2Timoty 3:16 - Baiboly Katolika Satria ny Soratra rehetra avy amin’ny fanilovan’Andriamanitra dia mahasoa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fananarana, ho fanabeazana amin’ny fahamarinana, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ny fahamarinana, DIEM PROTESTANTA Ny Soratra Masina rehetra dia nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra sady mahasoa hampianarana ny marina, hendresen-dahatra, hanitsiana ny diso, hanabeazana ho tia rariny, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny Soratra Masina rehetra dia nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra sady mahasoa hampianarana ny marina, hendresen-dahatra, hanitsiana ny diso, hanabeazana ho tia rariny, Baiboly Protestanta Malagasy Izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ny fahamarinana, Malagasy Bible Izay soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin'ny fahamarinana, La Bible en Malgache Izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ny fahamarinana, |
Nomenao ny fanahinao tsara izy hahatonga azy ho malina; tsy nolavinao tsy hohanin’ny vavany ny mananao, ary namonona rano hanala hetaheta azy Ianao.
Hataon’ny zatovo ahoana no fahatonga ny lalany ho madio? Ny fitandremany tena araka ny teninao.
Ianao, ilay antsoina hoe taranak’i Jakôba, moa tsy manana fandeferana va i Iaveh? Izany va no asa fanaony? «Moa ny teniko tsy mba tenim-pitiavana ho an’izay mandeha amin’ny hitsiny?»
Tsy nisy feo nohenoiny akory, tsy nandray anatra izy, tsy niankina tamin’i Iaveh, tsy nanatona an’Andriamaniny.
Dia nanampy teny indray Izy nanao hoe: «Koa ny mpanora-dalàna rehetra izay mahay tsara ny amin’ny fanjakan’ny lanitra àry, dia tahaka ny raim-pianakaviana izay mamoaka zava-baovao sy tranainy avy amin’ny fitoeran-drakiny.»
Dia hoy i Jesoa taminy: Tsy mba novakinareo va ny Soratra Masina hoe: Ny vato narian’ny mpanao trano no efa tonga vato fehizoro ; avy tamin’ny Tompo izany, ka mahagaga eo imasontsika?
Ka nahoana àry i Davida, hoy Izy tamin’ireo, raha tsindrian’ny Fanahy Masina no miantso Azy ho Tompo, fa hoy izy hoe:
Fa hatao ahoana àry no hahatanteraka ny Soratra Masina izay milaza fa tsy maintsy ho tonga izao?»
fa tonga izany rehetra izany mba ho tanteraka izay efa voasoratry ny Mpaminany.» Ary tamin’izay dia nandao Azy ny mpianatra rehetra ka nandositra.
Ary hoy ny navalin’i Jesoa azy: «Moa tsy diso hevitra va ianareo noho ny tsy fahafantaranareo ny Soratra Masina sy ny fahefan’Andriamanitra?
Nefa i Davida ihany no nampilazain’ny Fanahy Masina hoe: Ny Tompo nilaza tamin’ny Tompoko hoe: Mipetraha eo ankavanako ianao mandra-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.
Ka raha ireny nanambaràna ny tenin’Andriamanitra ireny aza antsoin’ny lalàna hoe andriamanitra, ary tsy azo foanana ny Soratra Masina,
Fa izay rehetra manao ratsy dia tsy tia ny fahazavana, ka tsy manatona ny fahazavana sao hita miharihary ny asany;
Ry hava-malala, tsy maintsy tanteraka ilay Soratra voalazan’ny Fanahy Masina tamin’ny vavan’i Davida momba an’i Jodasy, izay nitarika ny mpisambotra an’i Jesoa;
Efa nianatra ny Lalan’ny Tompo izy, ary niteny tamin-kafanam-po, ka nampianatra tsara ny amin’i Jesoa na dia ny batemin’i Joany ihany aza no fantany.
Tsy nisy nafeniko izay nahasoa anareo, fa notoriko taminareo sy nampianariko anareo ampahibemaso sy isan-trano.
satria efa nambarako avokoa fa tsy nisy nafeniko taminareo ny sitrapon’Andriamanitra rehetra.
Noho izy ireo tsy niray saina ka ndeha hiala, dia izao ihany no nanampin’i Paoly: «Marina tokoa lahy ny tenin’ny Fanahy Masina, nampilazainy an’i Izaia mpaminany tamin’ny razanareo hoe:
Ary izay rehetra voasoratra taloha dia natao ho fianarantsika, mba hananantsika fanantenana amin’ny fandeferana sy ny fanalana alahelo avy amin’ny Soratra Masina.
ho mpananatra ny adala, ho mpanoro ny bodo, fa eo an-tananao ny Lalàna izay fitsipiky ny fahalalana sy ny fahamarinana;
Azo lazaina fa be ihany: voalohany, izy no nametrahana ny teny fampanantenana nataon’Andriamanitra.
Samy omena ny fanomezana maneho ny Fanahy izy tsirairay avy, mba hahasoa ny be sy ny maro.
Ary tsinjon’ny Soratra Masina rahateo fa amin’ny finoana no anamarinan’Andriamanitra ny Jentily, ka nilaza vaovao mahafaly tamin’i Abrahama izy, nanao hoe: Aminao no hanasoavan’Andriamanitra ny firenena rehetra.
Nampandre anao ny feony avy any an-danitra hampianatra anao Izy, sy nampiseho anao ny afony lehibe teto an-tany; ary nandre ny teniny tao anatin’ny afo ianao.
mananatra ny mpanohitra amin-kalemem-panahy, fa angamba homen’Andriamanitra fibebahana hahalala ny marina izy,
mitoria ny teny, ary mahareta amin’izany na amin’ny fotoana, na tsy amin’ny fotoana: manitsia, mananara, mamporisiha, amim-pandeferana sy amim-pahaizana mandrakariva,
Fa velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra, ka maranitra noho ny sabatra roa lela, maninteraka ny fiavahan’ny aina sy ny fanahy, ary ny famavàny sy ny tsoka aza; fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan’ny fo.