Dia nitsangana i Esdrasa mpisorona, ka nanao tamin’izy ireo hoe: «Efa nanota ianareo, fa namponina vehivavy hafa firenena eto aminareo ka nampitombo ny helok’i Israely amin’izany ianareo.
2Timoty 2:16 - Baiboly Katolika Halaviro ireny fibedibedena mandoza ireny, fa mbola handroso ny haratsian’ireny mpanao izany, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa halaviro ny fibedibedena foana satria mbola handroso amin’ny haratsiam-panahy ihany izay mpanao izany, DIEM PROTESTANTA Halaviro ny taria poaka àty sady manazimba fivavahana; fa ny mpanao ireny dia vao mainka handroso amin’ny haratsiam-panahy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Halaviro ny taria poaka àty sady manazimba fivavahana; fa ny mpanao ireny dia vao mainka handroso amin’ny haratsiam-panahy. Baiboly Protestanta Malagasy Fa halaviro ny fibedibedena foana; fa mbola handroso amin’ny haratsiam-panahy ihany izy ireny, Malagasy Bible Fa halaviro ny fibedibedena foana; fa mbola handroso amin'ny haratsiam-panahy ihany izy ireny, La Bible en Malgache Fa halaviro ny fibedibedena foana satria mbola handroso amin’ny haratsiam-panahy ihany izay mpanao izany, |
Dia nitsangana i Esdrasa mpisorona, ka nanao tamin’izy ireo hoe: «Efa nanota ianareo, fa namponina vehivavy hafa firenena eto aminareo ka nampitombo ny helok’i Israely amin’izany ianareo.
I Efraima nanodidina Ahy tamin’ny lainga, ary ny taranak’i Israely tamin’ny fitaka, i Jodà koa efa tapa-kofehy ny amin’ny momba an’Andriamanitra, ny amin’ny momba an’ilay Masina izay mahatoky.
Aza mety hofitahina ianareo, fa ny fiarahana amin’ny ratsy manimba ny fitondran-tena tsara.
Tsy mety lahy ny nireharehanareo lozan-tany erỳ! Tsy fantatrareo angaha fa lalivay kely foana dia mampibonaka ny vongan-dafarìna manontolo?
sy heveriny tsara fa tsy natao ho an’ny olo-marina izy, fa ho an’ny mpandika sy ny mpanohitra, ny tsy manaja an’Andriamanitra sy ny mpanota, ny tsy mpivavaka sy ny tsy mpino, ny mpamono ray sy mpamono reny, ny mpamono olona,
Fa ireny anganongano foana fanaom-bavy antitra ireny dia lavy; ary mampiasà ny tenanao amin’ny fivavahana.
Ry Timote! tano izay napetrako taminao, ary halaviro ny lahateny foana tsy mahasoa, mbamin’ny fanoheran-kevitra avy amin’ny fahaizana mpisandoka anarana,
Ampahatsiarovy ny olona izany, ary anaro eo anatrehan’Andriamanitra izy mba tsy hiady teny foana, satria tsy mahasoa akory izany, fa mamohehatra ny mpihaino aza.
Koa izay nandio ny tenany ho afaka amin’ireny zavatra ratsy ireny, dia ho fanaka mihaja, voahasina, mahasoa ho an’ny tompony ary voaomana amin’ny asa soa rehetra.
fa ny ratsy fanahy sy ny mpisandoka kosa dia handroso miharatsy ihany, sady mpamitaka no fitahina.
ka tsy maintsy tampenam-bava ireny, fa manakorontana fianakaviana maro, sy mampianatra ny tsy mety mba hilany vola.
sy tsy hihaino izay anganongano foanan’ny Jody, na ny didin’ny olona mihataka amin’ny fahamarinana.
Fa raha ny amin’ny fandinihan-javatra tsy misy heviny kosa, mbamin’ny tantaram-pirazanana, ny fifandirana, ny ady hevitra foana momba ny Lalàna, dia ialao ireny, fa sady tsy mahasoa no zava-poana.
Tandremo fandrao misy manary ny fahasoavan’Andriamanitra; aza avela hisy faka mangidy maniry, sao manakorontana sy mandoto ny maro.
Teny manodòka sy tsy misy heviny no itarihany an’izay vao nandao ny olon-dratsy hevitra, hanaraka ny fanirian-dratsin’ny nofo sy ny fahalotoana.
Maro no hanaraka ny fitondran-tena ratsiny, ka avy amin’izy ireo no mety ho voatsiny ny fampianarana ny marina.
ary namitaka ny mponina amin’ny tany tamin’ny fahagagana nomena hataony teo anatrehan’ny Biby, nasainy nanao sarin’ilay Biby naratry ny sabatra nefa velona ihany, ny mponina eto an-tany;
Toa voan’ny ratra mahafaty ny lohany iray, nefa sitrana ihany ilay fery saika nahafaty azy ary gaga ny tany rehetra, ka sady nanaraka azy