Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Timoty 3:16 - DIEM PROTESTANTA

16 Ny Soratra Masina rehetra dia nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra sady mahasoa hampianarana ny marina, hendresen-dahatra, hanitsiana ny diso, hanabeazana ho tia rariny,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

16 Izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ny fahamarinana,

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

16 Ny Soratra Masina rehetra dia nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra sady mahasoa hampianarana ny marina, hendresen-dahatra, hanitsiana ny diso, hanabeazana ho tia rariny,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

16 Satria ny Soratra rehetra avy amin’ny fanilovan’Andriamanitra dia mahasoa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fananarana, ho fanabeazana amin’ny fahamarinana,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

16 Izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ny fahamarinana,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

16 Izay soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin'ny fahamarinana,

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

16 Izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ny fahamarinana,

Jereo ny toko dika mitovy




2Timoty 3:16
43 Rohy Ifampitohizana  

Ny Fanahin’ny TOMPO no mampiteny ahy sy mametraka ao am-bavako ny teniny.


Nomenao azy koa ilay Fanahinao tsara mba hahatonga hahay manavaka. Ianao nandefa hatrany ny mana ho sakafony sy namorona rano hanala hetaheta azy.


Raketiko ato am-poko ny hafatrao mba tsy hanotako aminao.


Manazava tokoa ny fahitana ny teninao ary mampahira-tsaina ny olon-tsotra.


Raha maninona ny tanora no hadio toetra? Raha mitandrina ny teninao.


Hofaizina mafy izay mandao ny toetra tsara, fa ho faty tokoa izay mankahala anatra.


Izay manongilan-tsofina hihaino anatra mahavonjy no hiara-monina amin’ny olon-kendry.


Fa tahaka ny jiro ny didy toy ny fanilo ny fampianarana, ary toy ny sori-dalam-piainana ireo famaizam-panabeazana,


Fa voaozona ve ny taranak’i Jakôba? Malaky tezitra ve ny TOMPO? Izany ve no fomba fanaony?» Ny teniko dia feno halemem-panahy amin’ireo miaina araka ny hitsiny;


Tsy nohenoiny ny tenin’ny TOMPO tsy noraisiny ny fampitandremany! tsy nametra-pitokiana taminy izy; ilay Andriamaniny tsy nohatoniny.


Dia hoy indray i Jesoa taminy: –Koa amin’izany àry, ny mpahay lalàna rehetra izay nanjary mpianatra ao amin’ny Fanjakàn’ny lanitra dia tahaka ny tompon-drakitra izay mamoaka zava-baovao sy tranainy avy amin’ny tahirin-drakiny.


Ary izao no tenin’i Jesoa tamin’ny lohandoha-mpisorona sy ny Farisianina: –Tsy novakînareo angaha ny Soratra Masina manao hoe: «Ny vato nolavin’ny mpanao trano no nanjary vato fehizoro; avy amin’ny Tompo izao, ary dia zava-mahagaga eto ambany masontsika!»


Ary hoy i Jesoa taminy: –Nahoana àry i Davida, rehefa nohazavain’ny Fanahy Masina, no miantso ny Mesia hoe: «Tompoko»? Fa izao no tenin’i Davida:


Kanefa raha izany, ahoana no hahatanterahan’ny Soratra Masina izay milaza fa tsy maintsy ho tonga izao?


Fa tonga kosa izany rehetra izany mba hahatanterahan’izay voalazan’ireo mpaminanin’Andriamanitra ao amin’ny Soratra Masina. Tamin’izay dia nandao an’i Jesoa ny mpianatra rehetra ka nandositra.


Dia hoy i Jesoa tamin’ireo Tsadoseanina: –Tsy izany tokoa ve no mahadiso hevitra anareo, fa tsy misy fantatrareo na ny Soratra Masina na ny herin’Andriamanitra?


Kanefa tenan’i Davida, rehefa nohazavain’ny Fanahy Masina, no nanao hoe: «Ny Tompo Andriamanitra dia niteny hentitra tamin’ny Mpanjaka Tompoko hoe: Mipetraha amin’ny sezafiandrianana eto ankavanako; Izaho kosa hanao ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.»


Ary tsy azo foanana ny Soratra Masina; fa ireo olona nanambarana ny tenin’Andriamanitra dia natao hoe «Andriamanitra».


Fa izay rehetra manao ratsy dia mankahala ny fahazavana sady tsy manatona ny fahazavana, fandrao hita miharihary ny asa ratsiny.


–Ry havako, tsy maintsy notanterahina izay nambaran’ny Fanahy Masina mialoha ao amin’ny Soratra Masina; fa niteny tamin’ny alalan’i Davida Izy ny amin’i Jodasy izay tonga mpitarika ireo nisambotra an’i Jesoa;


Efa nianatra ny lalana nosoritan’ny Tompo izy ary nafana fo nanambara sy nampianatra mazava tsara momba an’i Jesoa, saingy ny batisan’i Jôhany no hany fantany.


Fantatrareo fa tsy mba nafeniko izay mahasoa anareo, fa notorîko sy nampianariko na vory vahoaka na isan-tokantrano.


Tsy nafeniko fa notorîko taminareo avokoa ny fikasan’Andriamanitra.


Tsy nifanara-tsaina ry zareo ka dia nirava taorian’ny teny indraim-bava nataon’i Paoly hoe: –Rariny izay nampilazain’ny Fanahy Masina an’i Isaià mpaminany tamin’ny razanareo


Eny, izay rehetra hitantsika ao amin’ny Soratra Masina dia voasoratra ho fampianarana antsika mba hananantsika ny fanantenana no ho ny faharetana sy ny fampaherezana avy amin’ny Soratra Masina.


ho mpitaiza ny tsy manam-pahendrena sy ho mpampianatra ny ankizy madinika, satria azonao antoka fa ny lalànan’i Mosesy no tena itarafana ny fahalalana feno sy ny hitsiny.


Eny, misy maro tokoa amin’ny lafiny rehetra. Voalohany, ry zareo Jiosy no nanankinan’Andriamanitra ny teny izay nambàrany.


Tsy ho an’i Abrahama ihany anefa ilay voasoratra hoe «nankatoavan’Andriamanitra azy ho marina»,


Samy omena fanomezana maneho ny Fanahy Masina ny olona tsirairay ho fanasoavana ny daholobe.


Tsinjon’ny Soratra Masina rahateo fa ny finoana no hankatoavan’Andriamanitra ny hafa firenena ho marina; noho izany, dia nambaran’ny Soratra Masina mialoha tamin’i Abrahama izao hafatra mahafaly izao: «Ao aminao no hombàn’Andriamanitra fitahiana ny firenen-drehetra!»


Avy tany an-danitra no nampandrenesany anareo ny feony hananarany anareo, ary teto ambonin’ny tany no nanehoany anareo ny afony lehibe; ka tao anatin’izany afo izany no nandrenesanareo Azy niteny.


ho mora fo raha mananatra ny mpanohitra azy: hataon’Andriamanitra miala amin’ny toe-dratsy angamba ireny mpanohitra ireny mba hahalala ny fampianarana marim-pototra;


torio ny tenin’Andriamanitra, ka mazotoa amin’izany na handray azy ny olona na tsy handray, mandrese lahatra, mananara mafy, mampirisiha ombàn’ny fahari-po sy ny fahaiza-mampianatra hatrany.


Ny hoe mino dia mahazo antoka tsara ny zavatra antenaina ary matoky ny zavatra tsy hita.


Noho izany, araka izay lazain’ny Fanahy Masina hoe: «Anio, raha renareo ny feon’Andriamanitra,


Fa velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra, sady maranitra noho ny sabatra roa lela ka maninteraka hatrany amin’ny fihaonan’ny aina sy ny fanahy ary hatrany amin’ny fihaonan’ny famavàny sy ny tsoka; hainy tsaraina ny eritreritra amam-pisainan’ny fon’ny olona.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra