Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 18:7 - DIEM PROTESTANTA

7 Dia novalian’ny mpanjakan’i Israely hoe: –Mbola misy lehilahy iray ahazoantsika manontany ny TOMPO ao; saingy halako izy, satria tsy mbola naminany soa ho ahy fa loza mandrakariva. Mikaià, zanakalahin’i Jimlà, no anarany. Ka hoy i Jôsafata: –Aza dia miteny toy izany re ianao, ry mpanjaka!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Dia hoy ny mpanjakan’ny Israely tamin’i Josafata: Mbola misy lehilahy iray ihany ahazoantsika manontany amin’NY TOMPO, saingy halako izy, satria tsy mbola naminany soa ho ahy, fa loza ihany mandrakariva; I Mikaia, zanak’i Jimla, no anarany. Dia hoy i Josafata: Aza manao izany, ry mpanjaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 Dia novalian’ny mpanjakan’i Israely hoe: –Mbola misy lehilahy iray ahazoantsika manontany ny TOMPO ao; saingy halako izy, satria tsy mbola naminany soa ho ahy fa loza mandrakariva. Mikaià, zanakalahin’i Jimlà, no anarany. Ka hoy i Jôsafata: –Aza dia miteny toy izany re ianao, ry mpanjaka!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

7 Ka hoy ny navalin’ny mpanjakan’i Israely an’i Jôsafata: «Mbola misy olona iray azontsika anontaniana an’i Iaveh, saingy halako izay, satria tsy mba maminany soa ho ahy, fa izao loza lava izao ihany, dia i Mikea zanak’i Jemlà.» Dia hoy i Jôsafata: «Aoka tsy hanao izany intsony ny mpanjaka.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 Dia hoy ny mpanjakan’ny Isiraely tamin’i Josafata: Mbola misy lehilahy iray ihany ahazoantsika manontany amin’i Jehovah, saingy halako izy, satria tsy mbola naminany soa ho ahy izy, fa loza ihany mandrakariva; Mikaia, zanak’i Jimla, no anarany. Dia hoy Josafata: Aza dia manao izany, ry mpanjaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Dia hoy ny mpanjakan'ny Isiraely tamin'i Josafata: Mbola misy lehilahy iray ihany ahazoantsika manontany amin'i Jehovah, saingy halako izy, satria tsy mbola naminany soa ho ahy izy, fa loza ihany mandrakariva; Mitaia, zanak'i Jimla, no anarany. Dia hoy Josafata: Aza dia manao izany, ry mpanjaka.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

7 Dia hoy ny mpanjakan’ny Israely tamin’i Josafata: Mbola misy lehilahy iray ihany ahazoantsika manontany amin’NY TOMPO, saingy halako izy, satria tsy mbola naminany soa ho ahy, fa loza ihany mandrakariva; I Mikaia, zanak’i Jimla, no anarany. Dia hoy i Josafata: Aza manao izany, ry mpanjaka.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 18:7
30 Rohy Ifampitohizana  

Rehefa hitan’i Ahaba i Elià, dia nilazany hoe: –Hay! Tonga ianao, ry ilay mpitondra loza amin’i Israely!


fa tamin’ny nandringanan’i Jezebela ny mpaminanin’ny TOMPO, dia mpaminany zato no voavonjin’i Hôbadià rehefa nafeniny nitsinjara dimampolo avy tany anaty zohy ka novatsìny mofo sy rano.


Dia hoy ny navaliny: –Fatratra loatra ny fitiavako Anao, ry TOMPO Andriamanitr’izao rehetra izao ô, koa tsy tantiko intsony ny nandaozan’ireo Israelita ny fanekempihavananao; ny alitaranao noravany, ny mpaminaninao novonoiny ho faty; ary dia izaho irery ihany no sisa, nefa mbola mitady hahafaty ahy koa izy.


Dia hoy i Ahaba tamin’i Elià: –Mbola hitanao ihany va aho, ry ilay fahavaloko? Ka novaliany hoe: –Eny, mbola hitako ihany ianao satria efa nitolo-tena hanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO;


Dia novalian’ny mpanjakan’i Israely hoe: –Mbola misy lehilahy iray ahazoantsika manontany ny TOMPO ao, dia i Mikaià zanakalahin’i Jimlà; saingy halako izy, satria tsy mba maminany soa ho ahy fa loza hatrany. Ka hoy i Jôsafata: –Aza miteny izany ianao, ry mpanjaka.


Raha vao nahita an’i Jehò i Jôrama, dia nanontany azy hoe: –Fihavanana ve no ahatongavanao, ry Jehò? Fa hoy ny navaliny: –Tsy hisy fihavanana, raha mbola manompo ireo andriamani-tsiizy sy manao majika i Jezebela reninao.


Fa hoy i Mikaià hoe: –Velona ny TOMPO, ka mianiana aho fa izay lazain’Andriamanitra ihany no hambarako.


Ary hoy kosa i Jôsafata: –Moa tsy misy mpaminanin’ny TOMPO koa ve eto mba hanontaniantsika?


Tamin’izay dia niantso tandapa anankiray ny mpanjakan’i Israely, ka nandidy azy haka faingana an’i Mikaià zanakalahin’i Jimlà.


Arovan’ny Tompo avokoa ny rantsam-batany ka tsy hisy tapaka na taolana iray aza.


Aoka aho ho tandrinao sy hovalianao fa mivezi-poana amin-tsento sy toloko,


Izaho kosa mivavaka aminao, TOMPO ô, satria fotoam-panambinanao izao; Andriamanitra ô, be fitiavana Ianao, ka valio aho fa azo antoka ny famonjenao.


Toy ny kavina sy rojo volamena no hasoan’ny anatry ny hendry amin’izay mihaino.


Ny olona lian-drà mankahala ny olom-banona, fa ny olo-mahitsy kosa miahy ny ainy.


Aza mananatra ny mpaniratsira, fandrao hankahalainy ianao; fa ny hendry no anaro, dia ho tiany ianao.


Hoy izy amin’ireo mpahita hoe: «Aza manam-pahitana ianareo»; ary amin’ireo mpaminany hoe: «Aza maminany zava-marina aminay, fa izay mahafaly anay ihany no lazao. Maminania nofinofy aminay.


Dia hoy ny olona hoe: «Andeha isika hanao tetika hamelezana an’i Jeremià, fa tsy ho foana akory ny mpisorona hanome fampianarana, na ny olon-kendry hanolo-tsaina na ny mpaminany hampita ny tenin’Andriamanitra. Andeha hasiantsika amin’ny fanalam-baràka izy, ka tsy horaharahaintsika akory izay lazainy.»


Rehefa nandre izany ireo manamboninahitra ireo, dia niteny tamin’i Tsedekià mpanjaka hoe: –Takînay ny hamonoana ho faty an’i Jeremià, satria manakivy tanteraka ny miaramila sy ny mponina sisa ao an-tanàna izy. Tsy mba mitady izay hahatsara ny vahoaka io lehilahy io fa ny hanampy trotraka ihany.


Halanareo ny olona mananatra eo amin’ny fitsarana ary maharikoriko anareo ny vavolombelona milaza ny marina.


Fa voaozona ve ny taranak’i Jakôba? Malaky tezitra ve ny TOMPO? Izany ve no fomba fanaony?» Ny teniko dia feno halemem-panahy amin’ireo miaina araka ny hitsiny;


Teo no ho eo ny mpanjaka dia naniraka mpiambina nomeny baiko hitondra ny lohan’i Jôhany. Dia lasa ilay io ka nanapa-doha azy tany am-ponja.


Sambatra ianareo raha halan’ny olona sy roahiny ary tevatevainy sy alàny baràka noho ianareo miandany amin’ny Zanak’olona.


Raha toa ireo asa izay tsy nataon’olona na iza na iza no tsy nataoko taminy, dia tsy ho nanam-pahotana izy ireo; ankehitriny kosa, efa nahita ny asa nataoko ireo sady efa nankahala Ahy sy ny Raiko.


Tsy afa-mankahala anareo izao tontolo izao; fa Izaho no ankahalainy, satria mijoro ho vavolombelona manambara fa ratsy ny asany.


Koa dia tonga fahavalonareo ve aho, satria milaza aminareo zavatra marim-pototra?


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra