Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 12:13 - Baiboly Katolika

Koa lazao fa anabaviko ianao, ka ianao no handraisany ahy tsara ary ianao no hamelany ahy ho velona.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Miangavy anao aho, lazao fa anabaviko ianao mba hanisiany soa ahy noho ny aminao ka ho velona aho noho ny aminao.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Koa aoka holazainao amin’ireo fa anabaviko ianao mba horaisiny tsara aho noho ny aminao, ary hovelominy noho ny aminao!

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Koa aoka holazainao amin’ireo fa anabaviko ianao mba horaisiny tsara aho noho ny aminao, ary hovelominy noho ny aminao!

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Masìna hianao, lazao fa anabaviko hianao, mba hasiany soa aho noho ny aminao, ka hianao no hamelomany ahy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Masìna ianao, lazao fa anabaviko ianao, mba hasiany soa aho noho ny aminao, ka ianao no hamelomany ahy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Miangavy anao aho, lazao fa anabaviko ianao mba hanisiany soa ahy noho ny aminao ka ho velona aho noho ny aminao.

Jereo ny toko



Genesisy 12:13
18 Rohy Ifampitohizana  

I Abrama sy i Nakôra samy naka vady avy; ka ny anaran’ny vadin’i Abrama dia Saray, ary ny anaran’ny vadin’i Nakôra dia Melkà, zanak’i Aràna, rain’i Melkà sy rain’i Jeskà.


Nony tonga tany Ejipta i Abrama, dia hitan’ny Ejiptianina fa tsara tarehy tokoa ny vadiny.


I Sarà vadiny no lazain’i Abrahama hoe: «Anabaviko io.» Naniraka olona haka an’i Sarà i Abimeleka mpanjakan’i Jerara.


Moa tsy nolazainy tamiko hoe: Anabaviko io? Ary ravehivavy koa nilaza tamiko hoe: Anadahiko izy. Ary fo mahitsy sy tanana madio no nanaovako izany.»


Nanontanian’ny olona tompon-tany ny amin’ny vadiny izy, ka namaly hoe: «Anabaviko io.» Satria natahotra ny hilaza hoe vadiko izy; fandrao vonoin’ny olona noho ny amin-dRebekà aho, hoy izy, fa tsara tarehy izy.


Fa iza àry no atahoranao? iza no ahinao, no dia nivadika amiko ianao, ka tsy mba mahatsiaro Ahy, sy tsy asianao raharaha akory Aho? Moa tsy nangina Aho, ary efa hatry ny ela, dia hatrizay tsy natahoranao Ahy izay?


Ka hoy i Jeremia tamin’i Sedesiasa: «Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Raha mivoaka hanaiky ny lehiben’ny mpanjakan’i Babilôna ianao, dia ho velona aina ianao sy ny mpianakavinao.


Fa hoy ny navalin’i Jeremia: «Tsy hanolotra anao ny olona; mba henoy re ny feon’i Iaveh amin’izay ambarako aminao, dia hahita soa amin’izay ianao ary ho voavonjy ny ainao.


Ahy ny fanahy rehetra, na ny fanahin’ny ray, na ny fanahin’ny zanaka, samy Ahy avokoa, ka ny fanahy izay manota dia izy no ho faty.


Ny devoly no ray niavinareo, ka izay tian’ny rainareo no tianareo hatao. Ary izy dia mpamono olona hatramin’ny voalohany sy tsy naharitra tamin’ny marina, satria tsy misy marina ao aminy. Raha mandainga izy, dia ny azy no lazainy izany, satria mpandainga sy rain’ny lainga izy;


Fa ny fahafatesana no tambin’ny ota, ary ny fiainana mandrakizay ao amin’i Kristy Jesoa Tompontsika kosa no fanomezan’Andriamanitra.


fa izany rehetra izany no mahatonga ny fahatezeran’Andriamanitra amin’ny zanaky ny tsy finoana;