ka tojo ny haizina amin’ny antoandro izy ireny ary miraparapa toy ny amin’ny alina, amin’ny mitatao vovonana indrindra.
Eksodosy 10:21 - Baiboly Katolika Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Ahinjiro manandrify ny lanitra ny tananao, hisian’ny haizim-pito amin’ny tany Ejipta, sady haizina azo tsapain-tanana.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hoy indray NY TOMPO tamin’i Mosesy: Atsory manandrify ny lanitra ny tananao mba hampisy haizina ao amin’ny tany Ejipta, dia haizina azo tsapain-tanana. DIEM PROTESTANTA Hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Atsangano manondro lanitra ny tananao hisian’ny haizina manerana an’i Ejipta, dia haizina mikitroka. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Atsangano manondro lanitra ny tananao hisian’ny haizina manerana an’i Ejipta, dia haizina mikitroka. Baiboly Protestanta Malagasy ARY hoy Jehovah tamin’i Mosesy: Ahinjiro manandrify ny lanitra ny tànanao, mba hisy aizina amin’ny tany Egypta, dia aizina azo tsapaina. Malagasy Bible Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Ahinjiro manandrify ny lanitra ny tananao, mba hisy aizina amin'ny tany Egypta, dia aizina azo tsapaina. La Bible en Malgache Hoy indray NY TOMPO tamin’i Mosesy: Atsory manandrify ny lanitra ny tananao mba hampisy haizina ao amin’ny tany Ejipta, dia haizina azo tsapain-tanana. |
ka tojo ny haizina amin’ny antoandro izy ireny ary miraparapa toy ny amin’ny alina, amin’ny mitatao vovonana indrindra.
Nalefany hamely azy ny afon’ny fahatezerany, dia ny fahavinirana, fisafoahana, ary fampahoriana, tafik’Anjely mitondra loza avokoa.
Hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Lazao amin’i Aarôna hoe: Raiso ny tehinao ary ahinjiro eo ambonin’ny ranon’i Ejipta ny tananao, dia amin’ny reniranony, amin’ny lakan-dranony, amin’ny dobo aman-kamoriny rehetra. Hanjary ra ireny ary hisy ra amin’ny tany Ejipta manontolo, na amin’ny fasian-drano hazo, na amin’ny fasian-drano vato.»
Dia hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Ahinjiro manandrify ny lanitra ny tananao, hilatsahan’ny havandra eran’ny tany Ejipta rehetra, amin’ny olona sy ny biby ary ny ahitra rehetra any an-tsaha.»
Fa toy ny haizina kosa ny lalan’ny ratsy fanahy, ka tsy tazany akory izay hanafintohina azy.
Satria foana ny nahatongavany, amin’ny maizina no ahalasanany; ho voasaron’ny haizina ny anarany;
Amin’ny hamonoako anao, hotakonako ny lanitra, ary hohamaiziniko ny kintana, ny masoandro hosaronako rahona; ny volana, tsy handefa intsony ny fahazavany.
Ary hatramin’ny ora fahenina ka hatramin’ny ora fahasivy dia rakotry ny haizina ny tany rehetra.
Ary rehefa tokony ho tamin’ny ora fahenina, dia rakotra haizina ny tany rehetra ka naharitra hatramin’ny ora fahasivy izany,
fa i Iaveh Andriamanitrareo izay mandeha eo alohanareo, dia Izy no hiady ho anareo, araka izay rehetra efa nataony ho anareo tany Ejipta teo imasonareo,
hitsapatsapa amin’ny mitataovovonana, toy ny jamba amin’ny haizim-pito ianao; tsy hahomby amin’ny lalana halehanao, hampahorina isan’andro ianao, ary hobaboina, nefa tsy hisy hamonjy anao.
Oviana no mba nisy Andriamanitra nanandrana haka firenena anankiray ho azy tao afovoan’ny firenena iray hafa, tamin’ny fitsapana, famantarana, fahagagana, ady, tanana mahery, sandry ahinjitra, ary fangorohoroana lehibe, toraky ny nataon’i Iaveh Andriamanitrareo ho anareo, teo imasonareo, tany Ejipta?
Fantsakana ri-drano izy ireo, ary rahona avoivoin’ny tadio, ka haizina mainty be no miandry azy.
Fa matoa tsy namindra fo tamin’ny Anjely nanota Andriamanitra, fa namarina sy nanjera azy any an-davaka maizina izay itanany azy ho amin’ny fitsarana;
onjan-dranomasina misamboaravoara, mandoa vorin’ny fahafaham-baràka ho azy; ary kintana mirenireny, fiandrin’ny haizim-pito mandrakizay.
Ary ny Anjely tsy nahatana ny fiamboniany fa nitsoa-ponenana, dia tanany am-patorana mandrakizay ao anatin’ny haizina, sy tahiriziny ho amin’ny andro fitsarana lehibe.
Nitsoka ny trômpetra indray ny Anjely fahefatra, dia voa ny ampahatelon’ny masoandro sy ny ampahatelon’ny volana ary ny ampahatelon’ny kintana, ka tonga maizina ny ampahatelon’ireo, tsy nazava intsony ny ampahatelon’ny andro, ary toraka izany koa ny alina.