny tongony,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra