Vao nahita an’i Elia i Akaba dia hoy i Akaba taminy hoe: «Atỳ va ianao, ry ilay mpanakorontana an’i Israely?»
2Tantara 18:7 - Baiboly Katolika Ka hoy ny navalin’ny mpanjakan’i Israely an’i Jôsafata: «Mbola misy olona iray azontsika anontaniana an’i Iaveh, saingy halako izay, satria tsy mba maminany soa ho ahy, fa izao loza lava izao ihany, dia i Mikea zanak’i Jemlà.» Dia hoy i Jôsafata: «Aoka tsy hanao izany intsony ny mpanjaka.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia hoy ny mpanjakan’ny Israely tamin’i Josafata: Mbola misy lehilahy iray ihany ahazoantsika manontany amin’NY TOMPO, saingy halako izy, satria tsy mbola naminany soa ho ahy, fa loza ihany mandrakariva; I Mikaia, zanak’i Jimla, no anarany. Dia hoy i Josafata: Aza manao izany, ry mpanjaka. DIEM PROTESTANTA Dia novalian’ny mpanjakan’i Israely hoe: –Mbola misy lehilahy iray ahazoantsika manontany ny TOMPO ao; saingy halako izy, satria tsy mbola naminany soa ho ahy fa loza mandrakariva. Mikaià, zanakalahin’i Jimlà, no anarany. Ka hoy i Jôsafata: –Aza dia miteny toy izany re ianao, ry mpanjaka! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia novalian’ny mpanjakan’i Israely hoe: –Mbola misy lehilahy iray ahazoantsika manontany ny TOMPO ao; saingy halako izy, satria tsy mbola naminany soa ho ahy fa loza mandrakariva. Mikaià, zanakalahin’i Jimlà, no anarany. Ka hoy i Jôsafata: –Aza dia miteny toy izany re ianao, ry mpanjaka! Baiboly Protestanta Malagasy Dia hoy ny mpanjakan’ny Isiraely tamin’i Josafata: Mbola misy lehilahy iray ihany ahazoantsika manontany amin’i Jehovah, saingy halako izy, satria tsy mbola naminany soa ho ahy izy, fa loza ihany mandrakariva; Mikaia, zanak’i Jimla, no anarany. Dia hoy Josafata: Aza dia manao izany, ry mpanjaka. Malagasy Bible Dia hoy ny mpanjakan'ny Isiraely tamin'i Josafata: Mbola misy lehilahy iray ihany ahazoantsika manontany amin'i Jehovah, saingy halako izy, satria tsy mbola naminany soa ho ahy izy, fa loza ihany mandrakariva; Mitaia, zanak'i Jimla, no anarany. Dia hoy Josafata: Aza dia manao izany, ry mpanjaka. La Bible en Malgache Dia hoy ny mpanjakan’ny Israely tamin’i Josafata: Mbola misy lehilahy iray ihany ahazoantsika manontany amin’NY TOMPO, saingy halako izy, satria tsy mbola naminany soa ho ahy, fa loza ihany mandrakariva; I Mikaia, zanak’i Jimla, no anarany. Dia hoy i Josafata: Aza manao izany, ry mpanjaka. |
Vao nahita an’i Elia i Akaba dia hoy i Akaba taminy hoe: «Atỳ va ianao, ry ilay mpanakorontana an’i Israely?»
fa fony i Jezabela nandringana ny mpaminanin’i Iaveh, dia naka mpaminany zato izy, nafeniny, nataony dimampolo avy, tany anaty zohy, novelominy mofo sy rano, tany.
Ka hoy ny navaliny: «Feno hafanam-po ho an’i Iaveh Andriamanitry ny tafika aho, fa ny fanekenao nafoin’ny zanak’i Israely, ny ôtelinao nazerany, ny mpaminaninao novonoiny tamin’ny sabatra, izaho irery no sisa, ary tadiaviny halàna aina aho.»
Ary hoy i Akaba tamin’i Elia: «Azonao va aho, ry ilay fahavaloko?» Ka hoy ny navaliny: «Azoko ianao, satria nivaro-tena hanao izay ratsy eo imason’i Iaveh ianao.
Dia hoy ny mpanjakan’i Israely namaly an’i Jôsafata: «Mbola misy lehilahy anankiray ihany eto, azontsika anontaniana amin’i Iaveh, dia i Mikea, zanak’i Jemlà; nefa halako izy, satria tsy mba maminany soa ho ahy, fa loza ihany.» Ka hoy i Jôsafata: «Aza manao izany, ry mpanjaka.»
Raha nahita an’i Jehò i Jôrama, dia nanao taminy hoe: «Fihavanana va izao, ry Jehò?» Fa namaly kosa i Jehò: «Inona no ho fihavanana eo raha mbola maharitra koa ny fijangajangan’i Jezabela reninao sy ny vorika betsaka ataony?»
Fa hoy ny navalin’i Mikea: «Velona i Iaveh! Izay hambaran’Andriamanitra no holazaiko.»
Fa hoy kosa i Jôsafata: «Tsy misy mpaminanin’i Iaveh intsony eto va, na dia iray aza, azontsika anontaniana Azy?»
Izay ny mpanjakan’i Israely vao niantso eonòka anankiray, ka nanao taminy hoe: «Asaovy mankatỳ miaraka amin’izay i Mikea zanak’i Jemlà.»
Fa izaho kosa, ry Iaveh, mivavaka aminao, ka amin’ny andro mety, ry Andriamanitra, noho ny hatsaram-ponao lehibe, ekeo ny fangatahako araka ny hamarinan’ny famonjenao.
Toy ny kavim-bolamena amam-piravaka volamena tsara, ny olon-kendry mananatra olona manan-tsofina mihaino tsara.
Halan’ny olona mpandatsa-dra ny tsy misy tsiny; fa miahy ny ain’izy io kosa, ny mahitsy fo.
Aza mananatra ny mpananihany fandrao dia hàlany ianao; fa ny hendry no anaro, dia ho tiany ianao.
Izy ireo manao amin’ny mpahita hoe: «Aza mahita»; sy amin’ny mpaminany hoe: «Aza maminany ny zava-marina aminay, fa zava-mahafinaritra no lazao aminay; hevi-dravina no vinanio.
Dia hoy izy ireo: «Andeha, hiray tetika hamely an’i Jeremia isika; fa tsy ho faty ny lalàna ao amin’ny mpisorona, na ny hevitra ao amin’ny hendry, na ny tenin’Andriamanitra, ao amin’ny mpaminany! Andeha hasiantsika amin’ny vavantsika izy, ary aza manongilan-tsofina amin’ny teniny isika.»
Dia hoy ny lehibe tamin’ny mpanjaka: «Aoka hovonoina io lehilahy io! Fa mampiraviravy tanana ny lehilahy mpiady sisa eto an-tanàna mbamin’ny vahoaka rehetra izy, amin’ny fanaovana teny toy izany aminy. Fa tsy mba mitady izay hahasoa ity vahoaka ity io lehilahy io, fa izay hampidi-doza aminy ihany.»
Mankahala eo am-bavahady izay mananatra izy ireo; ary tsy tia mainty an’izay miteny amim-pahamarinana.
Ianao, ilay antsoina hoe taranak’i Jakôba, moa tsy manana fandeferana va i Iaveh? Izany va no asa fanaony? «Moa ny teniko tsy mba tenim-pitiavana ho an’izay mandeha amin’ny hitsiny?»
fa nirahiny faingana ny mpiambina anankiray nasainy nitondra ny lohan’i Joany amin’ny lovia. Dia nandeha nanapaka ny lohan’i Joany tao an-tranomaizina ilay mpiambina,
Ho sambatra ianareo raha hankahalain’ny olona, horoahiny amin’ny fikambanany, hotevatevainy ary holaviny toy ny zava-dratsy ny anaranareo, noho ny amin’ny Zanak’olona.
Raha tsy nataoko teo aminy izay asa tsy nataon’ny olona na iza na iza, dia tsy nanan-keloka izy; fa ankehitriny efa nahita izy sady efa nankahala Ahy sy ny Raiko.
Satria tsy mahay mankahala anareo izao tontolo izao, fa Izaho no halany, noho Izaho milaza fa ratsy ny asany.