Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Jeremia 38:20 - Baiboly Katolika

20 Fa hoy ny navalin’i Jeremia: «Tsy hanolotra anao ny olona; mba henoy re ny feon’i Iaveh amin’izay ambarako aminao, dia hahita soa amin’izay ianao ary ho voavonjy ny ainao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

20 Hoy anefa i Jeremia: Tsy hanolotra anao izy tsy akory. Trara antitra ianao, ankatoavy ny tenin’NY TOMPO, izay lazaiko aminao, mba hahita soa ianao ka ho velona ny ainao.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

20 Fa hoy i Jeremià taminy: –Tsia, tsy hisy hanolotra anao aminy fa ankatoavy ny tenin’ny TOMPO izay lazaiko aminao, dia ho tsara aminao ny toe-javatra ary ho velona ny ainao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

20 Fa hoy i Jeremià taminy: –Tsia, tsy hisy hanolotra anao aminy fa ankatoavy ny tenin’ny TOMPO izay lazaiko aminao, dia ho tsara aminao ny toe-javatra ary ho velona ny ainao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

20 Fa hoy Jeremia: Tsy hanolotra anao izy tsy akory. Trarantitra hianao, ankatoavy ny tenin’i Jehovah, izay lazaiko aminao, mba hahita soa hianao, ka ho velona ny ainao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

20 Fa hoy Jeremia: Tsy hanolotra anao izy tsy akory. Trarantitra ianao, ankatoavy ny tenin'i Jehovah, izay lazaiko aminao, mba hahita soa ianao, ka ho velona ny ainao.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 38:20
20 Rohy Ifampitohizana  

Koa lazao fa anabaviko ianao, ka ianao no handraisany ahy tsara ary ianao no hamelany ahy ho velona.»


Jereo fa misy tanàna akaiky hialofako itsy, sady tanàna kely foana, ka aoka re mba ho ao aho no handositra, fa kely rahateo io, dia ho velona aho.»


Nony ampitso, nifoha maraina koa izy ireo, dia niainga nankany an’efitr’i Tekôe. Ilay lasa iny izy, dia nitsangana teo i Jôsafata, ka nanao hoe: «Mihainoa ahy, ry Jodà, sy ianareo mponina ao Jerosalema! Matokia an’i Iaveh Andriamanitrareo, dia tsy ho voahozongozona ianareo, ary matokia ny mpaminaniny, dia hoambinina ianareo.»


Dia notoroany sy nataony hoe: «Aoka ny fonao hitana ny teniko; tandremo ny didiko dia ho velona ianao.


Tandremo ny didiko, dia ho velona ianao, tandremo hoatra ny anakandriamasonao ny fampianarako.


Atongilano ny sofinareo, ka mankanesa atỳ amiko; mihainoa ka aoka ho velona ny fanahinareo. Ary hanao fanekena mandrakizay aminareo Aho, ka hanome anareo ny fahasoavana nampanantenaina an’i Davida.


izay nandidiako ny razanareo, tamin’ny andro nitondrako azy nivoaka avy any amin’ny tany Ejipta, avy any amin’ny memim-by, nanaovako taminy hoe: Henoy ny feoko ary ataovy izany zavatra izany, araka izay rehetra andidiako anareo, dia ianareo ho oloko, ary izaho ho Andriamanitrareo;


Kanefa izy ireo tsy nihaino na nanongilan-tsofina; fa samy nandeha nanaraka ny ditran’ny fo ratsiny; ka dia notanterahiko taminy ny teny rehetra amin’ity fanekena ity, izay nandidiako azy hotandremany; nefa tsy notandremany.»


Koa ankehitriny, ahitsio ny lalanareo sy ny ataonareo; ary mihainoa ny feon’i Iaveh Andriamanitrareo, dia hanenenan’i Iaveh ny loza nolazainy hamelezana anareo.


Fa raha mandà tsy hivoaka ianao dia izao no nambaran’i Iaveh tamiko:


Fa ny amin’ny didy nomeko azy ireo, dia izao no nolazaiko taminy: Mihainoa ny feoko; ary Izaho no Andriamanitrareo, ary ianareo no vahoakako; mizora amin’ny lalana rehetra handidiako anareo, mba ho sambatra ianareo.»


Fa izao lazain’i Iaveh, amin’ny taranak’i Israely: Tadiavo Aho, dia velomy ianareo.


Tadiavo i Iaveh, dia velomy ianareo, fandrao milatsaka, toy ny afo, amin’ny taranak’i Josefa izy, ka handevona azy, nefa tsy hanana olona handevona izany, i Betela.


Na kely sisa na be, hoy i Paoly, dia mangataka amin’Andriamanitra aho, mba ho tonga toa ahy avokoa ianao sy izay rehetra mihaino ahy eto ankehitriny, afa-tsy amin’ireto fatorana ireto.


Koa noho ny fanananay fahatahorana ny Tompo no itadiavanay hampiaiky ny olona; fa Andriamanitra moa dia mahalala anay mazava, ary ianareo koa dia ataoko fa mahalala anay ao amin’ny kônsiansinareo.


Koa sady solon’i Kristy àry izahay no irak’Andriamanitra koa, ka tahaka an’Andriamanitra no mananatra, sy toy ny Tenan’i Kristy no mihanta aminareo hoe: Mihavàna re amin’Andriamanitra ianareo!


Ka noho izahay mpiara-miasa aminy àry dia mihanta aminareo izahay mba tsy handray foana ny fahasoavan’Andriamanitra ianareo;


Aza mamita-tena amin’ny hevi-poana anefa, fa miezaha ho mpanatanteraka ny teny, fa tsy ho mpihaino fotsiny,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra