Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 13:7 - Baiboly Katolika

Nifanditra ny mpiandry ondrin’i Abrama sy ny mpiandry ondrin’i Lôta. Ny Kananeanina sy ny Ferezeanina no nitoetra tamin’ny tany tamin’izay.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia niady ny mpiandry ombin’i Abrama sy ny mpiandry ombin’i Lota. Ny Kananita sy ny Perizita no nonina tao Kanana tamin’izany fotoana izany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia niady ny mpiandry ombin’i Abrama sy ny mpiandry ombin’i Lota; ary ny Kananita sy ny Perizita no tompon-tany tao Kanana fahizay.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia niady ny mpiandry ombin'i Abrama sy ny mpiandry ombin'i Lota; ary ny Kana­nita sy ny Perizita no tompon-tany tao Kanana fahizay.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia niady ny mpiandry ombin’i Abrama sy ny mpiandry ombin’i Lota. Ny Kananita sy ny Perizita no nonina tao Kanana tamin’izany fotoana izany.

Jereo ny toko



Genesisy 13:7
20 Rohy Ifampitohizana  

Ka ny faritanin’ny Kananeanina tafapaka hatrany Sidona amin’ny tandrifin’ny Jerara ka hatrany Gazà, ary hatramin’ny tandrifin’i Sôdôma, i Gômôra, i Adama ary i Sebôima, dia hatrany Lesà.


Dia namaky ny tany i Abrama, hatrany amin’ny fitoerana atao hoe Sikema, hatrany amin’ny terebintan’i Môre.


Nanome tsiny an’i Abimeleka anefa i Abrahama, fa nisy lavaka fantsakana anankiray nanaovan’ny mpanompony an-keriny.


Fa niadian’ny mpiandry ondry tao Jerara ny mpiandry ondrin’i Isaaka nataony hoe: «Anay ny rano.» Ka nataon’i Isaaka hoe Eseka ny anaran’ny lavaka fantsakana, satria niadian-dry zareo izy.


Fa hoy kosa i Jakôba tamin’i Simeôna sy i Levỳ: «Nampanahirana ahy ianareo, fa nomaimboinareo amin’ny tany ama-monina aho, dia amin’ny Kananeanina sy amin’ny Ferezeanina. Izaho dia olom-bitsy ka hikambana izy hamely ahy, ka hovonoiny aho, dia ho fongotra aho sy ny ankohonako.»


Dia valio hoe: ‹Biby fiompy no fanananay, izahay mpanomponao, hatramin’ny fahazazanay ka mandrak’ankehitriny; tahaka ny razanay koa.› Fa izany no hahazoanareo monina amin’ny tany Gesena, satria fahavetavetana amin’ny Ejiptianina ny mpiandry ondry rehetra.»


Ary hoy koa aho: «Tsy tsara izao nataonareo izao. Moa tsy tokony ho nandeha tamim-pahatahorana ny Andriamanitsika va ianareo, mba tsy ho voan’ny fanaratsian’ny firenena fahavalontsika?


Kanjo tonga ny lehilahy mpiandry ondry ka nandroaka azy ireo. Fa nitsangana kosa i Môizy niaro azy sy nampisotro rano ny biby fiompiny.


Voninahitra ho an’ny olona ny mifady fifandirana; fa ny adala rehetra milomano amin’ny hatezerana.


ary raha misy fianakaviana miady an-trano, dia tsy haharitra izany fianakaviana izany;


Fa fialonana amam-pifandirana no hita ao aminareo, ka moa tsy ara-batana sy araka ny fanaon’olombelona va izany?


fanompoan-tsampy, fanaovana ody mahery, fifankahalana, fifandirana, fialonana, fahatezerana, ady lahy, fifampiandaniana, fitokoana,


Mahaiza mitondra tena amin’izay eo ivelany; ary mahaiza manararaotra ny fotoana.


mba handehananareo amim-pahamendrehana amin’izay eo ivelany, sy tsy hiankinanareo amin’olona foana.


Fa isika koa fahiny mba efa adala, tsy nanaiky, naniasia, andevon’ny faniriana amam-pilàn-dratsin’ny nofo rehetra, mpisompatra sy mpialona ka sady tandrifiny hankahalaina no nifankahala koa.


satria izay misy fialonana sy fifampiandaniana, dia tsy maintsy misy fikorontanana sy izao asa ratsy rehetra izao koa.


Avy aiza ny ady amam-pifandirana ao aminareo? Moa tsy amin’ny filàn-dratsinareo izay miady ao anatin’ny nofonareo va?


Manaova fitondran-tena tsara eo afovoan’ny Jentily, mba hankalazany an’Andriamanitra amin’ny andron’ny famangiana, rehefa hitany ny asa soa ataonareo, na dia amin’ny zavatra anaovany anareo ho mpanao ratsy aza.