Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Timoty 3:15 - DIEM PROTESTANTA

15 Hatramin’ny fahazazànao no efa nahalalanao ny Soratra Masina izay manome fahendrena anao hahazoanao famonjena, noho ny finoanao an’i Kristy Jesoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

15 fa hatry ny fony vao zaza ianao dia efa nahalala ny Soratra Masina izay mampahahendry anao ho amin’ny famonjena amin’ny finoana izay ao amin’i Kristy Jesosy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

15 Hatramin’ny fahazazànao no efa nahalalanao ny Soratra Masina izay manome fahendrena anao hahazoanao famonjena, noho ny finoanao an’i Kristy Jesoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

15 sady hatry ny fony mbola zaza ianao no efa nahalala Soratra Masina, izay mampahendry anao ho amin’ny famonjena noho ny finoana an’i Kristy Jesoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

15 fa hatry ny fony vao zaza hianao dia efa nahalala ny Soratra Masina, izay mampahahendry anao ho amin’ny famonjena amin’ny finoana izay ao amin’i Kristy Jesosy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

15 fa hatry ny fony vao zaza ianao dia efa nahalala ny Soratra Masina, izay mampahahendry anao ho amin'ny famonjena amin'ny finoana izay ao amin'i Kristy Jesosy.

Jereo ny toko dika mitovy




2Timoty 3:15
38 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’ny taona fahavalo nanjakàny, fony i Jôsià mbola zatovolahy, no nanombohany nitady an’ilay Andriamanitr’i Davida razambeny; ary efatra taona taorian’izany kosa no nanombohany nanadio ny fanjakàn’i Joda sy ny tanànan’i Jerosalema mba tsy hisy toeram-panasinana na tsatokazo fanajana an’i Aserà, ary tsy hisy sarin-tsampy voasokitra na mivongana intsony.


Ny faravodilanitra atsinanana no iaingany ary ny faravodilanitra andrefana no iafarany; ka, eny amin’ny lalan-kizorany eny, dia tsy misy afa-miery amin’ny hafanàny.


Hatry ny fony aho mbola tanora no efa nampianarinao, Andriamanitra ô; ary mandraka izao dia tsy mitsahatra manambara ireo asanao mahagaga.


Vao manomboka fiainana, dia omeo fizàrana tsara ny zaza; fa na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin’izany.


Izaho dia tia izay tia ahy; ary izay mikatsaka ahy no hahita ahy.


Aza hadino Ilay nahary anao amin’ny androm-pahatanoranao. Tsarovy Izy dieny tsy mbola tonga ny androm-pahosanao ary tsy mbola mihatra ny taona izay hitenenanao hoe: «Mankaleo ahy ny miaina.»


Dia novalian’i Jesoa hoe: –Diso hevitra ianareo fa tsy misy fantatrareo na ny Soratra Masina na ny herin’Andriamanitra?


Eny, ho lehibe eo anatrehan’ny Tompo izy, ary hifady divay sy zava-pisotro hafa mahamamo, sady ho feno ny Fanahy Masina hatrany an-kibon-dreniny.


Nitombo sy nihatanjaka ilay zaza sady feno fahendrena; ary tao aminy ny fahasoavan’Andriamanitra.


Dia nohazavain’i Jesoa tamin’ireto mpianatra ny momba Azy ao amin’ny Soratra Masina manontolo, nanomboka tamin’ny bokin’i Mosesy ka nitohy tamin’ny bokin’ny mpaminany rehetra.


Dia nifampilaza izy roa lahy hoe: –Tsy nirehidrehitra ve ny fontsika tamin’Izy niresaka tamintsika teny an-dalana sy nivaofy ny Soratra Masina?


Tamin’izay dia nosokafan’i Jesoa ny sain’ireo mpianatra mba hahafantatra ny Soratra Masina,


Fa raha tsy mino izay nosoratany ianareo, hataonareo ahoana no fino ireo teniko?


Samy mijoro ho vavolombelona momba azy ny mpaminany rehetra ka manambara fa izay rehetra mino Azy dia hahazo famelan-keloka amin’ny anarany.


Rehefa avy nahatanteraka izay rehetra nambaran’ny Soratra Masina momba Azy ry zareo, dia nesorina teo amin’ny hazofijaliana Izy ary nalevina tao am-pasana.


Tonga tany Derba i Paoly, ary avy eo dia tany Listra. Nisy mpino anankiray natao hoe Timôty tao Listra, Jiosy niova ho kristianina ny reniny fa ny rainy kosa Grika.


Nankao amin’ilay sinagôga i Paoly araka ny fanaony. Sabata telo nifanarakaraka no nifanakalozany hevitra momba ny Soratra Masina tamin’ny olona tao;


Raha mbola mandahatra hiarovan-tena araka izany i Paoly, dia niantso tamin’ny feo mahery kosa i Festo nanao hoe: –Lasa adala ianao, ry Paoly! Ny fianarana be loatra vitanao no mahalasa adala anao!


Ao amin’ny Soratra Masina no efa nampanantenain’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny mpaminany io Vaovao Mahafaly io:


Ankehitriny kosa, izany tsiambaratelo izany dia naharihary tamin’ny alalan’ny soratr’ireo mpaminany, araka ny didin’ilay Andriamanitra mandrakizay, ary nampahafantarina ny firenen-drehetra mba hitarihana azy ireo hino sy hanaiky an’i Kristy.


Koa ilay tsy voafora ara-nofo, nefa manatanteraka ny lalàna, no hanameloka anao izay manana ny lalàna voasoratra sy ny famorana nefa mandika ny lalàna.


Fa ny fahendren’olombelona dia tsy nahalalan’izao tontolo izao an’Andriamanitra na dia teo amin’izay nihariharian’ny fahendren’Andriamanitra aza. Noho izany, dia sitrak’Andriamanitra ho tamin’ny alalan’ny hafatra miendrika fahadalana izay torînay no hamonjena ny olona izay mino.


Ary ianareo, ray aman-dreny, aza manao izay hampahatezitra ny zanakareo. Fa tezao amin’ny fanabeazana sy fifehezana araka ny Tompo izy.


Koa tandremo sy tanteraho izany, fa hiheverana anareo ho hendry sy manan-tsaina eo imason’ny firenen-kafa; handre ireny lalàna rehetra ireny mantsy izy ka ho loa-bolana hoe: «Mba vahoaka hendry sy manan-tsaina tokoa io firenena lehibe io!»


Mandra-pahatongako, dia mahavara tsara mamaky ny Soratra Masina sy mampirisika ary mampianatra.


Avy amiko Paoly ity taratasy ity, dia izaho apôstôlin’i Kristy Jesoa noho ny sitrapon’Andriamanitra mba hitory ny fiainana nampanantenaina izay ananantsika tafaray amin’i Kristy Jesoa.


Tsahiviko ny finoana tsy mihatsaravelatsihy izay ao anatinao, dia ilay finoana efa nananan’i Lôisa renibenao sy i Eonika reninao talohanao. Azoko antoka fa anananao koa izany.


Toy izany koa no ataony ao amin’ny taratasiny rehetra izay itenenany momba izany zavatra izany; amin’ireny taratasiny ireny anefa dia misy zavatra saro-pantarina izay aolan’ny olona kely fahalalana sady tsy miorina tsara, toy ny ataony rahateo amin’ny teny hafa raketin’ny Soratra Masina, ka mahatonga fahaverezana ho an’ny tenany.


Dia niankohoka teo an-tongony aho mba hitsaoka azy, satria nilazany hoe: –Tandremo, aza manao izany! Fa mpanompo miaraka aminao aho sady miaraka amin’ireo namanao iray finoana, izay mitana ny hafatra nijoroan’i Jesoa ho vavolombelona. Andriamanitra no tsaohy! Eny, ny Fanahy Masina Izay manentana hilaza hafatra avy amin’Andriamanitra dia ahariharin’ny fijoroana ho vavolombelon’i Jesoa.


Fa i Samoela kely kosa nisalotra efôda rongony ka nanatanteraka ny fanompoam-pivavahana teo anatrehan’ny TOMPO.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra