Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 12:13 - DIEM PROTESTANTA

13 Koa aoka holazainao amin’ireo fa anabaviko ianao mba horaisiny tsara aho noho ny aminao, ary hovelominy noho ny aminao!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 Miangavy anao aho, lazao fa anabaviko ianao mba hanisiany soa ahy noho ny aminao ka ho velona aho noho ny aminao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 Koa aoka holazainao amin’ireo fa anabaviko ianao mba horaisiny tsara aho noho ny aminao, ary hovelominy noho ny aminao!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

13 Koa lazao fa anabaviko ianao, ka ianao no handraisany ahy tsara ary ianao no hamelany ahy ho velona.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 Masìna hianao, lazao fa anabaviko hianao, mba hasiany soa aho noho ny aminao, ka hianao no hamelomany ahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 Masìna ianao, lazao fa anabaviko ianao, mba hasiany soa aho noho ny aminao, ka ianao no hamelomany ahy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

13 Miangavy anao aho, lazao fa anabaviko ianao mba hanisiany soa ahy noho ny aminao ka ho velona aho noho ny aminao.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 12:13
18 Rohy Ifampitohizana  

Nanambady an’i Saray i Abrama; ary i Nahôra kosa nanambady an’i Milkà zanakavavin’i Haràna. I Haràna koa no rain’i Milkà sy i Jiskà.


Nony tonga tany Ejipta i Abrama, dia hitan’ireo Ejiptianina fa tena tsara tarehy tokoa ravehivavy.


Nolazain’i Abrahama fa anabaviny i Sarà vadiny; koa naniraka haka an’i Sarà i Abimelèka, mpanjakan’i Gerara.


Moa tsy Abrahama va no nilaza tamiko an’i Sarà hoe anabaviny? Ary moa tsy ravehivavy io va no nilaza tamiko an’i Abrahama hoe anadahiny? Koa tamin’ny fo tsotra sy tanana madio no nanaovako izany.


Nanontany azy momba ny vadiny ny olona tamin’izany toerana izany, fa novaliany hoe: «Anabaviko izy.» Natahotra ny hilaza azy hoe vadiny izy, fandrao hovonoin’ny olona tamin’izany toerana izany ho faty ny tenany noho ny amin’i Rebekà fa tsara tarehy loatra ravehivavy.


Fa iza no nahînao sy natahoranao no dia namadika Ahy ianao, ka tsy nahatsiaro Ahy intsony sy nandroaka Ahy tao am-ponao? Efa nangina hatrỳ ny ela Aho, ka izany angaha no tsy anajanao Ahy?


Dia hoy i Jeremià tamin’i Tsedekià: –Izao no lazain’ny TOMPO Andriamanitr’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely: «Raha mivoaka hitolo-batana amin’ny manamboninahitry ny mpanjakan’i Babilôna ianao, dia ho velona ianao sy ny fianakavianao, ary tsy hodorana amin’ny afo ity tanàna ity.


Fa hoy i Jeremià taminy: –Tsia, tsy hisy hanolotra anao aminy fa ankatoavy ny tenin’ny TOMPO izay lazaiko aminao, dia ho tsara aminao ny toe-javatra ary ho velona ny ainao.


Fa samy Ahy avokoa ny ain’ny tsirairay avy, na ny an’ny ray aman-dreny na ny an’ny zanany; koa izay olona manota ihany no ho faty.


Ny devoly no ray niavianareo, ka ny filàndratsin’ny rainareo no satrinareo hatao. Ny devoly dia mpamono olona hatrany am-boalohany; ary tsy nitoetra tamin’ny marina izy, satria ny marina tsy ao aminy. Raha mandainga izy, dia miteny araka ny toetrany satria mpandainga izy sady rain’ny mpandainga.


Satria fahafatesana no tambin’ny fahotana, dia ny fanomezan’Andriamanitra maimaimpoana kosa dia fiaina-maharitra mandrakizay ho an’izay ao amin’i Kristy Jesoa Tompontsika.


Ireo zavatra ireo no mahatonga ny fahatezeran’Andriamanitra hihatra amin’ny olona tsy manaiky an’Andriamanitra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra