Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Timoty 2:16 - DIEM PROTESTANTA

16 Halaviro ny taria poaka àty sady manazimba fivavahana; fa ny mpanao ireny dia vao mainka handroso amin’ny haratsiam-panahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

16 Fa halaviro ny fibedibedena foana satria mbola handroso amin’ny haratsiam-panahy ihany izay mpanao izany,

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

16 Halaviro ny taria poaka àty sady manazimba fivavahana; fa ny mpanao ireny dia vao mainka handroso amin’ny haratsiam-panahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

16 Halaviro ireny fibedibedena mandoza ireny, fa mbola handroso ny haratsian’ireny mpanao izany,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

16 Fa halaviro ny fibedibedena foana; fa mbola handroso amin’ny haratsiam-panahy ihany izy ireny,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

16 Fa halaviro ny fibedibedena foana; fa mbola handroso amin'ny haratsiam-panahy ihany izy ireny,

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

16 Fa halaviro ny fibedibedena foana satria mbola handroso amin’ny haratsiam-panahy ihany izay mpanao izany,

Jereo ny toko dika mitovy




2Timoty 2:16
19 Rohy Ifampitohizana  

Dia nitsangana i Hezrà ka nanao taminy hoe: –Ry lehilahy israelita, efa nanao izay mahadiso tokoa ianareo satria naka vehivavy hafa firenena ho vadinareo ka nampitombo ny fahotan’ny firenentsika.


Hodidinin’ny olon’i Efraîma lainga Aho ary mamely fitaka manodidina Ahy ny firenen’i Israely. I Joda kosa mbola miaraka amin’Andriamanitra sady mbola matoky an’Ilay Masina Indrindra.


Aoka tsy ho voafitaka ianareo, fa «mamohehatra ny toetra tsara ny namana tsy valahara.»


Tsy mety ve ny fireharehànareo! Tsy fantatrareo ve ilay ohabolana hoe: «Leviora kely foana dia mampibohaka ny koba manontolo»?


Tokony hotsarovana fa ny lalàna dia tsy natao ho an’ny manao ny marina, fa ho an’ny mpandika lalàna sy ny maditra: dia ny olon-dratsy sy ny mpanota, ny olona mpaniratsira an’Andriamanitra sy mpanimbazimba fivavahana, ny mpamono ray sy mpamono reny, ny mpamono olona,


Aoka ianao tsy hiraharaha izay angano manazimba fivavahana sady tsy misy fotony. Manazara tena amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra.


Tahirizo tsara, ry Timôty, ny raki-tsoa nankinina taminao; fadio ny taria poaka àty sady manazimba fivavahana; fadio ny fanoheran-kevitra avy amin’ilay antsoina foana hoe «Fahalalana», kanjo tsy izy.


Izany zavatra izany no ampahatsiarovy ny olona, ka anaro mafy eo anatrehan’Andriamanitra izy mba tsy hiady teny; satria tsy mahasoa izany, fa mamohehatra ny mpihaino aza.


Izay olona miezaka hadio fo ka miala amin’ireo haratsiana ireo dia ho tahaka ny fanaka mihaja, satria voatokana ho an’ny Tompo izy sady misy ampiasany azy ary voavoatra hanao asa soa isan-karazany.


Fa ny olona ratsy fanahy sy mpanoloky dia vao mainka hiharatsy hatrany, sady mamitaka no voafitaka.


Tsy maintsy tampenam-bava ireo fa mampisavorovoro fianakaviana maro, satria mampianatra zavatra tsy tokony hampianarina mba hahazoan-karena amin’ny fomba maloto.


mba tsy hifikitra intsony amin’angano jiosy sy didy nataon’olona izay niala tamin’ny fampianarana marim-pototra.


Fa halaviro ny fanontaniana adaladala, ny tantaram-pirazanana, ny fifandirana sy ady momba ny lalàna jiosy; satria sady tsy mahasoa izany no zava-poana.


Mitandrema tsara mba tsy hisy hiala amin’ny fahasoavan’Andriamanitra. Aoka mba tsy hisy ho tonga ahitra mangidy mitrebona ka hanapoizina sy hanimba ny maro.


Teny manodoka sy tsy misy heviny no ataony; ka ny filàndratsin’ny maha olona mpanota, dia ny fitondrantena maloto, no entiny mamitaka ny olona izay vao nandao ny fiainana diso lalana.


Maro no hanaraka ny fitondrantena ratsiny, ka ireny no hanevatevana ny lalana voasoritr’ilay hafatra marim-pototra.


ary mamitaka ny mponina ambonin’ny tany izy amin’ny zava-mampitolagaga nomena hataony eo anatrehan’ilay biby voalohany. Milaza amin’ny mponina ambonin’ny tany koa ny biby faharoa mba hanao sary ho fanajana ilay biby voalohany, izay voaratran’ny sabatra nefa velona ihany.


Ny anankiray tamin’ireo lohany fito dia toa voan’ny ratra ka nila ho faty, nefa sitrana ihany ilay ratra saika nahafaty azy; ary gaga ny tany tontolo ka nanaraka ilay biby.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra