Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 29:1 - Baiboly Katolika

Dia nanohy ny diany i Jakôba, ary nandeha ho any amin’ny tanin’ny zanaky ny Tatsinanana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia niainga i Jakoba ka nankany amin’ny tanin’ny zanaky ny Atsinanana.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ary niainga i Jakôba ka nankany amin’ny tany atsinanana, dia ny tanindrazan-dreniny.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ary niainga i Jakôba ka nankany amin’ny tany atsinanana, dia ny tanindrazan-dreniny.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

DIA niainga Jakoba ka nankany amin’ny tanin’ny zanaky ny atsinanana.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia niainga Jakoba ka nankany amin'ny tanin'ny zanaky ny atsinanana.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia niainga i Jakoba ka nankany amin’ny tanin’ny zanaky ny Atsinanana.

Jereo ny toko



Genesisy 29:1
17 Rohy Ifampitohizana  

Naka folo tamin’ny ramevan’ny tompony, ilay mpanompo, dia niainga handeha, ary nananany fahefana avokoa ny fananan’ny tompony. Dia nitsangana izy, ka any Mesôpôtamia any an-tanànan’i Nakôra no nalehany.


i Abrahama niteraka an’i Isaaka. Ary efa efapolo taona i Isaaka vao nampakatra an-dRebekà, zanak’i Batoela Arameanina any Padan-Arama, sy anabavin’i Labàna Arameanina.


Fa tolotanana no nomeny ny zanaky ny vaditsindranony; sady mbola velona teo izy dia efa nampandehaniny izy ireo hiala teo amin’i Isaaka hiantsinanana any amin’ny tany Atsinanana.


Ary hoy Andriamanitra tamin’i Jakôba: «Andeha ianao miakatra an’i Betela ka monena any, manangàna ôtely any, ho an’ilay Andriamanitra niseho taminao, fony ianao nandositra teo anoloan’i Esao, rahalahinao.»


Dia nanorina ôtely teo izy, ka nataony hoe El-Betela ny anaran’io tany io, satria teo no nisehoan’Andriamanitra taminy, fony izy nandositra teo anoloan’ny rahalahiny.


Mihazakazaka eo amin’ny lalan’ny didinao aho, fa nohalalahinao ny foko.


Midodododo aho, fa tsy mangataka andro, hitandrina ny didinao.


Mandehana, hano an-kafaliana ny mofonao, ary sotroy am-piravoravoam-po ny divainao; fa efa asehon’Andriamanitra ny fankasitrahany ny asanao.


Raha zava-poana i Galaada, dia ho tsinontsinona koa izy ireo; nanao sorona omby tany Galgalà izy; noho izany ny ôteliny ho toy ny antontam-bato eny amin’ny saha voasoritsoritra.


ka nilaza ny lahateniny i Balaama nanao hoe: «I Balàka nampaka ahy avy tany Arama; Ny mpanjakan’i Moaba nampaka ahy, avy tany an-tendrombohitry ny Atsinanana; Avia, ozòny i Jakôba! Avia, tezera amin’i Israely!


Rehefa namafy voa i Israely, dia niakatra i Madiàna mbamin’i Amaleka ary ny zanaky ny Atsinanana, ka nanafika azy.


Ary nivory i Madiàna sy i Amaleka mbamin’ny zanaky ny Atsinanana rehetra, ka nita an’i Jordany izy, dia nitoby teo amin’ny tany lemaka Jezraela.


I Madiàna sy i Amaleka mbamin’ny zanaky ny Atsinanana dia niely eran’ny tany lemaka, maro toy ny valala, ary tsy hita isa ny ramevany, hoatra ny fasika eny amoron-dranomasina.


Tany Karkôra i Zebea sy i Salmanà mbamin’ny tafiny niaraka taminy, dia lehilahy tokony ho dimy arivo sy iray alina, izay rehetra sisa tamin’ny foloalindahin’ny zanaky ny Atsinanana manontolo, fa maty ny lehilahy roa alina sy iray hetsy samy mpitan-tsabatra avokoa.