Dia nanao fitoeran-drano varahina folo izy, samy nahalany efapolo vata avy, efatra hakiho ny haben’ny fitoeran-drano avy, samy nitombina tamin’ny tongotra anankiray tamin’ny iray amin’ny tongotra folo.
Eksodosy 38:8 - Baiboly Katolika Nanao ny tavy varahina sy ny faladiany varahina izy tamin’ny fitaratr’ireo vehivavy mpivory eo amin’ny fidiran’ny trano lay fihaonana. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny koveta varahina sy ny faladiany varahina kosa no nataony tamin’ny fitaratra varahin’ireo vehivavy izay nanompo teo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana. DIEM PROTESTANTA Avy eo, dia namboarina koa ny kovetabe halimo sy ny faladiany halimo; ny fitaratra halimo izay an’ireo vehivavy niasa teo am-baravaran’ny Tranolay fihaonana no nampiasaina tamin’izany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Avy eo, dia namboarina koa ny kovetabe halimo sy ny faladiany halimo; ny fitaratra halimo izay an’ireo vehivavy niasa teo am-baravaran’ny Tranolay fihaonana no nampiasaina tamin’izany. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny tavy varahina sy ny faladiany varahina dia nataony tamin’ny fitaratra varahin’ny vehivavy izay nanompo teo anoloan’ny varavaran’ny trano-lay fihaonana. Malagasy Bible Ary ny tavy varahina sy ny faladiany varahina dia nataony tamin'ny fitaratra varahin'ny vehivavy izay nanompo teo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana. La Bible en Malgache Ny koveta varahina sy ny faladiany varahina kosa no nataony tamin’ny fitaratra varahin’ireo vehivavy izay nanompo teo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana*. |
Dia nanao fitoeran-drano varahina folo izy, samy nahalany efapolo vata avy, efatra hakiho ny haben’ny fitoeran-drano avy, samy nitombina tamin’ny tongotra anankiray tamin’ny iray amin’ny tongotra folo.
Nanao ranomasina anìdina izy: folo hakiho ny haben’ny vavany ary boribory izy manontolo; dimy hakiho ny haavony, ary kofehy telopolo hakiho no maharefy azy manodidina.
Manasa ny tanako amin’ny tsy fananan-tsiny aho, ary manodidina ny ôtelinao aho, ry Iaveh,
ny ôtely fanaovan-tsorona dorana sy ny fanaka rehetra momba azy, ny tavy sy ny faladiany;
Natsofony tamin’ny masom-bola eo an-daniny roan’ny ôtely ny bao hitondrana azy. Nataony hoboka àty tamin’ny hazo fisaka ny ôtely.
Hapetrakao eo anelanelan’ny trano lay fihaonana sy ny ôtely ny tavy, ka hasianao rano.
Sambatra ny olona mihaino ahy, sy miari-tory isan’andro eo am-baravarako, ary miandry eo amin’ny tolàm-baravarako!
Amin’izany andro izany, hisy loharano hisokatra, ho an’ny taranak’i Davida sy ny mponina ao Jerosalema, hanasa ny fahotana amam-pahalotoana.
Tamin’izany i Piera nipetraka teo alatrano, ary nisy ankizivavy anankiray nanatona azy ka nanao taminy hoe: «Ianao koa naman’i Jesoa Galileanina.»
ary efa mpitondratena tokony ho efatra amby valopolo taona, sady tsy niala tao amin’ny Tempoly, fa nanompo an’Andriamanitra andro aman’alina tamin’ny fifadian-kanina sy ny fivavahana.
Fa hoy i Jesoa taminy: «Izay efa nandro, tsy mila hosasana afa-tsy ny tongotra, fa efa madio avokoa ny tenany manontolo. Ary ianareo koa dia madio, nefa tsy ianareo rehetra.»
Fa i Piera kosa nijanona tany ivelany tao akaikin’ny vavahady. Dia nivoaka ilay mpianatra izay fantatry ny lehiben’ny mpisorona, ka niteny tamin’ny vehivavy mpiandry vavahady, ary nampiditra an’i Piera.
Ny hoe mpitondratena tokoa, dia honjohonjon’izy irery no sisa, Andriamanitra no hany antenainy, ka maharitra amin’ny fangatahana amam-pivavahana andro aman’alina izy;
fa naman’ny hanina, sy fisotro ary fidiovana samihafa fotsiny, dia fitsipika momba ny nofo ihany, ary voadidy ambara-piavin’ny andro fanoloana azy ihany.
Anaka, aza mety hofitahin’olona ianareo, fa izay manao ny marina ihany no marina toa Azy marina koa.
ary avy amin’i Jesoa Kristy, ilay Vavolombelona mahatoky, Lahimatoa amin’ny maty, ary Filohan’ny mpanjakan’ny tany. Ho an’Ilay tia antsika anie, ka nanasa ny otantsika tamin’ny Rany,
Efa antitra dia antitra i Helì, ary nandre ny nataon’ny zanany tamin’i Israely rehetra izy, sy ny nandriany tamin’ny vehivavy nanompo teo am-baravaran’ny trano lay fihaonana,