Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 57:11 - Baiboly Katolika

11 Fa iza àry no atahoranao? iza no ahinao, no dia nivadika amiko ianao, ka tsy mba mahatsiaro Ahy, sy tsy asianao raharaha akory Aho? Moa tsy nangina Aho, ary efa hatry ny ela, dia hatrizay tsy natahoranao Ahy izay?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

11 Iza ary no nahìnao sy natahoranao no dia nandainga ianao ka tsy nahatsiaro Ahy na nisaina akory? Moa tsy efa nangina va Aho hatrizay hatrizay? Fa tsy matahotra Ahy ianao.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

11 Fa iza no nahînao sy natahoranao no dia namadika Ahy ianao, ka tsy nahatsiaro Ahy intsony sy nandroaka Ahy tao am-ponao? Efa nangina hatrỳ ny ela Aho, ka izany angaha no tsy anajanao Ahy?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

11 Fa iza no nahînao sy natahoranao no dia namadika Ahy ianao, ka tsy nahatsiaro Ahy intsony sy nandroaka Ahy tao am-ponao? Efa nangina hatrỳ ny ela Aho, ka izany angaha no tsy anajanao Ahy?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

11 Ary iza no nahìnao sy natahoranao, No dia nandainga hianao Ka tsy nahatsiaro Ahy na nandatsaka am-po? Moa tsy efa nangina va Aho hatrizay hatrizay? Ka dia tsy natahotra Ahy hianao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

11 Ary iza no nahinao sy natahoranao, no dia nandainga ianao ka tsy nahatsiaro ahy na nandatsaka am-po? Moa tsy efa nangina va Aho hatrizay hatrizay? Ka dia tsy natahotra Ahy ianao.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

11 Iza ary no nahìnao sy natahoranao no dia nandainga ianao ka tsy nahatsiaro Ahy na nisaina akory? Moa tsy efa nangina va Aho hatrizay hatrizay? Fa tsy matahotra Ahy ianao.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 57:11
27 Rohy Ifampitohizana  

Izany no nataonao, nefa nangina ihany Aho, ka dia noheverinao fa mitovy aminao Aho, kanjo indro Aho hananatra anao, sy hanampatra izany rehetra izany eo imasonao.


Kanjo namitaka Azy tamin’ny teniny izy ireo, ary nandainga taminy ny lelany;


Ny tahotra olombelona, misy fandrika anatiny; fa ny matoky amin’i Iaveh, no tafatoetra tsy misy hatahorany.


Saingy tsy tanterahina vetivety, ny teny fitsarana navoaka hamaliana ny ratsy atao, ka noho izany ny fon’ny zanak’olombelona dia mihasahy ao anatiny amin’ny fanaovan-dratsy;


Raha omena famindram-po ny ratsy fanahy dia tsy mahalala ny fahamarinana; ka na eo amin’ny tanin’ny fahamarinana aza izy dia manao ratsy, sy tsy mahita izay fiandrianan’i Iaveh.


Satria izy dia firenem-pikomiana zanaka miodina, zanaka mandà, tsy mihaino ny lalàn’i Iaveh.


«Ela nangina Aho; nitam-bava tsy niteny sy nanindry fo Aho; mitolokoloko toy ny vehivavy miteraka, misentosento sy mihanahana Aho.


Voky lavenona izy; mivoana entin’ny fony voafitaka izy. Tsy hamonjy ny fanahiny izy, na hilaza hoe: «Moa tsy lainga va izay eto an-tanako?»


Ary hoy ianao: «Tompovavy ho amin’ny mandrakizay aho!» ka dia tsy mba nandinika izany akory ianao, na mba nitsapa izay hiafaran’izany rehetra izany.


Manadino ny firavany va ny zazavavy, sy manadino ny fehinkibony ny fofom-bady? Ny vahoakako kosa anefa nanadino Ahy, hatramin’ny andro efa tsy hita isa!


Misy feo mihahohaho any amin’ny fitoerana avo, dia fitomanian’ny zanak’i Israely mifona; fa nanimba ny lalany izy ireo, nanadino an’i Iaveh Andriamaniny. -


Dia hoy i Sedesiasa mpanjaka tamin’i Jeremia: «Matahotra an’ireo Jodeanina efa nanatona ny Kaldeanina aho; dia hatolotry ny olona an’ireo aho ka hataon’ireo fihomehezana.»


nanalavitra ny Kaldeanina izay natahorany, noho ny namonoan’i Ismaely zanak’i Nataniasa an’i Godoliasa zanak’i Ahikama, izay napetraky ny mpanjakan’i Babilôna, ho governoran’ny tany.


Fa efa naningo-tena ianareo, tamin’ny nanirahanareo ahy ho any amin’i Iaveh Andriamanitsika, nanao hoe: Mivavaha amin’i Iaveh Andriamanitsika ho anay, fa izay rehetra holazain’Iaveh Andriamanitsika, dia ambarao anay fa hotanterahinay avokoa.


Noho ianareo mampahory ny fon’ny marina amin’ny lainga, nefa Izaho kosa tsy nampahory azy; sy noho ianareo nankahery ny ratsy fanahy, mba tsy hiverenany avy amin’ny lalan-dratsiny hahavelona azy;


Ka natahotra aho dia lasa naleviko tany anatin’ny tany ny talentanao: koa indro averiko aminao ny anao›.


Fa hoy i Piera: «Ry Anania, nahoana i Satana no nameno ny fonao handainga amin’ny Fanahy Masina, ka hanafina ny vola sasany amin’ny vidin’ny tany?


Ary ny fisehoan’ilay ratsy, noho ny asan’i Satana dia homban’ny hery sy famantarana amam-pahagagana sandoka rehetra,


izay haelin’ny mpihatsaravelatsihy sy mpandainga, dia olona voamariky ny vy mahamay ny fieritreretany;


Fa ny kanosa kosa, sy ny tsy mino, ny tsy valahara, ny mpamono olona, ny mpijangajanga, ny mpimasy, ny mpanompo sampy, mbamin’ny mpandainga rehetra, dia any amin’ny farihy afo aman-tsolifara mirehitra no ho anjarany; izany no fahafatesana faharoa.»


Fa any ivelany kosa ny alika sy ny mpimasy, ny mpijangajanga, ny mpamono olona, ny mpanompo sampy, mbamin’izay rehetra tia lainga sy mpandainga.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra